bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 11
Acts 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
1
Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny Jentilisa koa dia efa nandray ny tenin’Andriamanitra.
2
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Petera dia nila ady taminy ny mino izay isan’ny voafora ka
3
nilaza hoe: Efa niantrano tany amin’ny olona tsy voafora ianao sady niara-nisakafo taminy.
4
Dia nanomboka nitantara tamin’izy ireo hatramin’ny fiandohany i Petera hoe:
5
Nivavaka tany an-tanànan’i Jopa aho, ary azon-tsindrimandry, dia nahita fahitana, koa indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra, toa lamba lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra nankeo amiko;
6
ary raha nijery sy nandinika izany aho dia hitako ny biby etỳ an-tany izay manan-tongotra efatra sy ny bibidia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voromanidina koa.
7
Nandre feo koa aho niteny tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy ireo ka hano.
8
Fa hoy aho: Sanatria, Tompoko! Tsy mbola niditra tamin’ny vavako izay zavatra fady na tsy madio.
9
Ary nisy feo indray avy tany an-danitra nanao hoe: Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.
10
Intelo no nisehoan’izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray ireo rehetra ireo.
11
Tamin’izay dia indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ny trano nipetrahanay, iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12
Nasain’ny Fanahy hiaraka tamin’ireo aho ka tsy hizaha tavan’olona na dia kely akory aza. Niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto ka niditra tao an-tranon-dRalehilahy izahay.
13
Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka niteny hoe: Maniraha ho any Jopa ka ampanalao i Simona izay antsoina koa hoe Petera;
14
izy no hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15
Raha vao niteny aho dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny.
16
Dia nahatsiaro ny tenin’ny Tompo izay nolazainy aho hoe: I Jaona dia nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.
17
Koa raha mba nomen’Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’i Jesosy Kristy Tompo, dia iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra?
18
Rehefa nandre izany ireo dia nitony sady nankalaza an’Andriamanitra hoe: Efa nomen’Andriamanitra ny Jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19
Ary izay niely noho ny fanenjehana an’i Stefana dia nandeha hatrany Foinika sy Sipra ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’olona izy, afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany.
20
Ny sasany tamin’ireny dia lehilahy avy any Sipra sy Kirena izay tonga tany Antiokia, niresaka tamin’ny Grika koa ary nitory an’i Jesosy Tompo.
21
Ary ny tanan’ny Tompo nomba azy ireo ka maro no isan’izay nino sy niverina ho amin’ny Tompo.
22
Rehefa tonga tany an-tsofin’ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ireo dia naniraka an’i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
23
Nony tonga tany izy dia nahita ny fahasoavan’Andriamanitra ka faly ary nananatra azy rehetra haharitra ao amin’ny Tompo amin’ny fo minia fatratra.
24
Lehilahy tsara fanahy sady feno ny Fanahy Masina sy finoana mantsy izy; ary marobe ny olona nanampy ho an’ny Tompo.
25
Dia lasa nankany Tarsosy i Barnabasy mba hitady an’i Saoly.
26
Rehefa nahita azy izy dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ny fiangonana nandritra ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany niantsoana ny anaran’ny mpianatra hoe Kristiana.
27
Tamin’izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28
Nitsangana ny iray tamin’ireny, izay antsoina hoe Agabo; voatsindrin’ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be manerana ny tany rehetra. Tonga tokoa io tamin’ny andron’i Klaodio.
29
Ary ny mpianatra dia nanapa-kevitra hampitondra zavatra araka ny ananany avy hamonjena ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
30
Dia nataony izany, ary ny tanan’i Barnabasy sy i Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ny loholona.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28