bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 18
Acts 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 19 →
1
Taorian’izany, dia tafala tao Atena i Paoly ka tonga tany Kôrinto.
2
Hitany tao ity Jiosy atao hoe Akoilà izay teraka tany Pônto; vao tonga avy any Italia i Akoilà mbamin’i Prisila vadiny, satria nodidian’ny amperôra Klaody hiala tany Rôma daholo ny Jiosy. Nanatona azy mivady i Paoly;
3
ary satria mitovy asa tanana aminy rahateo i Paoly (fa samy mpanao lay izy ireo), dia nitoetra tao amin-dry i Akoilà sy i Prisila izy ary nifarimbona asa taminy.
4
Isaky ny andro sabata, dia nifanakalo hevitra tao amin’ny sinagôga i Paoly ary niezahany horesen-dahatra na ny Jiosy na ny Grika.
5
Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia.
6
Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe: –Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.
7
Dia niala teo i Paoly ka nankao amin’i Tisio Josta, mpanaja an’Andriamanitra, izay nanan-trano nifanolotra tamin’ny sinagôga.
8
Kanefa nino ny Tompo i Krispo, lehiben’ny sinagôga, mbamin’ny ankohonany manontolo; ary maro koa ny Kôrintianina nihaino an’i Paoly no tonga mpino ary natao batisa.
9
Indray alina dia nisehoam-pahitana i Paoly, ka nilazan’ny Tompo hoe: –Aza matahotra, fa mitenena hatrany ary aza mangina.
10
Fa momba anao Aho, ary tsy hisy olona afaka hihazona anao mba hampahorîna, satria vahoaka maro no voatokana ho Ahy amin’ity tanàna ity.
11
Nitoetra herintaona sy tapany tao Kôrinto i Paoly, ka nampianatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny olona.
12
Fony i Galiôna no governora tany Akaîa, dia niara-nioko namely an’i Paoly ny Jiosy ary nitondra azy teo amin’ny fitsarana
13
ka nanao hoe: –Mitaona ny olona hanaraka fivavahana mifanohitra amin’ny lalànan ’i Mosesy io lehilahy io!
14
Efa ndeha hiteny indrindra i Paoly no nilaza tamin’ny Jiosy i Galiôna hoe: –Ry Jiosy, raha momba ny hoe heloka bevava na zavatra ratsy natao, dia vonon-kihaino anareo aho.
15
Fa raha voambolana sy anarana ary lalànanareo manokana no iadianareo hevitra, dia raharahanareo; fa izaho tsy te hitsara an’izany.
16
Dia noroahin’i Galiôna hiala teo amin’ny fitsarana ny Jiosy.
17
Fa nosamborin’izy rehetra kosa i Sôstena, lehiben’ny sinagôga, ka nokapohiny teo anoloan’ny fitsarana. Nefa tsy nisy nahoan’i Galiôna izany.
18
Mbola tafajanona elaela tao Kôrinto i Paoly. Avy eo dia nanao veloma ny havana iray finoana izy ka niondrana nankany Siria, niarahan-dry i Prisila sy i Akoilà. Talohan’ny hiondrana, dia niharatra volon-doha tao Senkrea i Paoly, satria nisy voady nataony.
19
Ary tonga tao Efeso izy ireo; dia nandao azy mivady i Paoly ka nankany amin’ny sinagôga ary nifanakalo hevitra tamin’ny Jiosy.
20
Nangatahin-dry zareo izy mba hitoetra maharitraritra, kanefa tsy nety
21
fa nanao veloma azy sady niteny hoe: –Raha sitrapon’Andriamanitra, dia mbola hiverina atỳ aminareo aho. Ary dia niondrana an-tsambo niala tao Efeso i Paoly.
22
Nony tody tao Kesaria izy, dia niakatra tany Jerosalema mba hiarahaba ny Fiangonana; izay vao nidina nankany Antiôkia.
23
Rehefa avy nijanona kelikely tao izy, dia lasa indray nitety mifanesy ny faritany Galatia sy Frijia, ka nampahery ny mpianatra rehetra.
24
Tonga tao Efeso ity Jiosy atao hoe Apôlao, teraka tany Aleksandria, lehilahy mpandaha-teny mahay sady nahalala tsara dia tsara ny Soratra Masina.
25
Efa nianatra ny lalana nosoritan’ny Tompo izy ary nafana fo nanambara sy nampianatra mazava tsara momba an’i Jesoa, saingy ny batisan’i Jôhany no hany fantany.
26
Niteny tamim-pahasahiana tao amin’ny sinagôga i Apôlao; ary nony nandre azy i Prisila sy i Akoilà, dia naka azy ho any aminy ka nanazava marina kokoa taminy momba ny lalana nosoritan’Andriamanitra.
27
Avy eo dia nanam-paniriana ho any Akaîa i Apôlao; ka nampirisika azy ny havana iray finoana sady nanoratra taratasy ho an’ny mpianatra amin’io faritany io mba handraisany azy tsara. Nony tafapaka tany i Apôlao, dia nanampy tokoa ireo olona efa niasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ka tonga mpino;
28
teny feno hery tokoa no nandreseny lahatra ny Jiosy ampahibemaso ka nanaporofoany tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa i Jesoa no ilay Mesia.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28