bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 15
Acts 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 16 →
1
Nisy olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny fanaon’i Mosesy ianareo dia tsy azo vonjena.
2
Rehefa nifandìtra sy niady hevitra be ihany tamin’ireo i Paoly sy i Barnabasy dia nifanarahana ny hiakaran’izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona mba hanadina ny amin’izany zavatra niadian-kevitra izany.
3
Namatsy azy tamin’izay nilainy ny fiangonana, dia nandeha namakivaky an’i Foinika sy Samaria izy ka nitantara ny niovan’ny Jentilisa; ary nahafaly ny rahalahy rehetra tokoa izany.
4
Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo dia noraisin’ny fiangonana sy ny Apostoly ary ny loholona ka nilaza izay rehetra efa nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy.
5
Fa ny mino sasany izay isan’ny antokon’ny Fariseo kosa dia nitsangana ka niteny hoe: Tsy maintsy foràna ireny ka asaina mitandrina ny lalànan’i Mosesy.
6
Dia nivory ny Apostoly sy ny loholona mba handinika izany zavatra izany.
7
Rehefa nafana ny adihevitra dia nitsangana i Petera ka niteny taminy hoe: Ry rahalahy, fantatrareo fa hatramin’ny ela Andriamanitra no nifidy teo aminareo fa avy amin’ny vavako no handrenesan’ny Jentilisa ny tenin’ny Filazantsara ka hinoany.
8
Koa Andriamanitra izay mahalala ny fo dia vavolombelony tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa,
9
satria tsy nataony misy hafa isika sy izy fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.
10
Koa nahoana ianareo no maka fanahy an’Andriamanitra amin’ny fametrahanareo zioga amin’ny vozon’ny mpianatra, zioga izay tsy zakan’ny razantsika na isika hoentina?
11
Kanefa mino isika fa ny fahasoavan’i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka izany ihany koa ny amin’izy ireo.
12
Dia nangina ny olona rehetra ka nihaino an’i Barnabasy sy i Paoly izay nilaza ny famantarana sy ny fahagagana nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentilisa.
13
Rehefa nitsahatra tsy niteny izy roa lahy dia hoy i Jakoba: Ry rahalahy, mihainoa ahy!
14
I Simeona dia efa nanambara izay nitsinjovan’Andriamanitra ny Jentilisa hatramin’ny voalohany mba handraisany firenena iray ho an’ny anarany.
15
Mifanaraka amin’izany ny tenin’ny mpaminany, araka ny voasoratra hoe:
16
«Rehefa afaka izany dia hiverina Aho ka hanangana indray ny tranolain’i Davida izay efa nianjera; ary hanangana indray izay efa rava ao Aho ka hanamboatra azy indray
17
mba hitady ny Tompo ny olona sisa sy ny Jentilisa rehetra izay efa niantsoana ny anarako, hoy NY TOMPO izay manao izany zavatra izany,
18
izay fantatra hatramin’ny voalohany indrindra» (Amo 9.11-12).
19
Koa izao no hevitro: Tsy mety ny hanomezantsika fahasahiranana ireo avy amin’ny Jentilisa izay miverina ho amin’Andriamanitra;
20
fa aoka hanoratra epistily ho azy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin’ny sampy sy ny fijangajangana ary ny biby nokendaina sy ny ra.
21
Fa hatramin’ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ny isan-tanàna i Mosesy ary vakina ao amin’ny sinagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.
22
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ny fiangonana manontolo ny hifidy olona avy amin’izy ireo hirahina hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabasy hankany Antiokia, koa i Joda izay antsoina hoe Barsabasy sy i Silasy, samy mpitarika teo amin’ny rahalahy, no voafidy;
23
dia nanoratra izao taratasy izao izy hoentin’ireo: Ny Apostoly sy ny rahalahy loholona dia miarahaba ny rahalahy avy amin’ny Jentilisa any Antiokia sy Siria ary Kilikia.
24
Satria efa renay fa ny sasany izay avy tatỳ aminay dia tonga ka nitondra teny nampitabataba anareo ka nampikorontana ny sainareo, kanefa tsy nampanao izany izahay,
25
dia sitrakay, rehefa nifanara-kevitra izahay, ny hifidy olona hirahina hankaty aminareo hiaraka amin’i Barnabasy sy i Paoly malalanay,
26
lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho voninahitry ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.
27
Koa nirahinay i Joda sy i Silasy hilaza am-bava aminareo izao hafatra izao koa.
28
Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
29
Ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana; hahasoa anareo raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo. Veloma.
30
Rehefa nalefany izy ireo dia nidina nankany Antiokia; ary namory ny olona maro izy dia natolony ilay epistily.
31
Novakina izany ary nifaly tamin’ny fananarana tao ny olona.
32
Koa satria mpaminany i Joda sy i Silasy, dia nananatra ny rahalahy tamin’ny teny maro izy sady nampahery azy.
33
Ary rehefa nijanona elaela teo izy ireo dia nampandehanin’ny rahalahy soa amantsara hiverina any amin’izay naniraka azy.
34
Nefa mbola satrin’i Silasy nijanona teo.
35
Fa i Paoly sy i Barnabasy kosa dia nipetraka tany Antiokia; dia nampianatra sy nitory ny tenin’ny Tompo niaraka tamin’ny maro hafa koa izy roa lahy.
36
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia hoy i Paoly tamin’i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo mba hahafantarantsika ny momba azy.
37
Te hitondra an’i Jaona izay antsoina hoe Marka, hiaraka aminy i Barnabasy;
38
nefa noheverin’i Paoly fa tsy tokony hoentiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfilia ka tsy niaraka taminy nanao ny raharaha.
39
Dia nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka; ary nitondra an’i Marka i Barnabasy ary niondrana an-tsambo nankany Sipra.
40
Fa nifidy an’i Silasy kosa i Paoly, dia niainga rehefa natolotry ny rahalahy ho amin’ny fahasoavan’ny Tompo izy.
41
Dia nandeha namakivaky an’i Siria sy Kilikia izy ka nampahery ny fiangonana tany.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28