bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 3
Deuteronomy 3
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 4 →
1
Dia niverina isika avy eo ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basana; ary tonga hiady amintsika tao Edrehy i Oga, mpanjakan’i Basana, mbamin’ny vahoakany rehetra.
2
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aza matahotra azy ianao fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, no hataonao aminy.
3
Natolotry NY TOMPO Andriamanitsika teo an-tanantsika koa i Oga, mpanjakan’i Basana, sy ny vahoakany rehetra; dia nandresy azy isika mandra-paha tsy nisy niangana azy na dia iray akory aza.
4
Dia azontsika ny tanànany rehetra tamin’izany andro izany ary tsy nisy tanàna izay tsy nalaintsika taminy, dia tanàna enimpolo, ny tany Argoba rehetra, izay fanjakan’i Oga tany Basana.
5
Samy nisy manda avo sy vavahady ary hidiny hahamafy azy avy ireo tanàna rehetra ireo, afa-tsy ny vohitra madinika maromaro.
6
Dia nataontsika ho zavatra voaozona ireny, tahaka izay efa nataontsika tamin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona; naringana ny mponina rehetra isan-tanàna mbamin’ny zaza amam-behivavy.
7
Ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tamin’ireo tanàna ireo dia nataontsika babo ho antsika.
8
Tamin’izany andro izany dia nalaintsika tamin’ny mpanjaka roa izay an’ny Amorita ny tany any andafin’i Jordana, hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona,
9
izay nantsoin’ny Sidoniana hoe Siriona; nefa ny Amorita kosa dia nilaza azy hoe Senira,
10
dia ny tanàna rehetra amin’ny tany lemaka sy i Gileada rehetra ary i Basana rehetra hatrany Saleka sy Edrehy, dia ny tanàna amin’ny fanjakan’i Oga tany Basana.
11
Fa i Oga, mpanjakan’i Basana, irery no sisa velona tamin’ny Refaìta. Indro, farafara vy ny farafarany; tsy ao Raba an’ny taranak’i Amona va izany? Sivy hakiho* ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, refy hakihon’ny lehilahy io noraisina io.
12
Io tany io dia azontsika tamin’izany andro izany; hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny antsasaky ny tany havoana any Gileada ary ny tanàna eo, dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
13
Ary ny sisa tamin’i Gileada sy ny tanin’i Basana rehetra, izay fanjakan’i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia ny tany Argoba rehetra, dia i Basana rehetra izay atao hoe Tanin’ny Refaìta.
14
I Jaira, zanak’i Manase, no nahazo ny tany Argoba rehetra, hatramin’ny faritanin’ny Gesorita sy ny Makatita; ary ny anaran’izany Basana izany dia nataony hoe Havota-Jaìra, araka ny anarany ihany, mandraka androany.
15
Ary nomeko an’i Makira i Gileada.
16
Ny Robenita sy ny Gadita dia nomeko ny hatrany Gileada ka hatrany amin’ny lohasahan-driaka Arnona, dia ny antsasaky ny lohasaha sy ny sisintany, hatrany amin’ny moron’ny lohasahan-driaka Jaboka izay sisintanin’ny taranak’i Amona,
17
ary ny tany ngazana koa sy i Jordana ary ny faritany hatrany Kinereta ka hatrany amin’ny ranomasin’ny tany ngazana, dia ny Ranomasintsira, eo an-tsisin’i Pisga, ao atsinanany.
18
Nandidy anareo aho tamin’izany andro izany hoe: NY TOMPO Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo. Andeha mita eo alohan’ny Zanak’Israely rahalahinareo ianareo lehilahy mahery rehetra izay samy efa voaomana hiady.
19
Fa ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny ombinareo, izay fantatro fa anananareo betsaka, dia hitoetra ao an-tanànanareo izay nomeko anareo,
20
mandra-panomen’NY TOMPO fitsaharana ny rahalahinareo tahaka ny anareo ka holovany koa ny tany izay nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo azy any andafin’i Jordana; vita izay vao hiverina ianareo, samy ho any amin’ny taniny avy, izay nomeko anareo.
21
Dia nandidy an’i Josoa aho tamin’izany andro izany hoe: Ny masonao dia efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo mpanjaka roa lahy ireo; dia toy izany no hataon’NY TOMPO amin’ny fanjakana rehetra izay halehanao.
22
Aza matahotra azy ianareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no hiady ho anareo.
23
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO aho tamin’izany andro izany hoe:
24
Andriamanitra TOMPO ô, Ianao vao naneho tamin’ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahavita tahaka ny asanao sy ny herinao?
25
Mba avelao aho hita ka hahita ny tany soa izay any andafin’i Jordana, dia ilay be tendrombohitra tsara sy i Libanona.
26
Fa tezitra tamiko noho ny aminareo NY TOMPO ka tsy nihaino ahy. Hoy Izy tamiko: Aoka izay fa aza miteny Amiko intsony ny amin’izany zavatra izany ianao.
27
Miakara eo an-tampon’i Pisga ianao, ary atopazy miankandrefana sy mianavaratra ary mianatsimo sy miantsinanana ny masonao, ary aoka hijery ny masonao; fa tsy hita izany Jordana izany ianao;
28
fa mandidia an’i Josoa, dia mampahereza sy mampahatanjaha azy; fa izy no handeha hita eo alohan’ity firenena ity, ary izy no hampandova azy ny tany izay ho hitanao.
29
Dia nitoetra tany an-dohasaha tandrifin’i Bety-Peora isika.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34