bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 7
Acts 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 8 →
1
Hoy kosa ny mpisorombe tamin’i Stefàna: –Izany tokoa ve no izy?
2
Dia novaliany hoe: –Ianareo rahalahy sy ianareo ray aman-dreny, henoy aho. Ilay Andriamanitra be voninahitra dia niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezôpôtamia fa mbola tsy nifindra monina tany Haràna.
3
Ary hoy Andriamanitra taminy: «Ilaozy ny tanindrazanao sy ny havanao ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.»
4
Dia nandao ny tanin’ny Kaldeanina i Abrahama ka nifindra monina tany Haràna. Rehefa maty irainy, dia nafindran’Andriamanitra avy tany Haràna izy hanketo amin’ity tany izay onenanareo ankehitriny ity.
5
Tsy nisy faritra natolotr’Andriamanitra ho anjara lovan’i Abrahama teto na dia iray dia aza, saingy nampanantenain’Andriamanitra fa ity tany ity dia homeny azy ho fananany sy ho fananan’ny taranany handimby azy; ary mbola tsy nanan-janaka akory i Abrahama tamin’izany fotoana izany,
6
kanefa toy izao no tenin’Andriamanitra taminy: «Honina any an-tanin’olona ny taranakao mandritra ny efajato taona sady handevozina sy hampahorîna.
7
Hofaiziko anefa ny firenena hanandevo azy; aorian’izany no hialan’ny taranakao avy any ka hanompoany Ahy eto amin’ity toerana ity.»
8
Ary nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama Andriamanitra ka ny famorana no famantarana izany. Dia izany no namoran’i Abrahama an’i Itsehàka zanany rehefa niherina ny andro niterahany azy, sy namoran’i Itsehàka an’i Jakôba, ary namoran’i Jakôba an’ireo razambe 12 mirahalahy.
9
Nialona an’i Jôsefa ireo razambe rahalahiny ka nivarotra azy ary nahatonga azy ho andevo tany Ejipta. Kanefa nombàn’Andriamanitra i Jôsefa,
10
ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.
11
Tamin’izay dia nisy mosary nanerana an’i Ejipta sy i Kanahàna manontolo ka mafy ny fahoriana; ary tsy nahita hanin-kohanina ny razantsika.
12
Nony ren’i Jakôba fa nisy vary tany Ejipta, dia nirahiny hankany indray mandeha aloha ireo razantsika.
13
Raha nankany fanindroany ny razantsika, dia nanambara tena tamin’ireo rahalahiny i Jôsefa, ary fantatry ny Farao tamin’izay ny fianakaviana niavian’i Jôsefa.
14
Dia nampanalain’i Jôsefa i Jakôba rainy mbamin’ny ankohonany manontolo izay nisy olona 75 mianaka.
15
Nidina nankany Ejipta avokoa izy mianakavy; ary tany no maty i Jakôba sy ny razantsika.
16
Dia nafindra ho any Sekema ny taolam-balon’ireo, ka nalevina tao amin’ny fasana novidin’i Abrahama vola tamin’ny taranak’i Hemôra tany Sekema.
17
Rehefa nanakaiky ny fotoana hanatanterahan’Andriamanitra ny fampanantenana nataony tamin’i Abrahama, dia nitombo ny firenentsika tany Ejipta ka tonga nihamaro be.
18
Avy eo nisy mpanjaka hafa nijoro tany Ejipta, dia mpanjaka tsy mba nahalala an’i Jôsefa.
19
Fetsy ratsy tamin’ny firenentsika io mpanjaka io ary tsy nifaditrovana tamin’ny razantsika ka nanery azy ireo hanary ny zazalahy vao teraka mba tsy hahavelona azy ireny.
20
Tamin’izany fotoana izany no nahaterahan’i Mosesy, zazalahy mahatehotia teo imason’Andriamanitra. Notezaina telo volana tao an-tranon-drainy izy;
21
fa nony voatery nariana, dia nalain’ny zanakavavin’ny Farao ka nobeaziny toy ny zanany.
22
Notezaina tamin’ny fahaizana isan-karazany nananan’ny Ejiptianina i Mosesy, ka tonga nahery tamin’ny teniny sy ny asany.
23
Rehefa feno efapolo taona i Mosesy, dia tapa-kevitra ny hamangy an’ireo Israelita havany.
24
Nahita Israelita anankiray nihetraketrahan’ny Ejiptianina i Mosesy ka niaro ilay nampahorîna ary namono nahafaty ilay Ejiptianina mba hamaly faty an’ilay Israelita.
25
Noheverin’i Mosesy ho takatr’ireo Israelita havany fa izy no hampiasain’Andriamanitra ho famonjena azy; saingy tsy takany velively.
26
Ny ampitson’iny indray, dia Israelita roa lahy niady no zava-niseho tamin’i Mosesy. Tiany hampihavanina izy roa lahy ka nanariny hoe: «Ry izy roa lahy, mpirahalahy ianareo ka nahoana no mifamely toy izao?»
27
Fa natosik’ilay namely i Mosesy sady nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?
28
Moa tianao hovonoina koa ve aho tahaka ny namonoanao an’ilay Ejiptianina omaly?»
29
Vao nandre izany teny izany i Mosesy, dia vaky nandositra ka nifindra monina tany Midiàna, ary nanan-janaka roa lahy tany.
30
Efapolo taona taorian’izany, dia anjely tanaty lelafon-droimemy mirehitra no niseho tamin’i Mosesy, tany an-taniefitra misy ny tendrombohitra Sinay.
31
Gaga i Mosesy raha nisehoan’izany fahitana izany. Kanefa nony nanatona handinika akaiky kokoa izy, dia injao ny feon’ny Tompo nanao hoe:
32
«Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba!» Tora-kovitra i Mosesy ka tsy sahy nandinika.
33
Ary hoy ny Tompo taminy: «Esory ny kapanao, fa masina io tany ijoroanao io.
34
Efa hitako tokoa fa miferinaina ny vahoakako any Ejipta ary efa reko mitoloko lava ka tafidina hanafaka azy Aho. Ary ankehitriny, ndeha ianao hirahiko ho any Ejipta.»
35
Io ilay Mosesy nolavin’ny Israelita ka nataony hoe: «Iza no nanendry anao ho mpifehy sy ho mpitsara anay?», kanefa nirahin’Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nombàn’ny herin’ilay anjely niseho taminy tanatin’ny roimemy.
36
I Mosesy no nahavita zava-mahagaga amam-pamantarana tany Ejipta sy tany amin’ny Ranomasina Mena ary tany an-taniefitra nandritra ny efapolo taona, ka nahatafavoaka ny Israelita.
37
I Mosesy ihany koa no nilaza tamin’ny Israelita hoe: «Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron’Andriamanitra ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo!»
38
Rehefa vory ho fiangonana tany an-taniefitra ny vahoaka Israely, dia i Mosesy no teo anelanelan’ireo razantsika sy ilay anjely niteny taminy tany an-tendrombohitra Sinay; ka izy no nandray ny teny mahavelona avy amin’Andriamanitra mba homena antsika.
39
Tsy te hanoa an’i Mosesy anefa ny razantsika fa nanohitra azy ary naniry hiverina ilalana ho any Ejipta indray.
40
Ka hoy ny vahoaka Israely tamin’i Aharôna: «Anaovy andriamanitra hialoha lalana anay izahay, fa tsy fantatray izay nahazo an’iny Mosesy namoaka anay hiala tany Ejipta iny.»
41
Tamin’izay dia sampy mitarehin-janak’omby no namboarin’ny vahoaka Israely sy nanaterany sorona, ka ny asan’ny tanany ihany no niravoravoany.
42
Niambohoan’Andriamanitra kosa ny vahoakany ka navelany hivavaka amin’ny masoandro sy kintana amam-bolana, araka izay voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe: «Ry vahoaka Israely, nitondra sorona amam-panatitra ho Ahy ve ianareo, nandritra ny efapolo taona tany an-taniefitra?
43
Tsia, fa nolanjainareo kosa ny tranolain’ny sampy atao hoe Môlôka sy ny sarin’ilay andriamanitrareo mitarehin-kintana atao hoe Refàna, dia ireo endri-javatra vitan’ny tananareo mba hivavahana. Noho izany, dia hataoko lasan-ko babo any andafin’i Babilôna ianareo.»
44
Ny tranolay nitahirizana ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana kosa dia nananan’ny razantsika fony ireo tao an-taniefitra. Namboarina araka ny fepetra voalazan’Andriamanitra tamin’i Mosesy rahateo.
45
Dia mbola noraisin’ireo razantsika tafaraka tamin’i Josoa ilay tranolay ary nentiny niditra tao amin’ny tany fananan’ireo hafa firenena; fa noroahin’Andriamanitra teo anoloan’ny razantsika manko ireo hafa firenena. Tao hatrany ilay tranolay mandra-pahatongan’ny andro nanjakan’i Davida.
46
Nahazo tombon-tsoa tamin’Andriamanitra i Davida ary nangataka mba hanao trano fonenana ho an’ny Andriamanitr’i Jakôba.
47
Kanjo i Salômôna no nanorina trano ho Azy.
48
Ilay Andriamanitra Avo indrindra anefa dia tsy mitoetra amin-trano vitan’olombelona, araka ny tenin’ny mpaminany hoe:
49
«Ny lanitra no sezafiandrianako, hoy ny Tompo; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano manao ahoana no haorinareo ho Ahy, ary toerana inona no hitsaharako?
50
Angaha tsy asan’ny tanako izao rehetra izao?»
51
Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.
52
Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Novonoiny hatramin’ireo mpanambara ny hahatongavan’ilay Marina aza: ary ankehitriny dia ianareo mihitsy no nanjary mpamadika sy mpamono ilay Marina.
53
Nandray ny lalànan ’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely ianareo, kanefa tsy nitandrina azy.
54
Nony nandre izany teny izany ry zareo tao amin’ny Fitsarana ambony, dia nisafoaka mafy ary nihidy vazana tamin’i Stefàna.
55
Feno Fanahy Masina kosa i Stefàna ka nibanjina ny lanitra, nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa teo ankavanan’Andriamanitra,
56
ary niteny hoe: –Indro hitako izao ny lanitra misokatra sy ilay Zanak’olona mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.
57
Dia nihoraka ireo tao amin’ny Fitsarana ambony sady vao mainka nanentsin-tadîny. Ary indray niantoraka teny amin’i Stefàna izy rehetra,
58
ka nitarika azy tany ivelan’ny tanàna sy nitora-bato azy. Ary ny vavolombelona dia nametra-damba teo an-tongotr’izay tovolahy antsoina hoe Saoly izay.
59
Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe: –Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!
60
Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe: –Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28