bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 12
Acts 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 13 →
1
Tamin’izany andro izany dia nanatsotra ny tanany hampahory ny sasany tamin’ny fiangonana i Heroda mpanjaka.
2
Novonoiny tamin’ny sabatra i Jakoba, rahalahin’i Jaona.
3
Rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany dia niroso hisambotra an’i Petera koa izy. Efa antomotra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’izay.
4
Rehefa nosamboriny izy dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony hambenan’antoko-miaramila efatra izay nisy miaramila efatra avy; nikasa hamoaka azy ho eo amin’ny vahoaka mantsy izy rehefa afaka ny Paska.
5
Dia nambenana tao an-tranomaizina i Petera; ary ny fiangonana dia nahery nangataka ho azy tamin’Andriamanitra.
6
Nony efa hamoaka azy i Heroda dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Petera tamin’iny alina iny, sady voafatotra tamin’ny gadra roa; ary nisy mpiambina teo am-baravarana niambina ny tranomaizina.
7
Ary indro, nisy anjelin’ny Tompo tonga teo sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary nanohina ny tehezan’i Petera ilay anjely, dia namoha azy ka niteny hoe: Mitsangàna haingana. Dia niala tamin’ny tanany ny gadra.
8
Hoy koa ilay anjely taminy: Misikìna ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy: Anaovy ny akanjonao ivelany ka manaraha ahy.
9
Dia nivoaka nanaraka ilay anjely izy; ary tsy fantany ho tena nisy marina ny nataon’ny anjely; noheveriny fa fahitana no hitany.
10
Rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba handehanany; nony tafavoaka izy ireo dia nandroso tamin’ny lalana iray; ary niaraka tamin’izay dia nandao azy ilay anjely.
11
Rehefa nahatsiaro tena i Petera dia hoy izy: Fantatro marina tokoa ankehitriny fa ny Tompo no naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ny tanan’i Heroda sy izay rehetra nandrasan’ny Jiosy.
12
Rehefa nahazo an-tsaina izany izy dia nankany amin’ny tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay antsoina koa hoe Marka, ary nisy olona maro vory tao nivavaka.
13
Ary raha nandondòna ny vavahady i Petera dia nisy mpanompovavy antsoina hoe Roda nankeo mba hihaino.
14
Rehefa nahalala ny feon’i Petera izy dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa i Petera no mijoro ao am-bavahady.
15
Dia hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Nefa nanizingizina izy fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.
16
Fa naharitra nandondòna ihany i Petera, ary rehefa novohan’izy ireo izy dia hitany ka talanjona ireo.
17
Fa izy nibaiko tanana azy ireo mba hangina, dia nitantara taminy izay namoahan’ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina sady hoy izy: Ambarao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala teo izy ka lasa nankany amin’ny toerana hafa.
18
Rehefa nazava ny andro dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka niteny hoe: Nankaiza i Petera?
19
Rehefa nitady azy fatratra i Heroda nefa tsy nahita dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria izy dia nijanona tany.
20
Tezitra mafy tamin’ny Tiriana sy ny Sidoniana i Heroda; nefa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, koa rehefa nahazo an’i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany izy ireo, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny dia nivelona tamin’ny tanin’ny mpanjaka.
21
Koa tamin’ny andro voatendry dia niakanjo fanamian’ny mpanjaka i Heroda ka nipetraka teo ambonin’ny sezafiandrianany, ary nikabary tamin’ny vahoaka.
22
Dia niantsoantso ny vahoaka hoe: Feon’Andriamanitra izany fa tsy an’olona!
23
Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy; koa nohanin’ny kankana izy dia maty.
24
Ary nandroso sy niely ny tenin’Andriamanitra.
25
Niverina nankany Jerosalema i Barnabasy sy i Saoly rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’i Jaona izay antsoina koa hoe Marka, hiaraka aminy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28