bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 19
Acts 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 20 →
1
Raha mbola tany Korinto i Apolosy dia nitety ny faritany ambony kosa i Paoly ka tonga tany Efesosy; nahita mpianatra sasany teo izy
2
ka niteny tamin’izy ireo hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina fony vao nino ianareo? Fa hoy ireo taminy: Tsy mbola renay akory ny amin’izany Fanahy Masina izany.
3
Dia hoy i Paoly: Ho amin’inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin’ny batisan’i Jaona.
4
Fa hoy i Paoly: I Jaona dia nanao ny batisan’ny fibebahana ka nilaza tamin’ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.
5
Rehefa nahare izany ireo dia natao batisa ho amin’ny anaran’i Jesosy Tompo.
6
Rehefa nametrahan’i Paoly tanana izy dia tonga taminy ny Fanahy Masina ary niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy sady naminany.
7
Ary tokony ho roa amby folo lahy no isan’izy rehetra.
8
Ary nankany amin’ny sinagoga i Paoly ka niteny tamin’ny fahasahiana, niady hevitra nandritra ny telo volana tao izy ka nampanaiky ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
9
Nefa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ny olona maro dia niala teo amin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana ary niady hevitra isanandro tao amin’ny trano fampianaran’i Tirano.
10
Naharitra roa taona ngarangidina izany ka nandre ny tenin’ny Tompo izay rehetra nonina tany Azia, na Jiosy na Grika.
11
Ny tanan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra zava-dehibe maro mampitolagaga,
12
koa na dia ny mosara sy ny aron’akanjo izay nikasika ny tenany aza no noentina hatao amin’ny marary dia sitrana ny aretiny ary niala ny fanahy ratsy.
13
Ary nisy Jiosy sasany, mpivezivezy mamoaka fanahy ratsy, izay ninia nanonona ny anaran’i Jesosy Tompo koa teo ambonin’ny manana fanahy ratsy ka niteny hoe: Mampianiana anareo amin’i Jesosy izay torin’i Paoly aho.
14
Nisy fito mirahalahy, zanak’i Skeva, lehiben’ny mpisorona jiosy iray nanao izany.
15
Ary ny fanahy ratsy dia namaly azy hoe: Fantatro Jesosy, ary fantatro koa i Paoly; fa mba iza kosa moa ianareo?
16
Ary ilay lehilahy nanana ny fanahy ratsy dia niantoraka tamin’ireo ary nahery izy ka naharesy azy roa lahy, dia nandositra niala tamin’izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra.
17
Dia fantatry ny Jiosy sy ny Grika rehetra izay nonina tany Efesosy izany; dia raiki-tahotra ny olona rehetra ka nankalaza ny anaran’i Jesosy Tompo.
18
Maro tamin’ireo izay nino no tonga ka niaiky sy nilaza ny fanao ratsiny.
19
Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.
20
Araka izany dia nitombo sy nandroso ny teny noho ny herin’ny Tompo.
21
Rehefa vita izany rehetra izany dia nikasa tao am-pony handeha hitety an’i Makedonia sy i Akaia aloha i Paoly vao hankany Jerosalema ka hoy izy: Rehefa tonga any aho dia tsy maintsy mahita an’i Roma koa.
22
Ary ny roa lahy tamin’izay nanompo azy, dia i Timoty sy i Erasto, no nirahiny nankany Makedonia; fa izy kosa dia mbola nijanona fotoana fohy tany Azia.
23
Tamin’izany andro izany dia nisy tabataba be ihany ny amin’ny fampianarana.
24
Nisy lehilahy iray antsoina hoe Demetrio, mpanefy volafotsy, izay nanao sarin’ny tempolin’i Diana tamin’ny volafotsy ka nampahazo harena be ny mpanefy;
25
nangoniny niaraka tamin’ny mpanao taozavatra hafa ireny ka nilazany hoe: Tompokolahy, fantatrareo fa amin’izao taozavatra izao no ahazoantsika harena.
26
Ary hitanareo sy renareo fa tsy eto Efesosy ihany, fa saika manerana an’i Azia rehetra dia mitaona olona betsaka izany Paoly izany ka mampivily ny sain’izy ireo hoe: Tsy Andriamanitra izay zavatra nataon-tanana.
27
Koa tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, koa ho afa-boninahitra ilay ivavahan’i Azia rehetra sy izao tontolo izao.
28
Rehefa nandre izany izy ireo dia tezitra mafy ka niantso hoe: Lehibe i Dianan’ny Efesiana!
29
Nanerana ny tanàna ny tabataba ka rehefa nisarika an’i Gaio sy i Aristarko, lehilahy makedoniana izay niara-dia tamin’i Paoly, izy, dia niray saina niriotra ho ao an-trano filalaovana.
30
Dia vonona hiseho teo amin’ny vahoaka i Paoly, fa tsy navelan’ny mpianatra.
31
Ary ny mpitondra sasany tany Azia, izay sakaizany aza, dia nampitondra teny nananatra azy mba tsy ho sahy hiditra ao amin’ny trano filalaovana.
32
Fa ny sasany dia niantso zavatra iray, ary ny sasany kosa dia zavatra hafa; koa nifanaritaka ny olona vory, ary ny ankamaroany dia tsy nahalala akory izay anton’ny nivoriany teo.
33
Ary teo amin’ny vahoaka dia nisy nampahafantatra ny zava-nitranga tamin’i Aleksandra izay nasesiky ny Jiosy handroso. Dia nibaiko tanana i Aleksandra fa ta handaha-teny hanazava tamin’ny olona.
34
Nony fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy dia niredona niantsoantso tokony ho nandritra ny adiny roa izy rehetra hoe: Lehibe i Dianan’ny Efesiana!
35
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka niteny hoe: Ry lehilahy efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesiana no mpitahiry an’i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’i Jopitera?
36
Ary satria tsy azo toherina izany dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona ankamehana.
37
Fa noentinareo etỳ ireo lehilahy ireo izay tsy nandroba tempoly, na niteny ratsy ny andriamanitsika.
38
Koa raha manan-teny hifamaliana amin’olona i Demetrio sy ny mpanefy izay momba azy, aoka hifandahatra izy, fa misy ihany ny andro hitsarana, ary ao ihany koa ireo governora.
39
Fa raha mitady zavatra hafa kosa ianareo dia hotsaraina amin’izay fivoriana voatendrin’ny lalàna.
40
Sao lahy hampangaina noho izao tabataba tsy misy antony izay niseho androany izao isika sady tsy hitantsika izay hanazavana izao fisavorovoroana izao. Rehefa nilaza izany izy dia nampirava ny olona vory teo.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28