bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 10
Acts 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
1
Nisy lehilahy iray tany Kaisaria, i Kornelio no anarany ary kapiteny tamin’ny antokon’ny miaramila antsoina hoe Italiana izy;
2
mpivavaka tsara sady natahotra an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany rehetra ka nanao fiantrana be tamin’ny olona sady nivavaka mandrakariva tamin’Andriamanitra.
3
Ary nahita miharihary tamin’ny fahitana izy, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahasivy antoandro, fa indro, nisy anjelin’Andriamanitra niditra tao an-tranony ka niteny taminy hoe: Ry Kornelio!
4
Nony nibanjina azy izy dia raiki-tahotra ka niteny hoe: Ahoana, Tompoko? Dia niteny taminy indray ilay anjely hoe: Ny vavaka ataonao sy ny fiantranao dia efa tafakatra ho fampahatsiarovana eo anatrehan’Andriamanitra.
5
Koa ankehitriny, maniraha olona hankany Jopa ka ampanalao ny lehilahy iray atao hoe Simona izay antsoina koa hoe Petera;
6
mitoetra ao amin’i Simona mpandon-koditra izy ary eo amoron-dranomasina ny tranony.
7
Rehefa lasa ilay anjely izay niteny tamin’i Kornelio dia niantso roa lahy tamin’ny mpanompony sy miaramila mpivavaka iray isan’izay nanaraka azy isanandro izy.
8
Rehefa nambarany taminy izany rehetra izany dia naniraka azy ireo hankany Jopa izy.
9
Nony ampitso, raha mbola nandeha teny an-dalana izy ireo ka efa teo akaiky ny tanàna, dia niakatra teo ambonin’ny tampon-trano i Petera mba hivavaka, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahenina.
10
Noana izy ka te hisakafo; fa raha mbola nokarakaraina ny sakafo ho azy dia azon-tsindrimandry izy
11
ka nahita ny lanitra misokatra sady nisy zavatra midina toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany;
12
tao anatin’izany dia nisy ny biby rehetra izay manan-tongotra efatra sy ny zava-mandady sy mikisaka etỳ an-tany ary ny voromanidina.
13
Ary nisy feo niteny taminy hoe: Mitsangàna, ry Petera; vonoy, ka hano. Fa hoy i Petera: Sanatria, Tompoko!
14
Tsy mbola nihinana zavatra fady na tsy madio aho.
15
Fa hoy indray ilay feo taminy fanindroany: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
16
Ary intelo no nitrangan’izany; dia nakarina nankany an-danitra ilay zavatra nony avy eo.
17
Raha mbola nieritreritra tao am-pony ny amin’izay anton’ny fahitana efa hitany i Petera dia indreo ireo olona nirahin’i Kornelio nanontany ny tranon’i Simona ka nijanona teo am-bavahady,
18
dia niantso izy ireo ary nanontany raha ao no mipetraka i Simona izay antsoina koa hoe Petera.
19
Raha mbola nieritreritra ilay fahitana i Petera dia hoy ny Fanahy taminy: Indreo, misy telo lahy mitady anao;
20
koa mitsangàna ianao dia midìna ary mandehana miaraka aminy ka aza misalasala, fa Izaho no naniraka azy.
21
Dia nidina tany amin’ireo olona ireo i Petera ka niteny hoe: Inty aho izay tadiavinareo; inona no anton’ny ahatongavanareo atỳ?
22
Dia hoy ireo: I Kornelio kapiteny, lehilahy marina sady matahotra an’Andriamanitra ka tsara laza amin’ny firenen’ny Jiosy rehetra, dia efa notoroan’anjely masina hevitra hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino teny avy aminao.
23
Ary i Petera dia nampiantrano azy ireo handry tao. Nony ampitso dia niainga i Petera ka nandeha niaraka tamin’izy ireo, ary niaraka taminy koa ny rahalahy sasany avy tany Jopa.
24
Dia tonga tany Kaisaria izy ny ampitson’iny. Efa niandry azy i Kornelio sady efa nampiantso ny havany sy ny namany akaiky.
25
Raha vao niditra i Petera dia nitsena azy i Kornelio ka niankohoka teo amin’ny tongony sady nitsaoka azy.
26
Nefa nampitsangana azy i Petera ka niteny hoe: Mitsangàna fa izaho dia olona ihany.
27
Nony niresaka taminy izy dia niditra tao an-trano ka nahita ny olona maro tafangona tao.
28
Dia hoy izy taminy: Ianareo dia mahalala fa fady amin’ny Jiosy ny hifandray na hiantrano amin’ny olona hafa firenena; nefa izaho dia efa nampahafantarin’Andriamanitra fa tsy misy olona azoko atao hoe fady na tsy madio.
29
Noho izany dia tsy nandà ny hankaty aho rehefa nampiantsoana; koa manontany aho: Inona moa no nampiantsoanareo ahy?
30
Hoy i Kornelio: Telo andro lasa izay, tamin’ny ora toy izao, raha nivavaka teto an-tranoko aho tamin’ny ora fahasivy, dia indro, nisy lehilahy niakanjo mamirapiratra nitsangana teto anatrehako
31
ka niteny hoe: Ry Kornelio, efa re ny vavaka ataonao ary efa tsarovana eo anatrehan’Andriamanitra ny fiantranao.
32
Koa maniraha hankany Jopa ka ampanalao i Simona izay antsoina koa hoe Petera; miantrano ao an-tranon’i Simona mpandon-koditra eo amoron-dranomasina izy.
33
Niaraka tamin’izay dia nandefa olona tany aminao aho; ary tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, izahay rehetra dia efa eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino izay rehetra nampilazain’ny Tompo anao.
34
Dia niloa-bava i Petera ka niteny hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
35
fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
36
Ianareo mahalala ny teny izay nampitondrainy ho amin’ny Zanak’Israely, mitory teny soa milaza fiadanana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy izay Tompon’izao rehetra izao,
37
dia ilay teny natomboka hatrany Galilia ka notorina tany Jodia rehetra taorianan’ny batisa izay notorin’i Jaona,
38
dia ny amin’i Jesosy avy any Nazareta izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery ary nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria nomba Azy Andriamanitra.
39
Vavolombelon’ny zavatra rehetra izay nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay; Izy dia novonoiny rehefa nahantony teo amin’ny hazo;
40
nefa natsangan’Andriamanitra kosa tamin’ny andro fahatelo ka nasehony marina,
41
tsy tamin’ny olona rehetra, fa tamin’ny vavolombelona izay efa notendren’Andriamanitra rahateo, dia taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.
42
Ary nandidy anay Izy hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43
Izy no ambaran’ny mpaminany rehetra fa amin’ny anarany no hahazoan’izay rehetra mino Azy famelan-keloka.
44
Raha mbola nilaza izany teny izany i Petera dia nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.
45
Talanjona ny mino isan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nirotsaka tamin’ny Jentilisa koa ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
46
Ary nandre azy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo. Dia hoy i Petera:
47
Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa azy ireto, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa va?
48
Dia nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy izy ireo. Ary nangatahin’ireo mba hijanona ao aminy andro vitsivitsy i Petera.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28