bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 8
Acts 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
1
Ary i Saoly dia nankasitraka ny namonoana an’i Stefana. Tamin’izany andro izany dia nisy fanenjehana mafy tamin’ny fiangonana tany Jerosalema ka niely teny amin’ny tany Jodia sy Samaria izy rehetra, afa-tsy ny Apostoly ihany.
2
Olona mpivavaka tsara no nandevina an’i Stefana sady nisaona azy fatratra.
3
I Saoly kosa tamin’izany dia nampahory mafy ny fiangonana ka nidirany isan-trano sady nosarihany, na ny lehilahy na ny vehivavy, ka nataony tao an-tranomaizina.
4
Ireo izay niely dia nandeha nitory ny teny dia ny Filazantsara.
5
Nidina tany an-tanànan’i Samaria i Filipo ka nitory an’i Kristy tamin’ny olona tao.
6
Dia niray hevitra nihaino tsara izay nolazain’i Filipo ny vahoaka rehefa nandre azy sy nahita ny famantarana nataony.
7
Fa maro tamin’ireo manana fanahy maloto no niantsoantso tamin’ny feo mahery rehefa niala izany; ary maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana.
8
Dia nisy fifaliana lehibe tao amin’izany tanàna izany.
9
Nisy lehilahy iray antsoina hoe Simona izay efa tao an-tanàna, mpitahiry ody izy io ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nilaza ny tenany ho lehibe.
10
Ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia nihaino azy ka niteny hoe: Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra izay antsoina hoe Hery lehibe.
11
Nihaino azy tsara izy ireo, satria efa ela no talanjona tamin’ny ataony.
12
Nefa rehefa nino an’i Filipo izay nitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny anaran’i Jesosy Kristy ireo dia natao batisa avokoa na lahy na vavy.
13
Mba nino koa i Simona ka rehefa natao batisa izy dia nanaraka an’i Filipo. Ary talanjona izy raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao.
14
Nony ren’ny Apostoly tany Jerosalema fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra i Samaria dia naniraka an’i Petera sy i Jaona izy ireo hankany aminy.
15
Nony tafidina tany izy roa lahy dia nivavaka ho an’ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina.
16
Satria tsy mbola nisy nilatsahany izy ireo na dia iray akory aza, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo ihany,
17
dia nametra-tanana taminy izy roa lahy ary nandray ny Fanahy Masina ireo.
18
Nony hitan’i Simona fa ny fametrahan’ny Apostoly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina dia nitondra vola homena azy izy
19
sady niteny hoe: Omeo izany fahefana izany koa aho, mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.
20
Fa hoy i Petera taminy: Aoka ho very miaraka amin’ny tenanao ny volanao, satria noheverinao fa azo vidim-bola ny fanomezan’Andriamanitra.
21
Tsy manana anjara na raharaha amin’izany zavatra izany ianao satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra.
22
Koa mibebaha amin’izao haratsianao izao ka mangataha amin’ny Tompo, andrao mba havelany izay noheverin’ny fonao.
23
Fa hitako fa mbola mitoetra amin’ny fangidian’afero sy ny famatoran’ny heloka ihany ianao.
24
Dia hoy i Simona: Mangataha amin’ny Tompo ho ahy, mba tsy hisy ho tonga amiko izay nolazainareo.
25
Rehefa nanambara sy nitory ny tenin’ny Tompo i Petera sy i Jaona dia niverina nankany Jerosalema ka nitory ny Filazantsara teny amin’ny vohitra maro izay an’ny Samaritana.
26
Ary nisy anjelin’ny Tompo nilaza tamin’i Filipo hoe: Mitsangàna ka mandehana mianatsimo ho any amin’ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza, any an-tany efitra.
27
Dia nitsangana izy ka lasa nandeha, ary indro, nisy lehilahy etiopiana, tandapan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, izay mpitahiry ny harenany rehetra, tonga tany Jerosalema mba hivavaka;
28
rehefa nody izy dia nipetraka tao anatin’ny kalesiny ary namaky teny tao amin’i Isaia mpaminany.
29
Hoy ny Fanahy tamin’i Filipo: Mandehana manatona io kalesy io.
30
Dia nihazakazaka nankeo aminy i Filipo ary nandre azy mamaky teny tao amin’ny mpaminany Isaia ka hoy izy taminy: Moa fantatrao va izay vakìnao?
31
Hoy izy: Hataoko ahoana no fahay raha tsy misy mitari-dalana ahy? Dia nangataka an’i Filipo izy mba hiakatra sy hipetraka eo aminy.
32
Ary izao no tenin’ny Soratra Masina novakiny: «Noentina hovonoina tahaka ny ondry Izy ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy;
33
noho ny fietreny dia nalaina Taminy ny zony; ary iza no hahalaza ny amin’ny fianakaviany? Fa ny ainy dia nesorina tamin’ny tany» (Isa 53.7-8).
34
Hoy ilay tandapa tamin’i Filipo: Miangavy anao aho, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va sa olon-kafa?
35
Ary niloa-bava i Filipo ka nanomboka tamin’izany Soratra Masina izany dia nitory an’i Jesosy taminy.
36
Nony nandeha teny an-dalana izy ireo dia tonga teo amin’izay nisy rano ka hoy ilay tandapa: Indro misy rano, koa inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?
37
Hoy i Filipo: Raha mino amin’ny fonao manontolo ianao dia azo atao ihany. Ary namaly izy hoe: Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak’Andriamanitra.
38
Dia nasainy najanona ny kalesy; ary nidina ho eo amin’ny rano izy roa lahy, izany hoe i Filipo sy ilay tandapa; dia nataony batisa izy.
39
Rehefa niakatra avy teo amin’ny rano izy roa lahy dia noentin’ny Fanahin’ny Tompo i Filipo ka tsy hitan’ilay tandapa intsony; dia nanohy ny diany izy sady faly.
40
Tany Azota kosa avy eo no nahitana an’i Filipo ary nitory ny Filazantsara tany amin’ny tanàna rehetra izay nalehany izy ambara-pahatongany tany Kaisaria.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28