bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 22
Acts 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 23 →
1
Ry rahalahy sy ianareo ray, henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako.
2
Nony ren’ny olona fa teny hebreo no nitenenany taminy dia vao mainka nangina izy ireo ka hoy i Paoly:
3
Lehilahy jiosy aho, teraka tany Tarsosy any Kilikia, nefa teto amin’ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan’ny tongotr’i Gamaliela ka nampianarina tsara ny lalàna avy tamin’ny razana aho ary saro-piaro tokoa tamin’Andriamanitra tahaka anareo rehetra ireo ankehitriny.
4
Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho na hahafaty azy aza izany, ary namatotra azy, na lahy na vavy ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina;
5
ny Mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho any amin’ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho mba hoentiko mifatotra hankany Jerosalema koa ireo izay hita tany mba hofaizina.
6
Ary raha nandeha aho ka efa nanakaiky an’i Damaskosy, tamin’ilay mitataovovonana iny, dia nisy mazava lehibe nanelatselatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy
7
ka lavo tamin’ny tany aho ary nandre feo niteny tamiko hoe: Saoly! Saoly! Nahoana no manenjika Ahy ianao?
8
Dia hoy aho: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, izay enjehinao.
9
Ireo izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava, fa tsy mba nahare ny feon’Ilay niteny tamiko.
10
Hoy indray aho: Tompoko, inona no hataoko? Ary hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao.
11
Raha tsy nahajery noho ny famirapiratan’ilay hazavana aho dia notantanan’ireo niaraka tamiko ary tonga tany Damaskosy.
12
Ary ny lehilahy iray antsoina hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin’ny Jiosy rehetra izay nonina teo,
13
dia nanatona ahy ary nitsangana ka niteny tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin’izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy.
14
Dia hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita Ilay Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany;
15
fa ho vavolombelony amin’ny olona rehetra ianao ny amin’izay efa hitanao sy renao.
16
Ary ankehitriny, inona no andrasanao? Mitsangàna, aoka ianao hatao batisa ka hosasana ho afaka amin’ny fahotanao amin’ny fiantsoanao ny anarany.
17
Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo amin’ny tempoly dia azon-tsindrimandry
18
ka nahita Azy nilaza tamiko hoe: Malakisa ianao, mialà haingana eto Jerosalema; fa tsy handray ny fanambarànao Ahy izy.
19
Dia hoy aho: Tompoko, izy ireo dia mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin’ny sinagoga rehetra;
20
ary raha nalatsaka ny ran’i Stefana maritioranao dia mba nitsangana teo koa aho ka nankasitraka sady niambina ny fitafian’ireo izay namono azy.
21
Hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin’ny Jentilisa.
22
Nihaino azy hatramin’izany teny izany ny olona dia nanandratra ny feony ka niteny hoe: Esory amin’ny tany Ilehio fa tsy tokony hovelomina!
23
Dia niantsoantso izy ireo sady nanala ny fitafiany ary nanipy vovoka ho amin’ny rivotra
24
ka nanome baiko ny mpifehy arivo mba hoentina any an-dapa i Paoly, ary mba hadinina amin’ny kapoka izy, hahafantarany izay fototry ny nanakoran’ny olona azy toy izany.
25
Raha namatotra azy tamin’ny kofehy hoditra izy dia hoy i Paoly tamin’ny kapiteny izay nitsangana teo: Azonareo atao va ny mikapoka lehilahy romana izay tsy mbola nohelohina?
26
Nony nahare izany ilay kapiteny dia lasa nilaza tamin’ny mpifehy arivo hoe: Inona izao no hataonao fa Romana io lehilahy io?
27
Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka niteny taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny.
28
Hoy ilay mpifehy arivo: Vola be no nahazoako izany zo izany. Fa hoy i Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka.
29
Dia nandao azy haingana ireo olona efa handeha hanadina azy; natahotra koa ny mpifehy arivo, rehefa nahalala fa Romana izy, satria efa nampamatotra azy.
30
Nony ampitso, satria ta hahafantatra marina izay niampangan’ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy nivory ny lehiben’ny mpisorona sy ny Sinedriona rehetra, dia noentiny nidina i Paoly ka napetrany teo anatrehany.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28