bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 1
Acts 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 2 →
1
Any ianao ry Teôfily, Ilay boky voalohany dia nanoratako ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny, hatrany am-panombohany
2
ka hatramin’ny andro nampiakarana Azy ho any an-danitra. Talohan’ny nampiakarana Azy, dia namelany baiko tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo nofidiny ho apôstôly.
3
Porofo maro no nentin’i Jesoa nanambara tena fa velona Izy taorian’ny nahafatesany: niseho tamin’ny apôstôly Izy nandritra ny efapolo andro sady nidinidinika taminy momba ny Fanjakàn’Andriamanitra.
4
Ary indray andro i Jesoa dia niara-nisakafo taminy ka nanafatrafatra azy hoe: –Aza miala eto Jerosalema, fa andraso ilay fanomezana nampanantenain’ny Ray, izay efa renareo tamiko.
5
I Jôhany dia nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.
6
Koa izay tafangona teo amin’i Jesoa dia nanontany Azy hoe: –Tompo ô, izao ve no fotoana hanarenanao indray ny fanjakana ho an’i Israely?
7
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anjaranareo ny mahalala ny fotoana na ny vaninandro voatendrin’ny Ray araka ny fahefàny manokana.
8
Fa hahazo hery ianareo rehefa hilatsahan’ny Fanahy Masina, ka ho vavolombelona hanambara Ahy eto Jerosalema sy eran’i Jodea mbamin’i Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany.
9
Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason’izy ireo; ary nisy rahona nanakona an’i Jesoa ka tonga tsy hitan’izy ireo intsony Izy.
10
Raha mbola nibanjina ny lanitra niakaran’i Jesoa teo iny izy ireo, dia indreo nisy roa lahy nanao fitafiana fotsy tafajoro tampoka teo anilany
11
ka nanao taminy hoe: –Ry lehilahy galileanina, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesoa Izay nalaina teo aminareo hakarina any an-danitra iny, dia mbola ho avy indray tahaka ny nahitanareo Azy nankany an-danitra.
12
Dia niverina nankany Jerosalema ny apôstôly, rehefa niala teo amin’ilay tendrombohitra atao hoe Analanôliva, tendrombohitra akaiky an’i Jerosalema tokony ho iray kilaometatra (halaviran-dalana azo aleha amin’ny sabata).
13
Ka nony tonga tao an-tanàna izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitrano ambony rihana fitoerany: dia i Petera, i Jôhany, i Jakôba, i Andrea, i Filipo, i Tômà, i Bartôlômeo, i Matio, i Jakôba zanakalahin’i Halfeo, i Simôna Zelôta ary i Jodasy zanakalahin’i Jakôba.
14
Niray fo izy rehetra sady nazoto nivavaka niaraka tamin’ny vehivavy mpino sy i Maria renin’i Jesoa mbamin’ireo rahalahin’i Jesoa.
15
Andro vitsivitsy taorian’izany nony tafavory ny mpino miisa tokony ho 120, dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe:
16
–Ry havako, tsy maintsy notanterahina izay nambaran’ny Fanahy Masina mialoha ao amin’ny Soratra Masina; fa niteny tamin’ny alalan’i Davida Izy ny amin’i Jodasy izay tonga mpitarika ireo nisambotra an’i Jesoa;
17
anisanay apôstôly ihany i Jodasy ary nandray anjara tamin’izao fanompoanay izao.
18
Koa izany lehilahy izany dia efa nahavidy saha ho an’ny tenany tamin’ny vola azony, tambin’ny heloka vitany; potraka nihohoka izy, nipoaka ny kibony ka nivaroraka daholo ny tsinainy.
19
Fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, hany ka io saha io dia nantsoin-dry zareo amin’ny fiteniny hoe Hakeldamà, izany hoe Sahan-dra.
20
Fa izao no voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’ny Salamo: «Aoka ho lao ny tranony, ary aoka tsy honenan’olona akory!» Ary izao koa: «Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikiny!»
21
Ao ireo lehilahy mpiara-dia taminay nandritra ny andro rehetra nifaneraseran’i Jesoa Tompo taminay,
22
hatramin’ny andro nanaovan’i Jôhany batisa an’i Jesoa ka hatramin’ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin’ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.
23
Nisy roa lahy natokana hifidianana, dia i Jôsefa atao hoe Barsabasy, izay nampiana anarana hoe Imarina, sy i Matià.
24
Ary niara-nivavaka izy rehetra nanao hoe: –Ianao no mahalala ny fon’ny olona tsy an-kanavaka, Tompo ô, ka asehoy izay nofidinao tamin’izy roa lahy ireto,
25
handray ny toerana amin’izao fanompoana maha apôstôly izao, fa nilaozan’i Jodasy izany hankanesany any amin’ny toerany manokana.
26
Dia nanaovana antsapaka izy roa lahy, ary voatendrin’ny antsapaka i Matià, ka dia izy no lany ho naman’ny apôstôly 11 lahy.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28