bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 18
Acts 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 19 →
1
Taorianan’izany dia niala tany Atena i Paoly ka nankany Korinto.
2
Nahita Jiosy iray antsoina hoe Akoila avy any Ponto, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny izy; i Klaodio mantsy dia efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma; dia nankao amin’izy mivady i Paoly.
3
Koa satria nitovy raharaha taminy izy ireo, dia nipetraka tao aminy i Paoly ka niasa satria mpanao tranolay no raharahan’izy mivady.
4
Niady hevitra isan-tSabata tao amin’ny sinagoga i Paoly ka nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika.
5
Rehefa tafidina avy tany Makedonia i Silasy sy i Timoty dia nanokan-tena ho amin’ny teny i Paoly ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
6
Nony nanohitra sy niteny ratsy ireo dia nanopakopa-damba izy ka niteny taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; amin’izao sisa izao dia hankany amin’ny Jentilisa aho.
7
Rehefa niala teo izy dia niditra tao an-tranon’ny lehilahy antsoina hoe Titosy Josto izay nivavaka tamin’Andriamanitra; ary ny tranony dia teo akaikin’ny sinagoga.
8
I Krispo, lehiben’ny sinagoga mbamin’ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; maro koa ny Korintiana, raha nandre, no nino ka natao batisa.
9
Ary niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana ny Tompo nony alina hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany ka aza mangina;
10
fa Izaho momba anao ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin’ity tanàna ity Aho.
11
Naharitra herintaona sy enim-bolana teo izy ary nampianatra ny tenin’Andriamanitra teo aminy.
12
Fony i Galiona governora tany Akaia dia niray tetika hisambotra an’i Paoly ny Jiosy ary nitondra azy nankeo amin’ny fitsarana
13
ka nilaza hoe: Ilehio dia mampanaiky ny olona hivavaka amin’Andriamanitra nefa tsy araka ny lalàna.
14
Ary raha iny handray fitenenana iny i Paoly dia hoy i Galiona tamin’ny Jiosy: Ry Jiosy, raha misy heloka na zavatra ratsy natao dia ho niaritra nihaino ny teninareo aho;
15
fa raha adihevitra momba ny teny sy ny anaran’olona ary ny lalànanareo kosa dia ataovinareo ihany; fa izaho tsy te hitsara izany raharaha izany.
16
Ary nandroaka azy hiala teo anoloan’ny fitsarana izy.
17
Dia nisambotra an’i Sostena lehiben’ny sinagoga izy rehetra ka nikapoka azy teo anoloan’ny fitsarana. Nefa tsy nahoan’i Galiona izany zavatra izany.
18
Mbola nijanona teo andro maromaro ihany i Paoly, ary rehefa nanao veloma ny rahalahy izy dia niondrana an-tsambo nankany Siria; niaraka taminy koa i Prisila sy i Akoila; dia nohetezany tany Kenkrea ny volony satria efa nivoady izy.
19
Rehefa tonga tany Efesosy izy ireo dia nandao azy teo i Paoly ka lasa niditra tao amin’ny sinagoga ary niady hevitra tamin’ny Jiosy.
20
Dia nangataka azy hijanona elaela kokoa ny olona nefa tsy nety izy,
21
fa nanao veloma azy hoe: Mbola hiverina hankaty aminareo indray aho raha sitrapon’Andriamanitra. Dia niondrana an-tsambo niala tany Efesosy izy.
22
Rehefa tafatody tany Kaisaria izy dia niakatra ka niarahaba ny fiangonana vao nidina nankany Antiokia.
23
Rehefa elaela ihany no nijanonany tao dia lasa nandeha nitety ny tany Galatia sy Frigia izy ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24
Tonga tany Efesosy ny Jiosy iray antsoina hoe Apolosy izay avy any Aleksandria, lehilahy nahay nandaha-teny sady tena mahay Soratra Masina.
25
Izany lehilahy izany dia efa nampianarina ny lalan’ny Tompo; ary nafana fo ka niteny sy nampianatra marina ny amin’i Jesosy izy, saingy ny batisan’i Jaona ihany no fantany.
26
Nanomboka niteny tamin’ny fahasahiana teo amin’ny sinagoga izy, koa rehefa nandre azy i Prisila sy i Akoila dia nandray azy hankao aminy ka nampianatra azy marimarina kokoa ny amin’ny lalànan’Andriamanitra.
27
Naniry handroso hankany Akaia izy ka nampirisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga tany izy dia nanampy be dia be ireo izay efa nino noho ny fahasoavana,
28
fa izy dia nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason’ny olona ka naneho marimarina tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28