bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 5
Acts 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 6 →
1
Nisy kosa lehilahy iray antsoina hoe Ananiasy sy i Safira vadiny nivarotra tany,
2
kanefa nanafenany ny vola vidin’ny tany ary nifanarahany tamin’ny vavy izany; dia noentiny ary ny ampahan’ny vola vidiny ka napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly.
3
Hoy anefa i Petera: Ry Ananiasy, nahoana i Satana no nameno ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina ka hanafina ny ampahan’ny vola vidin’ny tany?
4
Moa tsy anao va ny tany? Ary rehefa lafo izy, moa tsy mbola eo ambany fahefanao va? Koa nahoana no nisaina izao zavatra izao tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin’olona ianao fa tamin’Andriamanitra.
5
Nony nandre izany teny izany i Ananiasy dia niankarapoka ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra indrindra izay rehetra nandre izany.
6
Ary nitsangana ireo zatovo dia nofonosiny ny faty ka noentiny nivoaka ny trano, dia naleviny.
7
Tokony ho adiny telo taorianan’izay dia niditra koa ny vadiny, tsy nahalala izay zava-nitranga.
8
Hoy i Petera taminy: Lazao amiko raha toy izao no vola vidin’ny taninareo. Dia hoy izy: Eny, toy izao tokoa.
9
Dia hoy i Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin’ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr’ireo izay nandevina ny vadinao ary hitondra anao koa izy.
10
Dia niankarapoka teo anoloan’ny tongony niaraka tamin’izay koa izy ka afaka ny ainy; ary raha niditra ireo zatovo ka nahita fa maty izy dia noentiny nivoaka ny trano ka naleviny teo anilan’ny vadiny izy.
11
Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.
12
Tamin’ny tanan’ny Apostoly no nanaovana famantarana sy fahagagana maro teo amin’ny vahoaka; ary izy rehetra dia niray saina teo amin’ny Fialofan’i Solomona.
13
Tsy nisy sahy niaraka taminy ny olona sisa rehetra, nefa nankalaza azy ny vahoaka.
14
Ary vao mainka nisy olona maro koa na lahy na vavy, izay nino ny Tompo, nanampy ho isany;
15
noentiny teny an-dalambe koa aza ny marary ka napetrany teny ambony farafara sy fandriana, mba hisy ho azon’ny tandindon’i Petera ahay rehefa mandalo izy.
16
Dia tonga koa ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto; samy sitrana avokoa izy rehetra.
17
Ary nitsangana ny Mpisoronabe mbamin’ny namany rehetra izay antokon’ny Sadoseo, fa feno fialonana izy,
18
dia nisambotra ny Apostoly ka nampiditra azy tao an-tranomaizina.
19
Nony alina anefa dia nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varavaran’ny tranomaizina ka nitondra azy nivoaka avy tao sady niteny hoe:
20
Mandehana ka mitsangàna, ary torio amin’ny vahoaka eo amin’ny tempoly ny teny rehetra milaza izany fiainana izany.
21
Rehefa nandre izany izy ireo dia nandeha vao maraina nankany amin’ny tempoly ka nampianatra. Nony tonga ny Mpisoronabe sy ny namany dia namory ny Sinedriona sy ny loholona rehetra tamin’ny Zanak’Israely ka naniraka olona nankao amin’ny tranomaizina haka ny Apostoly.
22
Rehefa tonga anefa ny mpiambina dia tsy nahita azy ireo tao an-tranomaizina ka niverina nilaza hoe:
23
Ny tranomaizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina dia mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay ny trano dia tsy nahita olona tao izahay.
24
Rehefa nandre izany teny izany ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ireo lehiben’ny mpisorona dia sahiran-tsaina ny amin’izay ho vokatr’izany.
25
Dia nisy olona tonga ka nilaza tamin’izy ireo hoe: Ireny lehilahy izay nataonareo tao an-tranomaizina ireny dia indreo, mitsangana eo amin’ny tempoly ka mampianatra ny olona.
26
Dia lasa ny lehiben’ny mpiambina sy ny mpiandry raharaha ka nitondra azy ireo, nefa tsy nampiasa hery izy ireo, satria natahotra ny vahoaka izy, fandrao hotorahany vato.
27
Rehefa noentiny izy ireo dia nataony teo anatrehan’ny Sinedriona, ary nanontany azy ny Mpisoronabe
28
hoe: Tsy efa noraranay mafy dia mafy va ianareo tsy hampianatra amin’izany anarana izany? Kanefa indro, efa nofenoinareo ny fampianaranareo indray Jerosalema ka tianareo hankinina aminay ny ran’izany Lehilahy izany.
29
Namaly anefa i Petera sy ny Apostoly hoe: Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.
30
Andriamanitry ny razantsika efa nanangana an’i Jesosy, izay novonoin’ny tananareo tamin’ny nanantonanareo Azy teo amin’ny hazo.
31
Izy dia nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ny Israely.
32
Vavolombelon’izany zavatra izany izahay, ary ny Fanahy Masina koa, izay efa nomen’Andriamanitra izay manaiky Azy.
33
Rehefa nandre izany ireo dia lotika ny fony ka nikasa hamono azy ireo izy.
34
Dia nitsangana teo amin’ny Sinedriona ny Fariseo iray antsoina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay nalaza teo amin’ny olona rehetra, ka nasainy navoaka kely ireo olona ireo.
35
Dia hoy izy tamin’ny namany: Ry lehilahy Israely, tandremo tsara izay ataonareo amin’ireo olona ireo.
36
Fa fahiny dia nitsangana i Teodasy ka nanao ny tenany ho zavatra; tokony ho efajato no isan’ny lehilahy izay niandany taminy; nefa novonoina izy ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy ary tonga tsinontsinona.
37
Nanarakaraka azy indray, tamin’ny andro nanoratana ny vahoaka, dia nitsangana i Jodasy avy any Galilia; nitaona olona hikomy hanaraka azy izy; dia novonoina koa ka nihahaka izay rehetra nanaiky azy.
38
Koa ankehitriny dia izao no lazaiko aminareo: Mandefera amin’ireo olona ireo ka avelao ihany izy; satria raha avy amin’olona izao saina na asa izao dia ho foana;
39
fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao dia tsy ho azonareo foanana, sao dia hita ho mpiady amin’Andriamanitra ianareo.
40
Dia nanaiky an’i Gamaliela izy ireo; koa rehefa niantso ny Apostoly izy dia nikapoka azy ireo sady nandrara azy tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy intsony sady namela azy handeha.
41
Dia niala tamim-pifaliana teo anatrehan’ny Sinedriona ny Apostoly, satria natao ho mendrika hitondra fahafaham-baraka ho voninahitr’izany anarana izany.
42
Ary isanandro, teo amin’ny tempoly sy tany an-trano, dia tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao mahafaly momba an’i Kristy Jesosy izy ireo.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28