bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 26
Acts 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 27 →
1
Hoy i Agripa tamin’i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao ianao. Nanangana ny tanany i Paoly ka nandaha-teny hanala tsiny ny tenany hoe:
2
Ny amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio,
3
indrindra noho ny fahafantaranao tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra amin’ny Jiosy; koa miangavy anao aho, mba mahareta hihaino ahy.
4
Fantatry ny Jiosy rehetra hatramin’ny voalohany ny fomba fiainako hatry ny fony aho mbola kely teo amin’ny fireneko tany Jerosalema;
5
eny, fantany hatramin’ny voalohany, raha mety milaza izany izy, satria efa Fariseo aho araka ny antoko izay fatra-pitana indrindra ny lalàna amin’ny fivavahanay.
6
Ankehitriny dia ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon’Andriamanitra tamin’ny razanay no ijoroako hotsaraina eto,
7
dia ilay fanantenana andrasan’ny firenenay roa amby folo izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an’Andriamanitra andro aman’alina. Izany fanantenana izany no iampangan’ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô.
8
Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana raha manangana ny maty Andriamanitra?
9
Nihevitra tato am-poko tokoa aho fa tsy maintsy manohitra ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta amin’ny fomba maro;
10
izany no nataoko tany Jerosalema ka maro ny olona masina no nohidiko tao an-tranomaizina, rehefa nahazo fahefana hanao izany tamin’ireo lehiben’ny mpisorona aho; rehefa hovonoina ireny dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho.
11
Nampijaly azy ireny matetika teo amin’ny sinagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy; ary satria romotry ny fahatezerako taminy aho dia nanenjika azy hatrany amin’ny tanàna any ivelany koa aza.
12
Tamin’izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay azoko tamin’ireo lehiben’ny mpisorona,
13
koa nony ilay nitataovovonana iny ny andro, ry mpanjaka ô, dia hitako teny an-dalana fa indro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatselatra manodidina ahy sy ireo izay niaraka tamiko, mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro.
14
Rehefa lavo tamin’ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo aho hoe: Saoly! Saoly! Nahoana ianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana.
15
Dia hoy aho: Iza moa Ianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy izay enjehinao.
16
Koa mitsangàna ka mijoroa amin’ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin’izay efa nahitanao Ahy sy izay hisehoako aminao,
17
hamonjy anao amin’ity firenena ity sy ny Jentilisa izay anirahako anao,
18
hampahiratra ny masony hialany amin’ny maizina ho amin’ny mazava, ary amin’ny fahefan’i Satana ho amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
19
Noho izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ilay fahitana avy tany an-danitra aho.
20
Fa tamin’izay tany Damaskosy aloha, tany Jerosalema sy ny tany Jodia rehetra ary tany amin’ny Jentilisa koa, dia nitoriteny aho, mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hanao asa mendrika ny fibebahana.
21
Ary izany no nisamboran’ny Jiosy ahy teo amin’ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
22
Noho ny fitahian’Andriamanitra ahy no mbola aharetako mandraka androany ka anambaràko na amin’ny kely na amin’ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona aho afa-tsy izay nolazain’ny mpaminany sy i Mosesy fa ho avy,
23
fa i Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin’ny maty ka hitory fahazavana amin’ity firenena ity sy amin’ny Jentilisa.
24
Raha nandahatra izany izy dia hoy i Festosy tamin’ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina ianao; ny fianarana be loatra no nahavery saina anao.
25
Fa hoy i Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa teny marina sy tenim-pahendrena no lazaiko.
26
Fantatry ny mpanjaka izany zavatra izany ka miteny amin’ny fahasahiana eto anatrehany aho; fa mino aho fa tsy miafina aminy izany zavatra izany satria tsy natao tao amin’ny takona akory.
27
Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va ianao? Fantatro fa mino ianao.
28
Fa hoy i Agripa tamin’i Paoly: Hay! Heverinao fa mora toy izany ny hampanekenao ahy ho kristiana!
29
Dia hoy i Paoly: Mangataka amin’Andriamanitra aho, fa na amin’ny mora, na amin’ny sarotra, tsy ianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin’ireto gadra ireto ihany.
30
Nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary i Berenika mbamin’izay niara-nipetraka taminy teo;
31
koa rehefa niala teo izy ireo dia niresaka hoe: Tsy manao zavatra tokony hahafaty na hamatorana azy akory ity lehilahy ity.
32
Ary hoy i Agripa tamin’i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan’i Kaisara izy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28