bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 25
Acts 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 26 →
1
Telo andro taorianan’ny nahatongavan’i Festosy teo amin’ny fari-piadidiany, dia niainga avy tany Kaisaria hiakatra ho any Jerosalema izy.
2
Nanambara taminy izay niampangany an’i Paoly ny lehiben’ny mpisorona sy ny olo-manankaja tamin’ny Jiosy sady niangavy taminy
3
mba hampandefasana azy hankany Jerosalema; fa nikasa hanao vela-pandrika ho azy eny an-dalana izy ireo hamonoany azy.
4
Dia namaly azy i Festosy fa ambenana any Kaisaria i Paoly ary efa hankany tsy ho ela koa izy.
5
Koa aoka izay manam-pahefana eo aminareo, hoy izy, no hiara-midina amiko any ka hiampanga an-dRalehilahy, raha manan-keloka izy.
6
Tsy nijanona teo aminy mihoatra ny valo na folo andro i Festosy ary nidina nankany Kaisaria avy eo; koa nony ampitso dia nipetraka teo amin’ny fitsarana izy ary nasainy nalaina i Paoly.
7
Nony tonga izy dia nitsangana manodidina azy ireo Jiosy izay nidina avy tany Jerosalema ka zavatra maro sady lehibe, izay tsy azony nohamarinina akory, no niampangany azy.
8
Nandaha-teny hanala tsiny ny tenany i Paoly hoe: Tsy nanao ratsy aho, na tamin’ny lalànan’ny Jiosy, na tamin’ny tempoly, na tamin’i Kaisara.
9
Ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy nefa i Festosy ka niteny tamin’i Paoly hoe: Tianao va ny hiakatra any Jerosalema hotsaraina eo anatrehako any, ny amin’izany zavatra izany?
10
Fa hoy i Paoly: Eto amin’ny fitsaran’i Kaisara, izay tokony hitsarana ahy, no itsanganako. Tsy nanao ratsy na inona na inona tamin’ny Jiosy aho, ary na ianao aza dia mahafantatra tsara izany.
11
Koa raha nisy ratsy nataoko, na zavatra izay tokony hahafaty ahy, dia tsy mandà ny ho faty aho; fa raha tsy misy marina kosa izay zavatra iampangan’ireo ahy dia tsy misy mahazo manolotra ahy ho amin’ny sitrapon’ireo. Handahatra eo anatrehan’i Kaisara aho.
12
Rehefa niresaka tamin’ny mpanolotsaina i Festosy dia namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara ianao ka ho any amin’i Kaisara.
13
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia tonga namangy an’i Festosy tany Kaisaria i Agripa mpanjaka sy i Berenika.
14
Satria nipetraka andro maro teo ry zareo dia nambaran’i Festosy tamin’ny mpanjaka ny amin’i Paoly ka hoy izy: Misy gadra iray navelan’i Feliksa ato,
15
koa fony aho tany Jerosalema dia niampanga azy sy nangataka izay hanamelohana azy ny mpisorona sy ny loholon’ny Jiosy
16
dia novaliko hoe: Tsy fanaon’ny Romana ny manolotra olona raha tsy mbola mifanatrika ny ampangaina sy ny mpiampanga ka mahazo mandahatra hanala tsiny ny tenany ny amin’izay niampangan’ireo azy izy.
17
Rehefa tonga tatỳ izy ireo dia tsy nitaredretra aho, fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana ka nasaiko nalaina Ralehilahy.
18
Rehefa nitsangana anefa ireo mpiampanga ireo dia tsy mba niampanga azy araka izay zavatra ratsy nampoiziko akory izy,
19
fa adihevitra taminy ny amin’ny fivavahany sy ny amin’izany Jesosy izany, izay efa maty, nefa nolazain’i Paoly ho velona, no nataony.
20
Satria sahiran-tsaina aho ny amin’ny hitsarana izany zavatra izany dia nanontany aho na tian-dRalehilahy ny hankany Jerosalema hotsaraina any ny amin’izany zavatra izany, na tsia.
21
Rehefa nangataka fitsarana ambony any amin’ny amperora i Paoly dia nasaiko nambenana mandra-pandefako azy ho any amin’i Kaisara.
22
Dia hoy i Agripa tamin’i Festosy: Izaho koa dia mba ta handre izany lehilahy izany. Ary hoy izy: Rahampitso dia handre azy ianao.
23
Nony ampitso dia tonga i Agripa sy i Berenika niseho tamin’ny voninahitry ny fiandrianany ka niditra teo amin’ny efitrano fivoriana niaraka tamin’ny mpifehy arivo sy ny lehibe tao an-tanàna, ary noentina nankeo i Paoly araka ny didin’i Festosy.
24
Dia hoy i Festosy: Ry Agripa mpanjaka sy ianareo vory etoana, hitanareo io lehilahy io, izay notarainan’ny Jiosy rehetra tamiko, na tany Jerosalema na teto koa, ka nataony antso avo hoe: Tsy tokony hovelomina intsony Ilehio.
25
Hitako anefa fa tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty azy, saingy izy ihany no ta handahatra any amin’ny amperora, koa nanaiky hampanatitra azy any aho.
26
Tsy hitako izay teny marina hosoratako amin’ny lehibeko ny amin’io lehilahy io, koa dia nentiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripa mpanjaka, mba hadinina, dia ho hitako eo izay hosoratako.
27
Heveriko mantsy fa tsy mety ny mampanatitra gadra any nefa tsy milaza izay zavatra iampangana azy.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28