bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 14
Acts 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
1
Nony tany Ikonioma i Paoly sy i Barnabasy dia niara-niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy izy ireo ka nitoriteny tao, ary olona betsaka no nino, na Jiosy na Grika.
2
Fa ny Jiosy izay tsy nino dia nandrisika sy nanome sain-dratsy ny Jentilisa hanohitra ny rahalahy.
3
Nijanona naharitra tao anefa izy ireo ary nitory tamin’ny fahasahiana noho ny fahatokiany ny Tompo, izay nanome vavolombelona hanamarina ny tenin’ny fahasoavany ka nampanao famantarana sy fahagagana tamin’ny tanan’izy ireo.
4
Dia nisara-tsaina ny vahoaka tao an-tanàna, ny sasany nomba ny Jiosy fa ny sasany kosa dia nomba ny Apostoly.
5
Niray tetika ny Jentilisa sy ny Jiosy mbamin’ny loholony hampijaly sy hitora-bato azy ireo,
6
koa rehefa fantatr’izy ireo izany dia nandositra nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaonia, sy tany amin’ny manodidina izy,
7
ary tany no nitorian’izy ireo ny Filazantsara.
8
Nisy lehilahy iray nipetraka tany Listra, nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra;
9
nahare an’i Paoly nitoriteny izy; ary nony nibanjina azy mafy i Paoly ka nahita fa nanam-pinoana hositranina izy
10
dia niteny tamin’ny feo mahery hoe: Mitsangàna ary mijoroa amin’ny tongotrao. Dia nitsambikina Ralehilahy ka nandehandeha.
11
Nony hitan’ny vahoaka izay zavatra nataon’i Paoly izay dia nanandratra ny feony izy ka niteny tamin’ny fitenin’ny Likaoniana hoe: Efa nidina nankaty amintsika ny andriamanitra maka ny endriky ny olona!
12
Koa ny anaran’i Barnabasy dia nataony hoe Jopitera, ary i Paoly kosa dia Merkiora, satria izy no mpitondra teny.
13
Niaraka tamin’ny vahoaka teo koa ilay mpisoron’i Jopitera teo anoloan’ny tanàna ka nitondra ombilahy voaravaka voninkazo ho eo am-bavahady izy ary nikasa hanao fanatitra.
14
Fa nony nahare izany i Barnabasy sy i Paoly, apostoly, dia nandriatra ny fitafiany ka niantoraka nankeo afovoan’ny olona sady niantso hoe:
15
Tompokolahy, ahoana no anaovanareo izao? Olona tahaka anareo ihany izahay ary mitory ny Filazantsara aminareo mba hialanareo amin’izao zava-poana izao ka hanatonanareo an’Andriamanitra velona izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny.
16
Izy dia namela ny firenena rehetra nandeha tamin’ny lalana tiany naleha tamin’ny andro lasa.
17
Nefa Izy tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona tamin’ny fanaovany soa: Mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo Izy sady manome taon-jina ka mahavoky anareo amin’ny hanina ary mahafeno fifaliana ny fonareo.
18
Nefa na dia nilaza izany aza izy dia saika tsy nahasakana ny olona tsy hamono zavatra hatao fanatitra aminy.
19
Nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna satria noheveriny fa efa maty izy.
20
Nefa nony nanodidina azy ny mpianatra dia nitsangana izy ka nankao an-tanàna. Nony ampitso dia niala tao izy sy i Barnabasy ka nankany Derbe.
21
Rehefa nitory ny Filazantsara tamin’izany tanàna izany izy ka nahazo mpianatra maro dia niverina nankany Listra sy Ikonioma ary Antiokia indray,
22
nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
23
Nanendry loholona ho azy ireo teo amin’ny isam-piangonana izy, dia nivavaka sady nifady hanina ary nanolotra azy ho an’ny Tompo izay efa ninoany.
24
Rehefa nandeha namakivaky an’i Pisidia izy dia tonga tany Pamfilia.
25
Nony avy nitory ny teny tany Perga izy dia nidina nankany Atalia.
26
Avy eo izy dia niondrana an-tsambo hankany Antiokia, izay efa nanolorana azy ho amin’ny fahasoavan’Andriamanitra mba hanao ny asa izay efa novitainy.
27
Rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentilisa.
28
Dia nijanona elaela ihany teo amin’ireo mpianatra izy.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28