bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 7
Acts 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 8 →
1
Hoy ny Mpisoronabe: Moa izany tokoa va?
2
Hoy i Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’i Abrahama razantsika raha tany Mezopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,
3
ka niteny taminy hoe: «Mialà amin’ny taninao sy ny havanao ka mandehana ho any amin’ny tany izay hasehoko anao» (Gen 12.1).
4
Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeana izy ka nonina tany Harana; ary rehefa maty ny rainy dia nafindran’Andriamanitra niala teo hankaty amin’ny tany izay onenanareo ankehitriny izy.
5
Tsy nomeny lova teto izy na dia eram-paladia akory aza; kanefa nampanantenainy fa homeny azy sy ny taranaka mandimby azy ho lovany izany na dia tsy mbola nanan-janaka akory aza izy.
6
Araka izany no nilazan’Andriamanitra fa «hivahiny any amin’ny tanin’ny firenena hafa ny taranany ary handevozin’ireo sy hampahoriny mandritra ny efajato taona.
7
Nefa ny firenena izay hotompoiny dia hotsaraiko kosa, hoy Andriamanitra; ary rehefa afaka izany dia hivoaka avy ao izy ka hanompo Ahy eto amin’ity tany ity» (Gen 15.13-14).
8
Nomen’Andriamanitra azy koa ny fanekena ny amin’ny famorana. Dia niteraka an’Isaka i Abrahama ka namora azy tamin’ny andro fahavalo; ary Isaka dia niteraka an’i Jakoba, i Jakoba dia niteraka ny patriarka roa amby folo lahy.
9
Ary ny patriarka dia nialona an’i Josefa ka nivarotra azy ho any Ejipta; nefa nomba azy Andriamanitra
10
ka nahafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’i Farao, mpanjakan’i Ejipta; ary nanendry azy ho mpanapaka tany Ejipta sy tao an-dapany manontolo izy.
11
Dia nisy mosary manerana an’i Ejipta sy Kanana rehetra ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanina ny razantsika.
12
Koa nony ren’i Jakoba fa nisy vary tany Ejipta dia naniraka ny razantsika izy tamin’ny voalohany.
13
Tamin’ny fanindroany dia fantatr’izy mirahalahy avy i Josefa ary fantatr’i Farao koa ny havan’i Josefa.
14
Ary naniraka nampiantso an’i Jakoba rainy mbamin’ny ankohonany rehetra i Josefa ka olona dimy amby fitopolo ry zareo.
15
Ary nidina nankany Ejipta i Jakoba ary maty izy sy ny razantsika;
16
ary noentina ho any Sekema ka nalevina tao amin’ny fasana izay novidin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hamora tany Sekema.
17
Rehefa ho tonga ny fotoana hahatanterahan’ny teny fikasana izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Ejipta,
18
mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tany Ejipta, izay tsy nahalala an’i Josefa.
19
Io mpanjaka io dia nanao hafetsena tamin’ny razantsika ka nampahory azy, dia samy nanary ny zanany vao teraka ireo mba tsy ho velona izy ireny.
20
Tamin’izany andro izany no nahaterahan’i Mosesy, ary tsara teo anatrehan’Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon’ny rainy.
21
Rehefa nariana izy dia nalain’ny zanakavavin’i Farao ka notezainy ho zanany.
22
Dia nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejiptiana i Mosesy ary nahery tamin’ny teniny sy ny asany izy.
23
Rehefa efapolo taona izy dia nitsiry tao am-pony ny fikasana hamangy ireo zanak’Israely rahalahiny.
24
Raha nahita ny iray nampijaliana izy dia niaro azy sy namaly ka namono ilay Ejiptiana.
25
Noheveriny fa ho fantatry ny rahalahiny fa ny tanany no hamonjen’Andriamanitra azy; kanjo tsy fantatr’izy ireo izany.
26
Nony ampitson’iny dia niseho tamin’olona izay niady i Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka niteny hoe: Mpirahalahy ianareo, koa nahoana no miady?
27
Fa ilay namely ny namany dia nanosika azy ka niteny hoe: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay?
28
Moa ta hamono ahy koa va Ialahy tahaka ny namonoan’Ialahy ilay Ejiptiana omaly?
29
Dia nandositra i Mosesy noho izany teny izany ka nivahiny tany amin’ny tany Midiana, izay niterahany zanaka roa lahy.
30
Nony afaka efapolo taona dia nisy anjely niseho taminy tany an-tany efitry ny tendrombohitra Sinay, tao anaty lelafo teo amin’ny roimemy.
31
Nony nahita izany i Mosesy dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy dia tonga ny feon’ny Tompo hoe:
32
«Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba.» (Eks 3.6). Dia toran-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33
Ary hoy NY TOMPO taminy: «Esory ny kapa amin’ny tongotrao; fa masina io tany ijanonanao io.
34
Hitako tokoa ny fahorian’ny oloko any Ejipta ary reko ny fitarainany, dia nidina hamonjy azy Aho. Koa avia ankehitriny fa hirahiko ho any Ejipta ianao» (Eks 3.5-10).
35
Izany Mosesy izany ilay nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an’Ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? Izy ihany no nirahin’Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban’ny tanan’ny anjely, ilay niseho taminy teo amin’ny roimemy.
36
Izy no nitondra ny olona nivoaka avy tany sady nanao fahagagana sy famantarana tany Ejipta, teo amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-tany efitra nandritra ny efapolo taona.
37
Izany no Mosesy ilay nilaza tamin’ny Zanak’Israely hoe: «Mpaminany no hatsangan’Andriamanitra ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, tahaka ahy» (Deo 18.15).
38
Izy ilay teo amin’ny fiangonana tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely izay niteny taminy sy tamin’ny razantsika tany an-tendrombohitra Sinay; nandray teny velona mba homena antsika izy.
39
Nefa ny razantsika dia tsy nety nanaiky azy fa nandà, ary manina an’i Ejipta ny fony
40
ka hoy izy tamin’i Arona: «Anaovy andriamanitra izahay hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta dia tsy fantatray izay nanjo azy.» (Eks 32.1).
41
Dia nanao ombilahy kely izy tamin’izany andro izany ary nanolotra fanatitra tamin’ny sampy ka niravoravo tamin’ny asan’ny tanany.
42
Fa Andriamanitra nihodina taminy dia namela azy hanompo ny kintan’ny lanitra, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: «Moa nanolotra zavatra voavono sy fanatitra ho Ahy nandritra ny efapolo taona tany an-tany efitra va ianareo, ry taranak’Israely?
43
Tsia, fa nobatainareo ny tranolain’i Moloka sy ny kintan’i Refana andriamanitrareo, dia ny endri-javatra izay nataonareo mba hivavahana, koa hamindra anareo ho any ankoatra an’i Babilona Aho» (Amo 5.25-27).
44
Ny tranolain’ny Vavolombelona dia teo amin’ny razantsika tany an-tany efitra, tahaka ny voatendrin’Ilay niteny tamin’i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany.
45
Noraisin’ny razantsika izany ka noentiny niditra niaraka tamin’i Josoa tao amin’ny tanin’ny firenena izay noroahin’Andriamanitra hiala teo anoloan’ny razantsika hatramin’ny andron’i Davida;
46
nahita fitia teo anatrehan’Andriamanitra i Davida ka nangataka hahita toerana ho an’ny tranon’i Jakoba.
47
Fa i Solomona kosa no nanao trano ho Azy.
48
Ny Avo Indrindra anefa tsy mitoetra ao amin’izay nataon-tanan’olona; araka ny nolazain’ny mpaminany hoe:
49
«Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro; koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy, hoy NY TOMPO? Ary manao ahoana ny ho toerana fitsaharako?
50
Tsy ny tanako va no nanao izao zavatra rehetra izao?» (Isa 66.1, 2)
51
Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina, ianareo dia manohitra ny Fanahy Masina mandrakariva; tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.
52
Iza tamin’ny mpaminany no tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny aza ireo izay naminany ny fiavian’Ilay Marina, izay ianareo no tonga mpamadika sy mpamono Azy ankehitriny,
53
dia ianareo izay olona nahazo ny lalàna tamin’ny nanoloran’ny anjely azy nefa tsy nankatò izany.
54
Nony nandre izany izy ireo dia lotika ny fony ka nihidy vazana taminy izy.
55
Nefa feno ny Fanahy Masina i Stefana ka nony nibanjina ny lanitra dia nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesosy nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra,
56
ka hoy izy: Indro, hitako ny lanitra misokatra ary ny Zanak’Olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.
57
Ary niantsoantso mafy ny olona sady nanampin-tsofina no niara-nirohotra teo aminy,
58
dia nandroaka azy ho eny ivelan’ny tanàna ary nitora-bato azy. Nametraka ny fitafiany teo anilan’ny tongotry ny zatovo iray antsoina hoe Saoly ireo vavolombelona.
59
Ary ny olona dia nitora-bato an’i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko.
60
Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Rehefa nilaza izany izy dia nodimandry.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28