bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 26
Deuteronomy 26
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 27 →
1
Rehefa tonga ao amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao
2
dia akao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ny tany, izay alainao avy amin’ny taninao, izay omen’NY TOMPO Andriamanitrao anao ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ny tany izay hofidin’NY TOMPO Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
3
Dia mankanesa ao amin’ny mpisorona amin’io andro io ka lazao aminy hoe: Manambara amin’NY TOMPO Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ny tany izay nianianan’NY TOMPO tamin’ny razantsika homeny antsika.
4
Horaisin’ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan’ny alitaran’NY TOMPO Andriamanitrao.
5
Dia hiteny eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ianao hoe: Arameana mpanjenjena no raiko ka nidina tany Ejipta izy, dia nivahiny tany mbamin’ny olom-bitsy; ary tonga firenena lehibe sy mahery sady maro an’isa tany izy.
6
Ary nanao izay ratsy tamintsika ny Ejiptiana ka nampahory sy nampanao fanompoana mafy antsika.
7
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny razantsika, isika ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asa mafy nataontsika ary ny fahoriantsika;
8
tanana mahery sy sandry natsotra, asa lehibe sady mahatahotra, famantarana sy fahagagana no nitondran’NY TOMPO antsika nivoaka avy tany Ejipta,
9
dia nitondra antsika niditra teto amin’ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10
Ankehitriny, TOMPO ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ny tany izay nomenao ahy. Avelao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao ny voaloham-bokatra noentinao ary miankohofa eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao.
11
Mifalia ianao sy ny levita* mbamin’ny vahiny eo aminao amin’ny soa rehetra izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.
12
Rehefa voaangonao ny fahafolonkarena rehetra avy amin’ny vokatrao amin’ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolonkarena, dia mba omeo ny levita*, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, mba hisy hohaniny ao an-tanànanao ka ho voky izy.
13
Ary lazao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny levita, ny vahiny, ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànanao rehetra izay nomenao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
14
Tsy nisy nohaniko teo amin’ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamanitro aho ka nanatanteraka izay rehetra nandidiany ahy.
15
Tsinjovy ao amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio ny Israely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
16
Anio no andidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo ireo.
17
Efa nampianiana NY TOMPO ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, koa handeha amin’ny lalany sy hitandrina ny lalànany sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ka hihaino ny feony.
18
Ary efa nampianiana anao NY TOMPO androany fa firenena fananany sarobidy indrindra ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,
19
sy hanandratany anao ho ambonin’ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho laza ary ho voninahitra; ary mba ho firenena masina ho an’NY TOMPO Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34