bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 6
Deuteronomy 6
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 7 →
1
Ary izao ny lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ny tany izay alehanareo holovana,
2
mba hatahoranao NY TOMPO Andriamanitrao, hitandremanao ny lalànany rehetra sy ny didiny izay omeko anao, dia ianao sy ny zanakao ary ny zafinao, amin’ny andro rehetra hiainanao, mba ho maro andro ianao.
3
Koa mihainoa, ry Israely, ary mitandrema amin’ny fanarahana izany, mba hahita soa ianao ka hitombo indrindra, araka izay nolazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanao taminao, rahatrizay any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely.
4
Mihainoa ry Israely: NY TOMPO Andriamanitsika dia TOMPO iray ihany.
5
Koa tiava NY TOMPO Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ary ny herinao manontolo.
6
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao,
7
ary ampianaro tsara ny zanakao izany ka resaho aminy mandrakariva na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha;
8
ary fehezo ho famantarana eo amin’ny tananao ireny, ary aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao,
9
ary soraty eo amin’ny tolam-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao.
10
Rehefa entin’NY TOMPO Andriamanitrao ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba razanao homena anao ianao, dia tany misy tanàna lehibe sady tsara izay tsy nataonao,
11
trano feno zava-tsoa rehetra izay tsy ianao no nahafeno azy; lavaka famorian-drano nohadiana eo amin’ny vato izay tsy nolavahanao; tany voavoly voaloboka sy hazo oliva izay tsy nambolenao; ary rehefa mihinana ianao ka voky
12
dia mitandrema fandrao hadinonao NY TOMPO izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana.
13
Matahora NY TOMPO Andriamanitrao ianao ka manompoa Azy ary aoka ny anarany no hianiananao.
14
Aza manaraka izay andriamanitra hafa amin’ireny andriamanitry ny firenena manodidina anareo ireny
15
fa Andriamanitra saro-piaro aminao NY TOMPO Andriamanitrao, fandrao hirehitra aminao ny fahatezeran’NY TOMPO Andriamanitrao ka hofongorany tsy ho eo ambonin’ny tany ianao.
16
Aza maka fanahy NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo, tahaka ilay nakanareo fanahy Azy tao Masa.
17
Tandremo tsara ny didin’NY TOMPO Andriamanitrareo sy ny teny vavolombelony ary ny lalànany, izay efa nomeny anao.
18
Ataovy izay mahitsy sady tsara eo imason’NY TOMPO mba hahita soa ianao ka hiditra handova ny tany soa izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razanao homena azy,
19
sady mba horoahiny tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, araka izay nolazain’NY TOMPO.
20
Raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy hoe: Manao ahoana moa ny teny vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitsika hotandremanareo?
21
Dia holazainao aminy hoe: Andevon’i Farao tany Ejipta isika ary tanana mahery no nitondran’NY TOMPO antsika niala avy tany Ejipta.
22
Ary NY TOMPO nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ny Ejiptiana sy i Farao ary ny ankohonany rehetra teo imasontsika.
23
Dia nitondra antsika niala avy tany Izy mba hahafahany mampiditra antsika sy manome antsika ny tany izay nianianany tamin’ny razantsika homena azy.
24
Ary NY TOMPO nandidy antsika mba hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika mba hahita soa mandrakariva isika ary ho velona tahaka ny amin’izao anio izao.
25
Ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika, araka izay nandidiany antsika.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34