bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 3
Acts 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
1
Niakatra ho eo amin’ny tempoly i Petera sy i Jaona tamin’ny fotoam-pivavahana tamin’ny ora fahasivy.
2
Dia nisy nitondra lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay napetrany isanandro teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, mba hangataka fiantrana amin’izay niditra tao amin’ny tempoly;
3
nony nahita an’i Petera sy i Jaona izay handeha hiditra ao amin’ny tempoly izy dia nangataka mba homena fiantrana.
4
Nibanjina azy i Petera sy i Jaona ka niteny hoe: Mijere anay.
5
Dia nijery tsara azy roa lahy izy satria nanantena hahazo zavatra taminy.
6
Nefa hoy i Petera: Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangàna ka mandehana.
7
Dia noraisiny tamin’ny tanany havanana Ralehilahy ka natsangany; ary natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny.
8
Ary niantsambotra izy ka nijoro dia nandeha ka niara-niditra taminy nankao amin’ny tempoly; sady nandehandeha nitsambikimbikina izy no nidera an’Andriamanitra.
9
Nahita azy nandehandeha sy nidera an’Andriamanitra ny olona rehetra.
10
Ary fantany tsara fa io no ilay nipetraka teo amin’ny vavahady Itsaraendrika, eo amin’ny tempoly, mba hiantrana; dia gaga sady talanjona izy ireo noho ity zava-nitranga tamin-dRalehilahy.
11
Raha mbola tsy niala teo amin’i Petera sy i Jaona izy dia niara-nirohotra ho eo amin’izy telo lahy teo amin’ny fialofana izay antsoina hoe Fialofan’i Solomona ny olona rehetra, sady talanjona.
12
Rehefa nahita izany i Petera dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: Ry lehilahy Israelita, nahoana ianareo no talanjona amin’izao zavatra izao? Ary nahoana ianareo no mandinika anay sahala amin’ny hoe herinay na fahamasinanay no nahatonga azy ho afa-mandeha?
13
Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesosy Mpanompony, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, rehefa nokasainy halefa.
14
Ianareo kosa dia nandà Ilay Masina sy Marina ka mpamono olona no nangatahinareo halefa ho anareo;
15
fa ny Tompon’ny aina kosa novonoinareo; nefa Izy dia natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay.
16
Ny finoana ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io, noho ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana feno izao teto imasonareo rehetra.
17
Ankehitriny ary, ry rahalahy, fantatro fa tamin’ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, ary toy izany koa ny mpanapaka anareo.
18
Nefa izany no nahatanterahan’Andriamanitra ny zavatra nampilazainy mialoha tamin’ny vavan’ny mpaminany rehetra, fa hiaritra fahoriana ny Kristiny.
19
Koa mibebaha ianareo ary miverena mba hamafana ny fahotanareo
20
ka ho tonga ny fotoana famelombelomana anareo amin’ny fanatrehan’ny Tompo sy hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo, dia Jesosy,
21
Ilay tsy maintsy noraisin’ny lanitra mandra-piavin’ny fotoana hamerenana ny zavatra rehetra, izay nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny masina hatramin’ny taloha.
22
Fa hoy i Mosesy: «Mpaminany no hatsangan’NY TOMPO Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo.
23
Fa izay rehetra tsy mihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny olona» (Deo 18.15, 19).
24
Ary ny mpaminany rehetra koa hatramin’i Samoela sy ireo taorianany, na iza na iza niteny, dia nanambara izao andro izao.
25
Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo, raha hoy Izy tamin’i Abrahama hoe: «Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany» (Gen 22.18).
26
Ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony ka nanirahany Azy mba hitahiana anareo amin’ny fialanareo tsirairay avy amin’ny faharatsianareo.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28