bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 4
Acts 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
1
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka izy roa lahy dia indreo, tonga teo aminy ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ny Sadoseo.
2
Sosotra mantsy izy ireo noho ny nampianaran’ny Apostoly ny vahoaka sy ny nitoriany tamin’ny alalan’i Jesosy ny fitsanganana amin’ny maty.
3
Dia nisambotra azy ireo izy ka nampiditra azy tao an-tranomaizina mandra-paharain’ny andro, satria efa hariva ny andro tamin’izay.
4
Kanefa maro tamin’izay nandre ny teny no nino ka efa tokony ho dimy arivo ny isan’ny lehilahy.
5
Nony ampitso dia niangona tany Jerosalema ny mpitondra sy ny loholona ary ny mpanoradalàna
6
mbamin’i Anasy mpisoronabe, i Kaiafa, i Jaona, i Aleksandra ary izay rehetra mety ho havan’ny Mpisoronabe.
7
Rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izao zavatra izao?
8
Dia feno ny Fanahy Masina i Petera ka nilaza taminy hoe: Ry mpanapaka ny vahoaka sy loholona,
9
raha nadinina izahay androany ny amin’ny asa tsara natao tamin’ny nahasitranana ilay lehilahy malemy,
10
dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra fa ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohomboinareo tamin’ny hazofijaliana, kanefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty kosa, tamin’ny alalany no nitsanganan’io lehilahy sitrana io eto imasonareo.
11
«Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano nefa tonga fehizoro» (Sal 118.22).
12
Tsy misy famonjena avy amin’ny hafa na iza na iza; satria tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
13
Nony nahita ny fahasahian’i Petera sy i Jaona izy ireo sady nahalala fa tsy mba mpahay lalàna na nampianarina izy roa lahy, dia gaga; ary fantany tsara fa efa niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.
14
Rehefa nijery ilay lehilahy izay efa sitrana nitsangana niaraka taminy izy dia tsy hitany izay havaliny.
15
Dia nasainy niala teo amin’ny Sinedriona izy roa lahy, ary niara-nisaina ry zareo
16
hoe: Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo? Fa efa nanao famantarana malaza tokoa izy ireo ary fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany ka tsy azontsika lavina.
17
Kanefa mba tsy hielezan’izao amin’ny vahoaka intsony dia aoka horahonantsika izy ireo mba tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony na amin’iza na amin’iza.
18
Dia niantso azy ireo izy ka nandrara azy tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy intsony.
19
Fa i Petera sy i Jaona kosa dia namaly azy hoe: Tsaraonareo na marina eo imason’Andriamanitra na tsia, ny hanaiky anareo mihoatra noho Andriamanitra.
20
Fa izahay dia tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
21
Rehefa norahonany indray izy ireo dia nalefany satria tsy hitany izay hampijaliany azy noho ny tahony ny vahoaka; fa izy rehetra dia nankalaza an’Andriamanitra noho ny amin’ny zava-nitranga.
22
Efa mihoatra ny efapolo taona mantsy Ralehilahy izay nanaovana izany famantarana nanasitrana azy izany.
23
Rehefa nalefa izy roa lahy dia tonga teo amin’ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona taminy.
24
Fa rehefa nandre izany izy ireo dia niara-nanandratra ny feony ho amin’Andriamanitra hoe: Tompo ô! Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra ao anatiny,
25
ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: «Nahoana no mitabataba ny Jentilisa ary misaina anoano foana ny firenena?
26
Ireo mpanjakan’ny tany dia nitsangana, ary ny mpitondra dia niangona hanohitra NY TOMPO sy ny Mesiany» (Sal 2.1-2).
27
Fa efa niangona marina tokoa teto amin’ity tanàna ity i Heroda sy i Pontio Pilato mbamin’ny Jentilisa sy ny firenena Israely mba hanohitra ny Mpanomponao Masina, dia Jesosy izay nohosoranao,
28
mba hanao izay notendren’ny tananao aman-tsainao mialoha hatao.
29
Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany, ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra,
30
miaraka amin’ny anatsoranao ny tananao hanasitrana sy ny hanaovana famantarana sy fahagagana amin’ny anaran’i Jesosy, Mpanomponao Masina.
31
Rehefa nivavaka izy ireo dia nihovotrovotra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny fahasahiana.
32
Niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino ka tsy nisy na dia iray aza nanonona ny fananany ho azy manokana, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany.
33
Tamin’ny hery be no nanambaràn’ny Apostoly ny nitsanganan’i Jesosy Tompo; ary fahasoavana be no tao amin’izy rehetra.
34
Fa tsy nisy olona nahantra teo aminy; ary izay nanana tany na trano, raha nivarotra izany dia nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo
35
ka nametraka izany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly dia nozaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy izany.
36
Ary i Josefa izay nantsoin’ny apostoly koa hoe Barnabasy, izany hoe, raha adika, Zanaky ny fananarana, levita avy any Sipra no firazanany,
37
dia nivarotra ny sahany ka noentiny ny vola vidiny ary napetrany teo anoloan’ny tongotry ny Apostoly.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28