bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Acts 24
Acts 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 25 →
1
Nony afaka hadimiana dia nidina i Ananiasy mpisoronabe mbamin’ny loholona sasany sy i Tertilo mpandaha-teny ary nanambara tamin’ny governora ny niampangany an’i Paoly.
2
Rehefa nantsoina izy dia niampanga azy i Tertilo ka niteny hoe: Ianao no anananay fandriampahalemana lehibe ary ny fitondranao no nahatonga fanatsarana ity firenena ity;
3
koa raisinay amin’ny fankasitrahana mandrakariva eny tontolo eny izany, ry Feliksa tsara indrindra ô.
4
Mba tsy hitazonako anao ela loatra dia miangavy anao aho, mba henoy kely amin’ny faharetana izahay.
5
Io lehilahy io mantsy dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mpampikomy ny Jiosy rehetra maneran-tany; izy no mpitarika ilay antoko atao hoe Nazareana.
6
Nitady handoto ny tempoly koa izy io; koa izany no nisamboranay azy; tianay hotsaraina araka ny lalànanay izy.
7
Nefa tonga i Lisia, mpifehy arivo, dia nanao an-keriny ka naka azy teo an-tananay. Ary nasainy nankaty aminao ny mpiampanga azy.
8
Koa rehefa manadina azy ianao dia ho fantatrao marina izay rehetra iampanganay azy.
9
Niara-nanaiky ny Jiosy sady nilaza fa izany tokoa no izy.
10
Rehefa notondroin’ny governora hiteny i Paoly dia nilaza hoe: Fantatro fa mpitsara amin’ity firenena ity hatry ny ela ianao ka faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako;
11
azonao fantarina fa mbola tsy mihoatra noho ny roa amby folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema.
12
Tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona teo amin’ny tempoly, na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ny sinagoga, na tao an-tanàna;
13
ary tsy hain’ireo olona ireo hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny.
14
Izao kosa no ekeko eto anatrehanao, fa araka ilay fampianarana izay ataony hoe antoko no anompoako ny Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany,
15
ary manana fanantenana amin’Andriamanitra aho, izay antenain’izy ireo koa, dia ny hisian’ny fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.
16
Amin’izany dia mikely aina koa aho mba hanana mandrakariva fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona.
17
Nony afaka taona maro dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ny fireneko.
18
Koa tamin’izay no hitany voadio teo amin’ny tempoly aho, tsy niaraka tamin’olona maro anefa aho tamin’izany, na tamin’ny fitabatabana, fa Jiosy sasany avy any Azia no teo;
19
izy ireo no tokony hiseho eto anatrehanao mba hiampanga ahy, raha toa misy izay hiampangany ahy.
20
Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany, raha nitsangana teo anatrehan’ny Sinedriona aho,
21
afa-tsy izao teny iray loha izao ihany angaha, dia ilay nolazaiko mafy raha nijoro teo afovoany aho hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.
22
Efa fantatr’i Feliksa tsara ihany ny amin’izany fampianarana izany, koa nasainy nandeha aloha izy rehetra ary hoy izy: Rehefa tafidina atỳ i Lisia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo.
23
Dia nandidy ny kapiteny izy mba hiambina an’i Paoly nefa hanome fahafahana azy ihany ka tsy handrara na iza na iza amin’ireo akaiky azy tsy hanompo azy.
24
Nony afaka andro vitsivitsy dia tonga i Feliksa niaraka tamin’i Drosila vadiny izay Jiosy; nampaka an’i Paoly izy ka nihaino azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesosy.
25
Rehefa nitory ny amin’ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy izy dia raiki-tahotra i Feliksa ka niteny hoe: Mandehana aloha; fa raha misy fotoana malalaka dia hampaka anao indray aho.
26
Nanantena koa mantsy izy fa hanome vola azy i Paoly dia nampaka azy matetika izy ka niresaka taminy.
27
Rehefa afaka roa taona dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa; ary ta hahazo sitraka tamin’ny Jiosy i Feliksa ka mbola notanany tao an-tranomaizina ihany i Paoly.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28