bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 6
Acts 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 7 →
1
Tamin’izany andro izany, rehefa nihamaro ny isan’ny mpianatra, dia nisy fimonomononan’ny Helenista tamin’ny Hebreo, satria tsy mba voajery tamin’ny fanampiana isanandro ny mpitondratenany.
2
Ary nampiantso ny mpianatra rehetra ny roa amby folo lahy ka nilaza taminy hoe: Tsy mety raha mandao ny tenin’Andriamanitra mba hitandrina latabatra izahay.
3
Koa araka izany, ry rahalahy, mifidiana fito lahy eo aminareo, izay tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, mba hotendrenay hitandrina izany raharaha izany.
4
Fa izahay kosa dia haharitra amin’ny fivavahana sy ny fampianarana.
5
Dia sitraky ny olona rehetra ny teniny ka nifidy an’i Stefana izy, lehilahy feno finoana sy ny Fanahy Masina, mbamin’i Filipo, i Prokoro, i Nikanora, i Timona, i Parmena ary i Nikoleo izay prozelita avy any Antiokia.
6
Ireo no narosony teo anatrehan’ny Apostoly; ary rehefa nivavaka ireo dia nametra-tanana taminy.
7
Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro tokoa ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema; maro tamin’ny mpisorona koa no nanaiky ny finoana.
8
Ary i Stefana dia feno fahasoavana sy hery ka nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.
9
Fa nisy olona sasany avy amin’ny sinagoga antsoina hoe sinagogan’ny Olona afaka sy ny Kireniana ary ny Aleksandriana mbamin’izay avy any Kilikia sy Azia, niady hevitra tamin’i Stefana.
10
Tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany anefa ireo;
11
koa nisy olona nomen’ireo vola mba hiteny hoe: Efa renay niteny ratsy an’i Mosesy sy Andriamanitra io.
12
Nandrisika ny olona sy ny loholona ary ny mpanoradalàna koa izy ireo, dia nankeo amin’i Stefana ka nisambotra azy, sady nitondra azy ho eo amin’ny Sinedriona;
13
ary izy ireo dia nanangana vavolombelona mandainga izay nilaza hoe: Io lehilahy io dia tsy mitsahatra miteny ratsy ity fitoerana masina ity sy ny lalàna;
14
fa efa renay mihitsy izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity toerana ity sy hanova ireo fomba izay natolotr’i Mosesy antsika.
15
Ary izay rehetra nipetraka teo amin’ny Sinedriona, raha nandinika an’i Stefana, dia nahita ny tarehiny tahaka ny tarehin’anjely.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28