bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 28
Acts 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
1
Efa tonga soa amantsara izahay vao nahalala fa i Malta no anaran’ilay nosy.
2
Naneho fitiavana manokana taminay ny tompon-tany; namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra satria nilatsaka ny ranonorana tamin’izay sady nangatsiaka ny andro.
3
Dia namory kitay hazo iray trotroana i Paoly ka nanohoka izany teo amin’ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin’ny afo ka niraikitra tamin’ny tanany.
4
Rehefa hitan’ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ny tanany dia nifampiresaka izy ireo hoe: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, koa na dia voavonjy tamin’ny ranomasina aza izy dia tsy avelan’ny todin’aina ho velona.
5
Fa nakifik’i Paoly ho eo amin’ny afo ilay biby ka tsy naninona izy na dia kely akory aza.
6
Nanampo azy hivonto, na hiankarapoka ho faty tampoka ny olona; nefa rehefa niandry ela izy ireo ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’i Paoly dia niova hevitra izy ka nilaza fa andriamanitra io.
7
Teo akaiky teo dia nisy sahan’i Poplio, tomponandraikitra voalohany teo amin’ny nosy, izay nandray anay sady nampiantrano anay tsara nandritra ny telo andro.
8
Nararin’ny tazo sady nivalan-dra ny rain’i Poplio; niditra tao aminy i Paoly dia nivavaka sady nametra-tanana taminy ka nahasitrana azy.
9
Rehefa vita izay dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin’ny nosy dia sitrana koa ireo.
10
Ary voninahitra be no nomen’ny olona anay ka rehefa handeha izahay dia novatsiany tsara.
11
Rehefa afaka telo volana dia niondrana tamin’ny sambo iray izay efa nandany ny ririnina teo amin’izany nosy izany izahay; sambon’i Aleksandria io ary nisy sarin’i Dioskiora.
12
Nitody tany Sirakosa izahay ary nijanona tao nandritra ny telo andro.
13
Nony niala teo izahay dia nanaraka ny morontsiraka ary tonga tany Regioma; ny ampitso anefa dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra ka ny afaka ampitso dia tonga tao Potioly izahay;
14
Tao no nahitanay rahalahy izay niangavy anay hijanona herinandro teo aminy. Izany no nahatongavanay tany Roma;
15
Nony nahare ny dianay ireo rahalahy tany dia tonga nitsena anay hatrany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranom-bahiny Telo. Raha nahita azy ireo i Paoly dia nisaotra an’Andriamanitra sady nahazo hery.
16
Rehefa tonga tany Roma izahay dia navela hitoetra mitokana teo amin’ny miaramila iray izay niambina azy i Paoly.
17
Nony afaka hateloana dia nampiantsoin’i Paoly ireo lohandohany tamin’ny Jiosy; rehefa tafangona ireo dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia gadra avy tany Jerosalema, natolotra teo an-tanan’ny Romana na dia tsy nisy fahadisoana nataoko aza na tamin’ny firenentsika na tamin’ny fanaon-drazana;
18
rehefa nanadina ahy mafy ireo dia saika nandefa ahy ihany satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.
19
Fa satria notoherin’ny Jiosy izany dia voatery aho nilaza fa handahatra amin’i Kaisara, kanefa tsy toy ny manana teny hiampangako ny fireneko aho tsy akory.
20
Izany zavatra izany no nampiantsoako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’Israely no ifatorako amin’ity gadra ity.
21
Hoy izy ireo taminy: Tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao izahay ary tsy mbola nisy rahalahy nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;
22
fa mba tianay ho re avy aminao izay hevitrao satria fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza io antoko io.
23
Rehefa nifanao fotoana tamin’i Paoly izy ireo dia maro no tonga tao aminy tao amin’ny toerana nivahinianany; ary izy dia nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra sady nitaona azy ireo tamin’ny teny ho amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny Mpaminany mba hino an’i Jesosy; vao maraina ka mandra-paharivan’ny andro no nanaovany izany.
24
Ary nisy nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa dia tsy mba nino.
25
Rehefa tsy niray saina ireo ka niala dia izao teny indraimbava izao no nolazain’i Paoly: Marina izay nampilazain’ny Fanahy Masina an’Isaia mpaminany tamin’ny razanareo
26
hoe: «Mandehana any amin’ity firenena ity ianao ka lazao hoe: Hahare mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahalala; ary hijery mandrakariva ihany ianareo nefa tsy hahita;
27
fa efa adala ny fon’ireo olona ireo, efa lalodalovana ny sofiny ary efa nakimpiny ny masony, fandrao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka hahasitrana azy Aho» (Isa 6.9-10).
28
Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ny Jentilisa, ary izy ireo dia hihaino izany.
29
Rehefa niteny izany izy dia lasa ireo Jiosy sady niady hevitra fatratra.
30
Nipetraka roa taona ngarangidina tao amin’ny trano nohofany i Paoly ka nandray tsara izay rehetra tonga teo aminy;
31
nitory ny fanjakan’Andriamanitra izy ka nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be ary tsy nisy fisakanana.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28