bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 17
Acts 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 18 →
1
Rehefa avy namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia izy ireo dia tonga tao Tesalonika ary nisy sinagogan’ny Jiosy tao.
2
Dia niditra tao tahaka ny fanaony i Paoly; nandritra ny Sabata telo no niadiany hevitra tamin’ny olona tao, avy amin’ny Soratra Masina.
3
Nanambara izy ka naneho marina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy; ary Jesosy izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.
4
Ny sasany tamin’ireo dia nino ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy i Silasy, mbamin’ny Grika marobe izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy nanan-kaja.
5
Nialona anefa ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, nampitabataba ny tanàna ka nanao fahirano ny tranon’i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho eo amin’ny olona.
6
Rehefa tsy nahita azy roa lahy izy dia nisarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho eo amin’ny lehiben’ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tonga atỳ koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;
7
nampiantranoin’i Jasona izy ireo, nefa izy rehetra ireo dia manohitra ny didin’i Kaisara satria milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.
8
Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben’ny tanàna raha nahare izany.
9
Koa rehefa naharay antoka tamin’i Jasona sy ny sasany teo aminy izy ireo dia navelany handeha izy roa lahy.
10
Niaraka tamin’izay dia nampandehanin’ny rahalahy iny alina iny ihany hankany Beria i Paoly sy i Silasy ka rehefa tonga tany izy ireo dia niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy.
11
Tsara noho ny tao Tesalonika ny toe-panahin’ireo satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra izy ka nandinika ny Soratra Masina isanandro sady nanadihady ny fahamarinan’izay reny.
12
Koa maro tamin’izy ireo no nino ary tsy vitsy ny vehivavy grika nanan-kaja sy ny lehilahy.
13
Nony ren’ny Jiosy tany Tesalonika anefa fa nitory ny tenin’Andriamanitra tany Beria i Paoly dia nankany koa izy ireo ka nampikitrana sy nampitabataba ny vahoaka.
14
Ary niaraka tamin’izay dia nasain’ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina i Paoly; fa i Silasy sy i Timoty kosa mbola nijanona teo ihany.
15
Ireo izay nanatitra an’i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena; nomen’i Paoly teny holazainy amin’i Silasy sy i Timoty izy ireo mba hankanesan’izy roa lahy haingana any aminy, vao lasa nandeha.
16
Raha niandry azy tany Atena i Paoly dia nangitakitaka ny fanahiny nahita ny tanàna feno sampy.
17
Dia niady hevitra tamin’ny Jiosy sy ny prozelita tao amin’ny sinagoga sy tamin’izay tafavory tany an-tsena isanandro izy.
18
Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika dia nanohitra azy koa ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Hoy indray ny sasany: Toa mitory andriamanitra vaovao izy satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notorin’i Paoly.
19
Ary naka azy izy ireo dia nitondra azy ho any amin’ny Areopago ka niteny hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany va izahay?
20
Mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’izany zavatra izany.
21
Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nonina teo dia tsy nandany ny androny tamin’ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.
22
Dia nitsangana teo afovoan’ny Areopago i Paoly ka nanambara hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako amin’ny zavatra rehetra fa fatra-pivavaka tokoa ianareo.
23
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo dia nahita alitara iray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
24
dia Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy izay eo aminy rehetra; Izy no Tompon’ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana
25
sady tsy mba tompoin’ny tanan’olona toy ny hoe mila zavatra Izy, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofonaina ary ny zavatra rehetra;
26
ary ny firenena rehetra avy amin’ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ny tany rehetra ary efa notendreny ny fotoanandro sy ny faritry ny fonenany
27
mba hitady an’Andriamanitra izy, raha toa ka mba hahatsapa sy hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;
28
fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ny mpanao tononkira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
29
Koa satria terak’Andriamanitra isika dia tsy mety raha ny fomban’Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’olombelona.
30
Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana, fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’izao tontolo izao hibebaka,
31
satria Izy efa nanendry andro iray izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Lehilahy iray voatendriny; koa nanome antoka hampino ny olona rehetra Izy tamin’ny nananganany an’i Jesosy tamin’ny maty.
32
Rehefa nahare ny amin’ny fitsanganan’ny maty izy ireo dia nihomehy ny sasany; fa ny sasany kosa dia niteny hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany zavatra izany.
33
Dia niala teo amin’izy ireo i Paoly.
34
Fa ny olona sasany dia niaraka taminy ary nanjary nino; anisan’izany i Dionisio ilay Areopagita sy vehivavy iray antsoina hoe Damary ary ny hafa koa.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28