bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Deuteronomy 2
Deuteronomy 2
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 3 →
1
Dia niverina isika ka nandeha tany an-tany efitra tamin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena, araka izay nolazain’NY TOMPO tamiko; ary nanodidina ny tendrombohitra Seìra ela ihany isika.
2
Dia niteny tamiko NY TOMPO hoe:
3
Aoka izay ny fandehananareo nanodidina ity tendrombohitra ity fa miverena mianavaratra ianareo.
4
Ary mandidia ny olona hoe: Ianareo izao dia efa handeha hamakivaky ny tanin’ny taranak’i Esao rahalahinareo izay monina any Seìra; hatahotra anareo izy; nefa mitandrema tsara ianareo.
5
Aza mila ady aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny, na dia eram-paladia akory aza satria nomeko ho lovan’i Esao ny tendrombohitra Seìra.
6
Vola no hividiananareo hanina aminy hohaninareo; ary vola koa no hividiananareo rano aminy hosotroinareo.
7
Fa NY TOMPO Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’izay rehetra nataon’ny tananao; fantany ny nandehananao namakivaky ity tany efitra lehibe ity; izay efapolo taona izay NY TOMPO Andriamanitrao no teo aminao ka tsy nisy zava-mahory anao.
8
Ary raha nolalovantsika ny taranak’i Esao rahalahintsika izay monina any Seìra ka niala tamin’ny lalana any amin’ny Araba sy tao Elata ary Eziona-Gebera isika dia nivily avy eo ka nandeha tamin’ny lalana mankany amin’ny tany efitr’i Moaba.
9
Dia hoy NY TOMPO tamiko: Aza mandrafy ny Moabita na mila ady aminy, fa tsy hanomezako ho lovanao ny taniny satria nomeko ho lovan’ny taranak’i Lota i Ara.
10
Ny Emima nonina tany fahiny dia firenena lehibe sy maro an’isa ary olona lava tahaka ny Anakita.
11
Ireo koa no nolazaina ho Refaìta tany aloha, tahaka ny Anakita; fa ny Moabita kosa dia nilaza azy hoe Emima.
12
Ary ny tany Seìra dia nonenan’ny Horita, fa ny taranak’i Esao no nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany, dia nonina nisolo azy, araka ny nataon’ny Israely tao amin’ny tany izay nomen’NY TOMPO azy ho lovany.
13
Koa miaingà ianareo ankehitriny ka mandehana mita ny lohasahan-driaka Zereda. Dia namakivaky ny lohasahan-driaka Zereda isika.
14
Valo amby telopolo taona ny andro nandehanantsika hatrany Kadesy-Barnea ka hatramin’ny nitantsika ny lohasahan-driaka Zereda, ary izany dia mandra-pahalany ritra ny mpanafika rehetra tamin’izany taranaka rehetra izany ka tsy nisy intsony teo amin’ny toby, araka izay nianianan’NY TOMPO taminy.
15
Ary ny tanan’NY TOMPO dia namely azy mba haharingana ireo mandra-pahalany ritra azy ho tsy nisy intsony teo amin’ny toby.
16
Nony lany ritra ny mpanafika satria maty avokoa
17
dia niteny tamiko NY TOMPO hoe:
18
Ankehitriny dia hamakivaky ny tany Moaba ianao ka hahazo any Ara,
19
dia ho tonga ao akaikin’ny taranak’i Amona, nefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho lovanao ny tanin’ny taranak’i Amona satria nomeko ho lovan’ny taranak’i Lota io toerana io.
20
Nolazaina ho tanin’ny Refaìta koa teo; fa ny Refaìta no nitoetra tao taloha ka nataon’ny Amonita hoe Zamzomita.
21
Firenena lehibe sy maro an’isa ary ahitana olona lava tahaka ny Anakita ireny nefa naringan’NY TOMPO tsy ho eo anoloany, koa ny Amonita no nonina nisolo azy ireo,
22
araka izay nataony ho an’ny taranak’i Esao koa, izay mitoetra any Seìra, fa nandringana ny Horita tsy ho eo anoloany Izy ka nandroaka azy ireo dia nonina nisolo azy mandraka androany.
23
Ary ny amin’ny Avita, izay nonina am-bohitra hatrany Gaza, dia naringan’ny Kaftorita, izay avy tany Kaftora; ary ireo no nonina nisolo azy.
24
Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao i Sihona amorita, mpanjakan’i Hesbona, mbamin’ny taniny. Santaro ny handovanao azy ka tafiho.
25
Anio vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, koa raha reny ny lazanao dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.
26
Dia nandefa iraka avy tany an-tany efitr’i Kedemota aho hankany amin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, hitondra teny fihavanana hoe:
27
Aoka mba handeha hamakivaky ny taninao aho; ny lalambe ihany no halehako ka tsy hivily aho, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;
28
vola no hividianako hanina aminao hohaniko, ary vola koa no hividianako rano aminao hosotroiko; ary handalo fotsiny ihany aho,
29
araka izay nataoko koa tamin’ny taranak’i Esao izay monina any Seìra, sy ny Moabita, izay monina any Ara, mandra-pitako an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’NY TOMPO Andriamanitray anay.
30
Fa tsy nety namela antsika handeha hamakivaky ny taniny i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, satria NY TOMPO Andriamanitrao nampaditra ny fanahin’i Sihona sy nanamafy ny fony, mba hanolorany azy eo an-tananao tahaka ny amin’izao anio izao.
31
Dia niteny tamiko NY TOMPO hoe: Indro, vao manomboka hanolotra an’i Sihona sy ny taniny eo anoloanao Aho; santaro ny handovanao ny taniny.
32
Dia niainga i Sihona mbamin’ny vahoakany rehetra hiady amintsika tao Jahaza.
33
Dia nanolotra azy teo anoloantsika NY TOMPO Andriamanitsika ka nandresy azy sy ny zanany ary ny vahoakany rehetra isika.
34
Tamin’izany andro izany ihany dia nahazo ny tanànany rehetra isika ka nataontsika ho zavatra voaozona ny mponina rehetra isan-tanàna mbamin’ny zaza amam-behivavy; tsy nasiantsika niangana izy na dia iray akory aza.
35
Ny biby fiompiny sy ny fananany tao amin’ny tanàna izay azontsika ihany anefa no nataontsika ho babo.
36
Tsy nisy tanàna tsy azontsika; hatrany Aroera, izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, dia hatramin’ny tanàna izay ao an-dohasaha ka hatrany Gileada; fa izy rehetra ireo dia natolotry NY TOMPO Andriamanitsika teo anoloantsika.
37
Kanefa ny tanin’ny taranak’i Amona no tsy nohakekezinareo, dia ny tany amoron’ny lohasahan-driaka Jaboka sy ny tanàna ao amin’ny tany be havoana; ary izay rehetra nandraran’NY TOMPO Andriamanitsika antsika koa dia nolalovantsika fotsiny.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34