bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 9
Acts 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 10 →
1
Mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin’ny mpianatry ny Tompo ihany i Saoly dia nankao amin’ny Mpisoronabe
2
ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ny sinagoga any Damaskosy, mba hahazoany mitondra mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany manaraka izany fampianarana izany, na lahy na vavy.
3
Raha nandeha izy ka tonga teo akaikin’i Damaskosy dia nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatra tampoka nanodidina azy;
4
dia lavo tamin’ny tany izy ka nandre feo niteny taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?
5
Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy izay enjehinao.
6
Fa mitsangàna ka mankanesa any an-tanàna, dia holazaina aminao izay tsy maintsy hataonao.
7
Ary ny olona izay niara-dia taminy dia nijanona tsy nahateny; nandre ny feo izy ireo nefa tsy nahita na iza na iza.
8
Dia nitsangana tamin’ny tany i Saoly, ary rehefa nahirany ny masony dia tsy nahita na inona na inona izy; koa nitantana azy izy ireo ka nitondra azy ho any Damaskosy.
9
Nandritra ny telo andro dia tsy nahita izy sady tsy nihinana na nisotro.
10
Ary nisy mpianatra iray antsoina hoe Ananiasy tany Damaskosy; ary hoy ny Tompo taminy tamin’ny fahitana: Ry Ananiasy! Dia hoy izy: Inty aho, Tompoko!
11
Hoy ny Tompo taminy: Mitsangàna ka mandehana any amin’ny lalana atao hoe Imahitsy ka jereo ao an-tranon’i Jodasy ny lehilahy antsoina hoe Saoly avy any Tarsosy; fa indro, efa mivavaka izy;
12
efa nahita lehilahy antsoina hoe Ananiasy tamin’ny fahitana izy, izay niditra ka nametra-tanana taminy mba hahita indray ny masony.
13
Dia namaly i Ananiasy hoe: Tompoko, efa reko tamin’ny maro ny haben’ny ratsy nataon’izany lehilahy izany tamin’ny olonao masina tany Jerosalema.
14
Manana fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona atỳ koa izy mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15
Nefa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ny Jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’Israely izy;
16
fa hasehoko azy ny habetsahan’izay tsy maintsy hiaretany ho voninahitry ny anarako.
17
Dia lasa i Ananiasy ka niditra tao an-trano ary nametra-tanana taminy sady niteny hoe: Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao ary mba ho feno ny Fanahy Masina ianao.
18
Niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony dia nahita indray izy ka nitsangana ary natao batisa;
19
dia nisakafo izy ka natanjaka. Nitoetra andro vitsivitsy teo amin’ny mpianatra tany Damaskosy i Saoly.
20
Ary niaraka tamin’izay dia nitory teo amin’ny sinagoga izy ka nilaza fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra.
21
Dia talanjona izay rehetra nandre ka niteny hoe: Tsy io va ilay nandringana izay niantso izany anarana izany tany Jerosalema? Ary moa tsy ny hitondra azy ireo mifatotra ho any amin’ireo lehiben’ny mpisorona va no nahatongavany atỳ?
22
Nefa vao mainka nitombo hery i Saoly ka nandresy lahatra ny Jiosy izay nonina tany Damaskosy izy ary naneho marina fa Jesosy no Kristy.
23
Nony afaka andro maromaro dia niray saina hamono azy ny Jiosy;
24
nefa fantatr’i Saoly ny teti-dratsiny. Niambina ny vavahady andro aman’alina izy ireo mba hamonoany azy.
25
Nefa naka azy kosa ny mpianany nony alina ka nampidina azy tamin’ny sobika avy eo amin’ny manda.
26
Rehefa tonga tany Jerosalema i Saoly dia nitady hiaraka tamin’ny mpianatra; nefa natahotra azy izy rehetra ka tsy nino azy ho mpianatra.
27
Fa naka azy i Barnabasy ka nitondra azy ho any amin’ny Apostoly, ary nanambara tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenany taminy ary ny nahasahiany nitory ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.
28
Dia niara-niditra sy nivoaka tamin’ireo tany Jerosalema izy sady nitory tamim-pahasahiana tamin’ny anaran’ny Tompo
29
ary niresaka sy niady hevitra tamin’ireo Helenista izy, nefa ireo kosa dia nitady izay hahafaty azy.
30
Nony fantatry ny rahalahy izany dia noentiny nidina nankany Kaisaria izy ka nampandehaniny ho any Tarsosy.
31
Dia nandry fahalemana ny fiangonana manerana an’i Jodia sy i Galilia ary i Samaria ka sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo no nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.
32
Rehefa nandeha nitety ny faritra rehetra i Petera dia nidina ho any amin’ny olona masina nonina tany Lida koa.
33
Nahita lehilahy iray teo izy, Enea no anarany, izay efa nandry nandritra ny valo taona teo am-parafara satria malemy.
34
Hoy i Petera taminy: Ry Enea, manasitrana anao Jesosy Kristy; mitsangàna ka amboary ny fandriananao. Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy.
35
Rehefa nahita izany izay rehetra nonina tany Lida sy Saròna dia niverina ho amin’ny Tompo.
36
Tany Jopa dia nisy vehivavy mpianatra iray antsoina hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany.
37
Narary izy tamin’izany andro izany ka maty; ary rehefa nampandroina ny faty dia napetraka tao amin’ny efitrano iray ambony rihana.
38
Satria akaiky an’i Jopa i Lida dia ren’ny mpianatra fa efa tonga tao i Petera, ary naniraka roa lahy izy hangataka aminy hoe: Aza misalasala hankaty aminay.
39
Dia nitsangana i Petera ka nandeha niaraka tamin’ireo. Nony tonga izy dia noentiny tany an’efitra ambony; ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany ka nitomany sady nampiseho ny akanjo sy lamba izay nozairin’i Dorkasy fony fahavelony.
40
Navoakan’i Petera avokoa izy rehetra, dia nandohalika izy ka nivavaka; ary nitodika nanatrika ny faty izy ka niteny hoe: Ry Tabita, mitsangàna! Dia nahirany ny masony; ary rehefa nahita an’i Petera izy dia niarina.
41
Nanolo-tanana azy i Petera ka nanangana azy; ary rehefa niantso ny olona masina sy ny mpitondratena izy dia nanolotra azy velona.
42
Fantatra manerana an’i Jopa izany ka maro no nino ny Tompo.
43
Nitoetra andro maromaro tany Jopa tao amin’i Simona mpandon-koditra i Petera.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28