bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 29
Deuteronomy 29
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 30 →
1
Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka niteny taminy hoe: Efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO teo imasonareo tany amin’ny tany Ejipta ianareo, dia tamin’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra.
2
Izany dia fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
3
Nefa tsy nomen’NY TOMPO fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
4
Dia nitondra anareo tany an-tany efitra efapolo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy simba teo amin’ny tongotrao ny kapanao.
5
Tsy mofo no nohaninareo ary tsy divay na toaka mahery no nosotroinareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
6
Nony tonga tamin’ity tany ity ianareo dia niainga i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy i Oga, mpanjakan’i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
7
Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zaratanin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.
8
Koa tandremo ny tenin’izao fanekena izao ka araho, mba hambinina ianareo amin’izay rehetra ataonareo.
9
Miseho eto anatrehan’NY TOMPO Andriamanitrareo ianareo rehetra anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lehiben’ny fokonareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ny Israely,
10
ny zanakareo madinika sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin’ny tobinareo mbamin’ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao,
11
mba hidiranao amin’ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon’NY TOMPO Andriamanitrao aminao anio,
12
hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin’ny razanao, dia i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba.
13
Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
14
fa amin’izay eto amintsika anio eto anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika sy amin’izay tsy eto amintsika izao anio izao koa.
15
Fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin’ny tany Ejipta sy izay nandehanantsika namakivaky ny tanin’ny Jentilisa*;
16
ary efa hitanareo ny fahavetavetany, ny sampiny hazo sy vato ary volafotsy sy volamena, izay teo aminy;
17
fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na foko eo aminareo, izay manana fo mivily anio ka miala amin’NY TOMPO Andriamanitsika ary handeha hanompo ny andriamanitr’ireny firenena ireny; fandrao hisy faka mangidy miteraka poizina mahafaty eo aminareo;
18
koa rehefa ren’izany olona izany ny tenin’ity fanozonana ity dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hiteny hoe: Hanam-piadanana aho; eny, hanaraka ny ditran’ny foko ka hanampy fanalana hetaheta amin’ny fahamamoana.
19
Ary tsy hety hamela ny helony NY TOMPO, fa hanetroka amin’izany lehilahy izany ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, koa hovonoin’NY TOMPO tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anarany.
20
Dia hosarahin’NY TOMPO amin’ny firenen’Israely rehetra izy mba ho amin’ny loza, araka ny fanozonana rehetra amin’ny fanekena izay voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity.
21
Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin’ny tany lavitra, rehefa mahita ny kapoka natao tamin’ity tany ity sy ny aretina izay nahatran’NY TOMPO taminy.
22
Ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo; tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona aminy, dia tahaka ny nandravana an’i Sodoma sy i Gomora ary i Adma sy i Zeboima, izay noravan’NY TOMPO noho ny fahavinirany sy ny fahatezerany.
23
Ary hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana NY TOMPO no dia nanao toy izany tamin’ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan’izao fahatezerana lehibe izao?
24
Dia hiteny ny vahoaka hoe: Satria nahafoy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta izy.
25
Fa nandeha izy ka nanompo andriamanitra hafa sady niankohoka teo anatrehany, dia ilay andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
26
dia nirehitra tamin’ity tany ity ny fahatezeran’NY TOMPO ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra tato amin’ity boky ity;
27
tamin’ny fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan’NY TOMPO azy tsy ho eo amin’ny taniny sady nampandehanany azy ho any amin’ny tany hafa, tahaka ny amin’izao anio izao.
28
An’NY TOMPO Andriamanitsika ny zavamiafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, mba hankatoavantsika ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34