bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 14
Deuteronomy 14
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 15 →
1
Zanaky NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo, koa aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny eo ambonin’ny handrinareo noho ny amin’ny maty.
2
Fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka voafidiny ho fananany sarobidy indrindra mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
3
Aza mihinana izay rehetra fahavetavetana.
4
Fa ireto avy ireo biby azonareo hanina: Ny omby, ny ondry, ny osy,
5
ny diera, ny gazela, ny ombidia, ny osidia, ny antilopa, ny ombimanga ary ny osidia izay any an-tendrombohitra.
6
Izay biby rehetra mivaky kitro ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika no azonareo hanina.
7
Nefa amin’ireo mandinika na mivaky kitro dia izao ihany kosa no tsy azonareo hanina: Ny rameva sy ny bitro ary ny hiràka, satria mandinika ihany izy ireny nefa tsy mivaky kitro; maloto aminareo ireny;
8
ny kisoa koa, satria mivaky kitro nefa tsy mandinika, maloto aminareo izy; ny henan’ireny dia tsy ho fihinanareo ary ny fatiny dia tsy hokasihinareo.
9
Ary amin’izay rehetra ao anatin’ny rano dia izay rehetra misy vombony sy kirany no azonareo hanina;
10
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa dia tsy azonareo hanina, satria maloto aminareo ireny.
11
Ny vorona madio rehetra dia azonareo hanina.
12
Nefa izao kosa no aoka tsy hohaninareo: Ny vaotoro, ny gipa, ny ankoay,
13
ny papango, ny voromahery, ny papango mainty samy araka ny karazany avy,
14
ny goaika rehetra samy araka ny karazany avy,
15
ny aotirisy, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika samy araka ny karazany avy,
16
ny vorondolo, ny vorondolo lehibe, ny ibisy,
17
ny sama, ny vaotoro madinika,
18
ny manarana, ny vano samy araka ny karazany avy, ny takidara, ary ny manavy.
19
Ny bibikely mandady rehetra izay manana elatra dia haloto aminareo ka tsy azonareo hanina.
20
Ny biby manana elatra izay madio no azonareo hanina.
21
Aza mihinana izay maty ho azy, fa omeo ho an’ny vahiny izay ao an-tanànanao ireny mba hohaniny, na amidio amin’ny olona hafa firenena; fa firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
22
Aloavy tsara ny ampahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatra any an-tsaha isan-taona;
23
aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao, eo amin’ny tany izay hofidiny hampitoerany ny anarany no hihinananao ny ampahafolon’ny varinao, ny ranom-boalobokao, ny diloilonao ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’osinao, mba hianaranao hatahotra NY TOMPO Andriamanitrao mandrakariva.
24
Fa raha lavitra loatra ny lalana halehanao ka tsy mahatondra izany zavatra izany ianao, satria lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany, raha notahìn’NY TOMPO Andriamanitrao ianao,
25
dia hamidinao vola izany, ary hofonosinao ny vola ka hoentinao eo an-tananao hankany amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao;
26
ividiano izay rehetra tianao, na omby, na ondry, na osy, na divay, na divay mahery, na izay zavatra hafa tianao io vola io; ary aoka ho eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao no hihinananao izany sy hifalianao mbamin’ny ankohonanao.
27
Ary ny levita* izay ao an-tanànanao dia aza ataonao an-tsirambina; fa tsy manana anjara lova eo aminao izy.
28
Isan-telo taona dia alao ny ampahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany ka ataovy ao an-tanànanao;
29
dia aoka ho avy ny levita, satria tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy sy ny vahiny ary ny kamboty sy ny mpitondratena izay ao an-tanànanao, dia hihinana ireo ka ho voky, mba hotahìn’NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny asan’ny tananao rehetra ianao.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34