bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 13
Acts 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 14 →
1
Teo amin’ny fiangonana tany Antiokia dia nisy mpaminany sy mpampianatra: I Barnabasy, i Simeona izay antsoina koa hoe Nigera, i Losio kireniana, i Menahema izay niara-notezaina tamin’i Heroda mpanapaka ary i Saoly.
2
Nanao fanompoam-pivavahana ho an’ny Tompo sy nifady hanina izy ireo ka tamin’izany no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe: Atokàny ho Ahy i Barnabasy sy i Saoly mba hanao ny asa izay efa niantsoako azy.
3
Rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy ireo dia nandefa azy.
4
Nirahin’ny Fanahy Masina izy roa lahy, raha nidina nankany Seleokia ka teo no niondrana an-tsambo hankany Sipra.
5
Nony tonga tany Salamisy izy dia nitory ny tenin’Andriamanitra tany amin’ny sinagogan’ny Jiosy; ary noentiny koa i Jaona ho mpanampy azy.
6
Rehefa namakivaky ny nosy hatrany Pafo izy dia nahita Jiosy iray antsoina hoe Barjesosy, mpitahiry ody sady mpaminany sandoka,
7
nipetraka tao amin’i Sergio Paolo; governoran’ny tany sady lehilahy marani-tsaina izy io; nampiantso an’i Barnabasy sy i Saoly hankao aminy izy satria naniry mba hahare ny tenin’Andriamanitra.
8
Nefa i Elima, ilay mpitahiry ody, satria izany koa no anarany raha adika, dia nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.
9
Fa i Saoly kosa, izay antsoina koa hoe Paoly, dia feno ny Fanahy Masina ka nibanjina azy
10
sady niteny hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny hafetsena rehetra, Ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lalan’ny Tompo izay mahitsy va Ialahy?
11
Ary indro, ankehitriny hamely an’Ialahy ny tanan’ny Tompo, dia ho jamba Ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia tonga taminy niaraka tamin’izay ny hajambana sy ny haizina ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.
12
Nony nahita izay zava-nitranga taminy ny governora dia nino sady talanjona tamin’ny fampianaran’ny Tompo.
13
Niondrana an-tsambo niala avy tao Pafo i Paoly sy ireo namany dia tonga tany Perga any Pamfilia; i Jaona kosa dia nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.
14
Rehefa niala tany Perga izy ireo dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia ary niditra tao amin’ny sinagoga tamin’ny andro Sabata ka nipetraka teo.
15
Rehefa vita ny famakiana ny Lalàna sy ny Mpaminany dia nampilaza taminy ireo lehiben’ny sinagoga hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ny olona dia ataovy.
16
Ary nitsangana i Paoly sady nibaiko tanana azy ka niteny hoe: Ry lehilahy Israelita sy ianareo izay matahotra an’Andriamanitra, mihainoa:
17
Andriamanitr’izao olona Israely izao no nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ny tany Ejipta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.
18
Niaritra ny toetran’ireo tany an-tany efitra nandritra ny efapolo taona Izy.
19
Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanana Izy dia nampandovainy ny tanin’ireny izy
20
tokony ho dimampolo sy efajato taona. Rehefa afaka izany dia nomeny mpitsara izy hatramin’i Samoela mpaminany.
21
Taorianan’izany indray dia nangataka mpanjaka izy ka nomen’Andriamanitra azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanak’i Kisy, lehilahy avy tamin’ny fokon’i Benjamina.
22
Rehefa nanaisotra an’i Saoly Izy dia nanandratra an’i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: «Nahita an’i Davida, zanak’i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra Aho» (1Sam 13.14; Sal 89.20).
23
Avy tamin’ny taranak’izany lehilahy izany no nitondran’Andriamanitra an’i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Israely.
24
Talohan’ny nahatongavany dia nitory ny batisan’ny fibebahana tamin’ny olon’ny Israely rehetra i Jaona.
25
Ary rehefa nadiva hahatanteraka ny fihazakazahany i Jaona dia niteny hoe: Heverinareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa indro, misy Iray avy ao aorianako, koa izaho dia tsy mendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.
26
Ry rahalahy, taranak’i Abrahama, sy izay rehetra matahotra an’Andriamanitra eo aminareo, ho amintsika no nampitondrana ny tenin’izao famonjena izao.
27
Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholona eo aminy dia tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ny mpaminany izay vakina isan-tSabata ka nahatanteraka izany tamin’ny nanamelohany Azy.
28
Na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty dia nangataka tamin’i Pilato ihany izy mba hamonoana Azy.
29
Nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’i Jesosy izy dia nanaisotra Azy teo amin’ny hazo ary nandevina Azy tao am-pasana.
30
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ny maty.
31
Ary niseho nandritra ny andro maro tamin’izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema Izy ka ireo no vavolombelony eo anatrehan’ny olona ankehitriny.
32
Mitory ny Filazantsara aminareo izahay, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ny razana,
33
dia ny nahatanterahan’Andriamanitra izany tamintsika taranany, raha nanangana an’i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ny Salamo faharoa hoe: «Zanako Ianao, Izaho no niteraka Anao androany» (Sal 2.7).
34
Ary ny amin’ny nananganany Azy tamin’ny maty ka tsy hiverenany ho amin’ny fahalovana intsony, dia izao no voalazany: «Homeko anareo ny famindrampo mahatoky nampanantenaina an’i Davida» (Isa 55.3).
35
Fa hoy Izy ao amin’ny Salamo hafa koa: «Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny fahalovana Ianao» (Sal 16.10).
36
Fa i Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodimandry ka nangonina any amin’ny razany izy ary tratry ny fahalovana;
37
fa Izay natsangan’Andriamanitra no tsy mba tratry ny fahalovana.
38
Koa aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;
39
ary ao Aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ny lalànan’i Mosesy.
40
Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza ao amin’ny Mpaminany hoe:
41
«Jereonareo mpiavonavona, dia aoka ho gaga ka ho levona ianareo; fa Izaho manao asa amin’ny andronareo, dia asa izay tsy hinoanareo akory na dia hisy hilaza aminareo aza» (Hab 1.5).
42
Nony niala teo izy dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany ny Sabata manaraka.
43
Rehefa nirava ny fivoriana dia maro tamin’ny Jiosy sy ny prozelita izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabasy; ary izy ireo dia niresaka taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
44
Nony tonga ny Sabata manaraka dia saika tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
45
Fa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly sady niteny ratsy.
46
Dia niteny tamin’ny fahasahiana i Paoly sy i Barnabasy hoe: Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra mialoha; nefa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy mendrika hahazo fiainana mandrakizay dia indro, mitodika any amin’ny Jentilisa izahay;
47
fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny Jentilisa Aho, mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany ianao» (Isa 49.6).
48
Rehefa nandre izany ny Jentilisa dia faly ka nankalaza ny tenin’ny Tompo; ary izay voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino.
49
Koa ny tenin’ny Tompo dia niely manerana izany tany rehetra izany.
50
Fa nandrisika ny vehivavy manankaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna ny Jiosy, dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabasy ireny ary nandroaka azy niala tamin’ny taniny.
51
Fa izy roa lahy kosa dia nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.
52
Dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masina ny mpianatra.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28