bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 7
Deuteronomy 7
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 8 →
1
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana dia firenena maro, izay firenena fito lehibe sy mahery noho ianao, no ho voaroakany hiala eo anoloanao: Ny Hetita, ny Girgasita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita.
2
Ary rehefa voatolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao dia ataovy ho zavatra voaozona mihitsy izy ireny fa aza manao fanekena aminy na mamindra fo aminy.
3
Aza mifanambady anaka aminy; ny zanakao vavy dia tsy homenao ho vadin’ny zanany lahy, ary ny zanany vavy dia tsy halainao ho vadin’ny zanakao lahy.
4
Fa hampiala ny zanakao lahy amin’ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamanitra hafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ka handringana anao vetivety Izy.
5
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: Horavanareo ny alitarany, hovakivakinareo ny tsangambaton-tsampiny, hokapainareo ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany* ary hodoranareo amin’ny afo ny sarin-javatra voasokitra.
6
Fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao; satria ianao dia firenena efa nofidin’NY TOMPO Andriamanitrao ho fananany sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
7
Tsy ny hamaroanareo mihoatra noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ny fitiavan’NY TOMPO taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy aza noho ny firenena rehetra
8
fa ny nitiavan’NY TOMPO anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ny razanareo no nitondran’NY TOMPO anareo tamin’ny tanany mahery sy nanavotany anareo tamin’ny trano nanandevozana, dia tamin’ny tanan’i Farao, mpanjakan’i Ejipta.
9
Koa aoka ho fantatrao fa NY TOMPO Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ny taranaka arivo mandimby,
10
ary mamaly miharihary amin’ny fandringanana izay mandrafy Azy fa tsy hitaredretra.
11
Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay omeko anao anio, mba arahinao tsara.
12
Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy dia hotanterahin’NY TOMPO Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo izay nianianany tamin’ny razanao.
13
Ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny menakao; hitahy ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’osinao any amin’ny tany izay nianianany tamin’ny razanao homena anao.
14
Hotahìna mihoatra noho ny firenena rehetra ianao; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
15
Harovan’NY TOMPO amin’ny aretina koa ianao ka tsy hisy hamelezany anao ny aretin-dratsin’i Ejipta, izay fantatrao; nefa hataony amin’izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16
Holevoninao ny firenena rehetra izay hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao anao, koa aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17
Raha hoy ianao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, koa hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18
Dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’NY TOMPO Andriamanitrao tamin’i Farao sy ny Ejiptiana rehetra,
19
dia ny fizahan-toetra lehibe izay efa hitan’ny masonao, ny famantarana, ny fahagagana, ny tanana mahery ary ny sandry nitsotra, izay namoahan’NY TOMPO Andriamanitrao anao avy tany; fa toy izany no hataon’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny firenena rehetra izay atahoranao.
20
Ny fanenitra koa dia hampandehanin’NY TOMPO Andriamanitrao ho eo amin’izy ireo mandra-paharingan’izay sisa velona sy izay efa niery ka tsy hitanao.
21
Aza matahotra azy ianao; fa NY TOMPO Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22
Horoahin’NY TOMPO Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy haingana ianao, fandrao hihamaro ny bibidia ka hamely anao.
23
Fa hatolotry NY TOMPO Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritra azy.
24
Dia hatolony eo an-tananao ka hofoananao tsy ho re etỳ ambanin’ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao fa haringanao avokoa izy rehetra mandra-pahalaniny.
25
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’NY TOMPO Andriamanitrao izany.
26
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho tonga zavatra voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany satria zavatra voaozona.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34