bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 11
Acts 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
1
Ren’ny apôstôly sy ny havana iray finoana tany Jodea fa efa nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny hafa firenena.
2
Ka nony tafaverina tany Jerosalema i Petera, dia nifandiran’ireo mpino jiosy
3
nataony hoe: –Dia olona tsy voafora ve no niantranoanao sy niarahanao nisakafo?
4
Fa notantarain’i Petera tamin’ny antsipiriany hatrany am-boalohany izay nitranga, ka hoy izy tamin’ireo mpino jiosy:
5
–Tao an-tanànan’i Jôpa aho, ary sendra nivavaka indrindra no nisehoam-pahitana mahavariana. Nisy zavatra nidina avy any an-danitra: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka avy any ary tonga teo akaikiko.
6
Nijery tsara sy nandinika ny tao anatiny aho, ka nahita ny biby mandeha tongotra efatra, ny bibidia, ny biby mikisaka amin’ny tany ary ny voro-manidina.
7
Dia nisy feo henoko nanao tamiko hoe: «Mitsangàna, ry Petera; mamonoa ka mihinàna!»
8
Ary novaliako hoe: «Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nisy mihitsy zavatra fady na maloto niditra ny vavako.»
9
Dia mbola heno indray ilay feo avy any an-danitra nanao hoe: «Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.»
10
Intelo niverina izany, dia nakarina manontolo tany an-danitra indray ilay zavatra.
11
Tamin’izany fotoana izany indrindra dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao amin’ilay trano nitoerako: iraka avy any Kesaria hankatỳ amiko.
12
Dia nitenenan’ny Fanahy Masina aho mba tsy hisalasala ny hiaraka aminy. Tafaraka tamiko tany koa ireto havana mpino enina nentiko eto aminareo ireto, ary niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
13
Dia notantarain’i Kôrnely ny fomba nahitany tao an-trano anjely anankiray izay nanao taminy hoe: «Maniraha lehilahy any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera.
14
Hitondra teny hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra izy.»
15
Vao nanomboka niteny aho, dia efa nilatsaka tamin’izy rehetra ny Fanahy Masina tahaka ny nilatsahany tamintsika tany am-boalohany koa.
16
Tsaroako tamin’izay ilay tenin’ny Tompo hoe: «I Jôhany dia nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.»
17
Notoloran’Andriamanitra ny fanomezany isika rehefa nino an’i Jesoa Kristy Tompo; koa raha notoloran’Andriamanitra fanomezana mitovy amin’ny antsika ireo hafa firenena, dia iza moa aho no ho afa-manohitra an’Andriamanitra?
18
Nony nandre izany ireo mpino jiosy, dia nitony ary nanome voninahitra an’Andriamanitra ka nanao hoe: –Marina fa nomen’Andriamanitra ny hafa firenena ihany koa ny hiala amin’ny toe-dratsy mba hahazoany fiainana.
19
Niely patrana ny mpino noho ilay fanenjehana nitranga taorian’ny namonoana an’i Stefàna. Ny sasany dia tonga hatrany Fenisia sy hatrany Sipra ary hatrany Antiôkia, nefa tsy nitory ny tenin’Andriamanitra afa-tsy tamin’ny Jiosy ihany.
20
Nisy ihany mpino sasantsasany avy any Sipra sy avy any Sirena izay tonga tany Antiôkia ka niteny tamin’ireo Grika koa, ary nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa Tompo.
21
Nombàn’ny herin’ny Tompo izy rehetra ka marobe ny olona nino sy nitodika tamin’ny Tompo.
22
Nandre ny lazan’izany ny Fiangonana tany Jerosalema, ka naniraka an’i Barnabà hankany Antiôkia.
23
Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.
24
Lehilahy tsara fanahy i Barnabà, sady feno Fanahy Masina sy vontom-pinoana, ka vahoaka maro no niandany tamin’ny Tompo.
25
Ary lasa i Barnabà naka an’i Saoly tany Tarsa.
26
Rehefa hitany izy, dia nentiny nankany Antiôkia. Nandany herintaona ngarangidina tao amin’io Fiangonana io izy roa lahy ary nampianatra vahoaka maro. Tao Antiôkia no voalohany niantsoana ny mpianatra hoe kristianina.
27
Tamin’izany andro izany, dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiôkia.
28
Isan’ireo i Hagabo izay notsilovin’ny Fanahy Masina ka nijoro nilaza fa hisy mosary be eran’ny tany tontolo. (Dia nitranga tokoa izany tamin’ny andron’i Klaody amperôra).
29
Nanapa-kevitra ny mpianatra tao Antiôkia fa samy hanome araka izay nanambinana azy avy mba halefa hanampiana ireo havana iray finoana nonina tany Jodea.
30
Dia nataony izany ka nampitondrainy an’i Barnabà mbamin’i Saoly ho any amin’ny loholom -piangonana tany Jodea.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28