bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 23
Acts 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 24 →
1
Nibanjina ny Sinedriona i Paoly ka niteny hoe: Ry rahalahy, izaho dia nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka androany.
2
Dia nandidy ireo izay nitsangana teo anilany hikapoka ny vavany i Ananiasy mpisoronabe.
3
Hoy i Paoly taminy: Andriamanitra no hikapoka anao, ry manda voalalotra fotsy; ianao va no mipetraka hitsara ahy araka ny lalàna, nefa asainao kapohina tsy araka ny lalàna aho?
4
Ary izay nitsangana teo dia niteny hoe: Tevatevainao va ny mpisoronaben’Andriamanitra?
5
Hoy i Paoly: Tsy fantatro fa Mpisoronabe izy, ry rahalahy; fa voasoratra hoe: «Aza miteny ratsy ny mpitondra ny firenenao» (Eks 22.27).
6
Rehefa fantatr’i Paoly fa Sadoseo ny sasany, ary ny sasany kosa Fariseo, dia niantso teo amin’ny Sinedriona izy hoe: Ry rahalahy, izaho dia Fariseo, zanaky ny Fariseo; ny amin’ny fanantenana sy ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy.
7
Ary rehefa nilaza izany izy dia nifanditra ny Fariseo sy ny Sadoseo ka nizara roa toko ny olona.
8
Ny Sadoseo mantsy dia milaza hoe: Tsy misy ny fitsanganan’ny maty, sady tsy misy ny anjely na ny fanahy, nefa neken’ny Fariseo avokoa ireo.
9
Dia nisy antsoantso nankarenina teo, ary nitsangana ny mpanoradalàna sasany, izay isan’ny antoko atao hoe Fariseo, ka niady hevitra ary niteny hoe: Tsy hitanay izay helok’io lehilahy io; fa sao dia fanahy na anjely no niteny taminy.
10
Rehefa nihamafy ny fifandirana dia natahotra ny mpifehy arivo, fandrao hopotipotehin’izy ireo i Paoly ka nasainy nidina haka azy an-keriny hiala teo afovoany ny miaramila ary hitondra azy ho any an-dapa.
11
Nitsangana teo anilany ny Tompo tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Matokia! Tahaka ny nanambarànao Ahy tany Jerosalema no tsy maintsy mbola hanambarànao Ahy any Roma koa.
12
Nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro raha tsy mahafaty an’i Paoly.
13
Efapolo mahery izy no niray tetika tamin’izany.
14
Nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona izy ireo ka niteny hoe: Efa niozona sy nianiana izahay fa tsy hanandran-javatra na inona na inona raha tsy mahafaty an’i Paoly.
15
Koa ankehitriny dia ilazaonareo ny mpifehy arivo sy ny Sinedriona mba hampidina azy hankaty aminareo ka mody milaza ianareo fa ta hamototra azy marimarina kokoa ny amin’izay nataony; ary izahay kosa moa dia efa vonona hamono azy, mialoha ny hahatongavany atỳ.
16
Nony ren’ny zanak’anabavin’i Paoly ny vela-pandrika dia lasa nankany anaty rova izy ka nilaza tamin’i Paoly.
17
Ary niantso ny kapiteny iray hankeo aminy i Paoly ka niteny hoe: Ento mankany amin’ny mpifehy arivo ity zatovo ity fa manan-teny holazaina aminy.
18
Dia nandray azy ilay kapiteny ka nitondra azy ho any amin’ny mpifehy arivo, niteny hoe: I Paoly mpifatotra no niantso ahy hankeo aminy ka nangataka ahy hitondra ity zatovo ity hanketo aminao, fa manan-teny holazaina aminao, hono, izy.
19
Dia noraisin’ilay mpifehy arivo tamin’ny tanany izy ka nony efa nitokana tao amin’ny mangingina izy ireo dia nanontaniany hoe: Inona moa no teny holazainao amiko?
20
Hoy ilay zatovo: Ny Jiosy dia efa nifanaiky hangataka aminao hampidina an’i Paoly ho any amin’ny Sinedriona rahampitso, mody milaza izy fa ta hanadina azy marimarina kokoa.
21
Koa aza manaiky azy ianao, fa mihoatra ny efapolo lahy izy ireo no miray tetika hisambotra an’i Paoly ka efa niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro raha tsy maty izy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy atỳ aminao fotsiny.
22
Ary ny mpifehy arivo dia nampandeha ilay zatovo ka nanafatrafatra hoe: Aza lazaina na amin’iza na amin’iza izany zavatra nampahafantarinao ahy izany.
23
Niantso kapiteny roa lahy hankeo aminy izy avy eo ka niteny hoe: Manomàna miaramila roanjato lahy sy mpitaingin-tsoavaly fitopolo ary mpitondra lefona roanjato hankany Kaisaria anio alina amin’ny ora fahatelo;
24
itondray biby koa hitaingenan’i Paoly hitondra azy soa amantsara ho any amin’i Feliksa governora.
25
Dia nanoratra taratasy nisy izao teny izao izy:
26
Miarahaba an’i Feliksa, governora tsara indrindra, i Klaodio Lisia.
27
Ity lehilahy ity dia nosamborin’ny Jiosy ka efa saika novonoiny; fa nony fantatro fa Romana izy dia nitondra miaramila aho ka namonjy azy.
28
Ary satria ta hahalala tsara izay niampangany azy aho dia nentiko nidina teo amin’ny Sinedriona izy;
29
koa hitako fa adihevitra ny amin’ny lalànany no niampangany azy fa tsy nisy fiampangana azy izay tokony hahafaty na hamatorana azy.
30
Koa rehefa voalaza tamiko fa nisy nikasa hanao teti-dratsy hisamborana an-dRalehilahy dia nandefa iraka haingana hitondra azy atỳ aminao aho, ary ny mpiampanga koa nasaiko milaza atỳ anatrehanao izay iampangany azy.
31
Dia nalain’ny miaramila i Paoly araka ny nandidiana azy ka noentiny iny alina iny ihany ho any Antipatria.
32
Nony ampitso dia navelany handeha hiaraka aminy ny mpitaingin-tsoavaly, fa izy ireo kosa dia niverina ho any an-dapa.
33
Rehefa tonga tany Kaisaria ireo dia nanolotra ny taratasy tamin’ny governora sady nanolotra an’i Paoly ho eo anatrehany koa.
34
Ary rehefa novakiny ilay taratasy dia nanontany izay faritany niavian’i Paoly izy; koa rehefa fantany fa avy tany Kilikia izy
35
dia hoy izy: Hihaino tsara ny teninao aho rehefa tonga atỳ ny mpiampanga anao. Dia nasainy nambenana tao an-dapan’i Heroda izy.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28