bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 8
Acts 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
1
Ary i Saoly nankasitraka ny namonoana an’i Stefàna. Androtr’iny ihany dia nipoaka ny fanenjehana mahery vaika nihatra tamin’ny Fiangonana tao Jerosalema. Niely patrana eran’ny faritany Jodea sy Samaria ny mpino rehetra, afa-tsy ny apôstôly ihany.
2
Nisy kosa mpivavaka tsara nandevina an’i Stefàna sady nisaona azy fatratra.
3
Tamin’izay i Saoly dia nilofo handringana ny Fiangonana. Noteteziny nidirana ny isan-trano, nataony sinto-mahery navoaka ny mpino na lahy na vavy ka nalefany tany am-ponja.
4
Koa ireo naelin’ny fanenjehana dia nitety tany nitory ny Vaovao Mahafaly raketin’ny tenin’Andriamanitra.
5
Nidina tao an-tanàna Samaria i Filipo ka nanambara ny Mesia tamin’ny mponina tao.
6
Indray babo avokoa ny vahoaka tamin’izay nolazain’i Filipo, raha nandre laza sy nahita maso ny famantarana vitany.
7
Fa maro ny olona nandroahana fanahy maloto ary nikiakiaka ireny fanahy maloto ireny rehefa niala; maro koa ny malemy sy ny mandringa no sitrana.
8
Dia nisy hafaliana be tao amin’izany tanàna izany.
9
Nisy lehilahy atao hoe Simôna efa tao amin’izany tanàna izany rahateo. Mpanao majika izy ka nahatalanjona ny mponina eran’i Samaria sady nanao ny tenany ho zavatra.
10
Babony daholo ny olona, hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka vaky vava hoe: –Ity lehilahy ity no herin’Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe «hery lehibe».
11
Babon’i Simôna tokoa ny olona satria hatramin’ny ela no talanjona tamin’ny majîkany.
12
Saingy rehefa nino ny Vaovao Mahafaly notorîn’i Filipo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra sy momba an’i Jesoa Kristy izy ireo, dia niroso hatao batisa avokoa na lahy na vavy.
13
Ny tenan’i Simôna koa aza dia nino ka natao batisa; tsy nahasaraka an’i Filipo izy ary talanjona nahita ny famantarana sy ny asa lehibe mahagaga izay notontosaina.
14
Ren’ny apôstôly tany Jerosalema fa nandray ny tenin’Andriamanitra ny mponina tao Samaria, ka nirahiny hankany i Petera sy i Jôhany.
15
Rehefa tonga tany Samaria izy roa lahy, dia nivavaka ho an’ny mpino mba handraisany ny Fanahy Masina;
16
satria tsy mbola nisy nilatsahan’ny Fanahy Masina ireo mpino ireo na iray aza, fa vita batisa tamin’ny anaran’i Jesoa Tompo ihany.
17
Dia nametrahan’i Petera sy Jôhany tanana izy rehetra ka nandray ny Fanahy Masina.
18
Nony hitan’i Simôna fa ny fametrahan’ny apôstôly tanana no nanomezana ny Fanahy Masina tamin’ireo mpino, dia notolorany vola i Petera sy i Jôhany
19
sady nataony hoe: –Omeo ahy koa re izany fahefana izany, dia mba handray ny Fanahy Masina izay olona hametrahako tanana.
20
Fa hoy i Petera taminy: –Vereza miaraka amin’ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan’Andriamanitra.
21
Tsy misy anjaranao na lovanao amin’ity raharaha ity satria tsy mahitsy fo eo anatrehan’Andriamanitra ianao.
22
Koa ialao izao faharatsianao izao ary mangataha amin’ny Tompo mba hamelany izany fihevitry ny fonao izany, raha azo atao.
23
Hitako manko fa mbola feno fialonana mangidy sy voafatotry ny fahotana ianao.
24
Dia hoy i Simôna tamin’i Petera sy i Jôhany: –Ianareo mihitsy no mangataha ho ahy amin’ny Tompo, mba tsy hisy hihatra amiko akory izay voalazanareo.
25
Rehefa avy nanao fijoroana vavolombelona sy nitory ny tenin’ny Tompo ry i Petera sy i Jôhany, dia nitodi-doha ho any Jerosalema, ka nanambara ny Vaovao Mahafaly teny amin’ny tanàna kely maro eran’i Samaria.
26
Nisy anjelin ’ny Tompo nanao tamin’i Filipo hoe: –Ndeha ianao mianatsimo ka mizora ny lalana midina avy eto Jerosalema mankany Gaza, dia ny lalana mamakivaky taniefitra.
27
Dia nandeha avy hatrany i Filipo. Ary indro nisy lehilahy etiôpianina: izy io dia manamboninahitra tandapan’ny Kandasy (mpanjakavavin’i Etiôpia) sady mpitandrina ny fananany rehetra; nivahiny tany Jerosalema ralehilahy mba hivavaka,
28
ary efa mby an-dalana hody tamin’izay. Nipetraka tao amin’ny kalesiny izy ary namaky ny bokin’i Isaià mpaminany.
29
Dia hoy ny Fanahy Masina tamin’i Filipo: –Mandrosoa ka hatòny io kalesy io.
30
Nilomay nanatona i Filipo ka nandre ilay Etiôpianina namaky ny bokin’i Isaià mpaminany, ary nanontany azy hoe: –Azonao ve ny teny vakînao?
31
Dia novalian-dralehilahy hoe: –Ahoana moa no ho azoko, raha tsy mba misy manazava? Niangavian’ilay tandapa i Filipo mba hitaingina ny kalesiny ary hipetraka eo anilany.
32
Izao kosa no andalan’ny Soratra Masina vinakin’ilay tandapa: «Toy ny ondry nentina hovonoina Izy, ary toy ny zanak’ondry moana manoloana ny mpanety azy: tsy niloa-bava akory!
33
Natao tsinontsinona Izy ary tsy nahazo rariny. Ary iza moa no hanan-kotantaraina ny amin’izay taranany? Satria fongotra teto an-tany ny fiainany.»
34
Ka hoy ilay tandapa tamin’i Filipo: –Azafady, tompoko, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany sa olon-kafa?
35
Dia niteny i Filipo ary niainga avy amin’ireo andalan-tSoratra Masina ireo no nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa.
36
Nizotra ny dian’izy roa lahy, ary mby teo amin’ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa: –Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa? [
37
Dia novalian’i Filipo hoe: –Raha amin’ny fonao manontolo no inoanao, dia azo atao batisa ianao. Ary hoy ilay tandapa: –Mino aho fa i Jesoa Kristy no ilay Zanak’Andriamanitra.]
38
Nasain’ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niara-nidina nankeo anaty rano izy mbamin’i Filipo, ary nataon’i Filipo batisa izy.
39
Nony tafakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin’ny Fanahin’ny Tompo niala teo i Filipo. Tsy nahita azy intsony ilay tandapa, nefa nanohy ny diany tamin-kafaliana.
40
Hay tody tao Azôta i Filipo ary nitory ny Vaovao Mahafaly tamin’ny tanàna rehetra nolalovany mandra-pahatongany tany Kesaria.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28