bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 28
Acts 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
1
Voavonjy teo àry izahay vao nahalala fa hay i Malta no iantsoana ilay nosy.
2
Be ny soa nataon’ny tompontany anay: noraisiny tsara izahay rehetra, ka namelomany afo nidonaka be hamindroanay, satria nilatsaka ny ranonorana ary namirifiry ny hatsiaka.
3
Nahatsimpon-kitay iray trotroana i Paoly ary natohony teo amin’ny afo; kanjo nisy menarana nivoaka tampoka avy ao, azon’ny hafanana, ka niantsampy niraikitra tamin’ny tanany.
4
Nony hitan’ny tompontany kosa ny bibilava niraviravy teny amin’ny tanan’i Paoly, dia nifampiresaka ry zareo hoe: –Tena mpamono olona raha io lehilahy io; anarany foana no voavonjy tamin’ny ranomasina izy, saingy tsy navelan’ny fitsaran’Andriamanitra ho velona.
5
Fa nakifik’i Paoly tao amin’ny afo ilay biby, ary ny tenan’i Paoly dia tsy naninona tsy naninona.
6
Nampoizin’ny olona hivonto na hikarapoka ho faty tampoka izy. Niandry ela ihany ry zareo ka nony nahita azy tsy naninon-tsy naninona, dia niova hevitra tanteraka, ka namerimberina hoe: «Isan’ireo andriamanitra io!»
7
Teo akaikin’ilay toerana, dia nisy sahan’ilay natao hoe Pòbly, lehiben’io nosy io. Nandray anay tamim-pitiavana tokoa izy ka nampiantrano anay mandritra ny telo andro.
8
Nandamaka teo am-pandriana ny rain’i Pòbly fa sady voan’ny tazo no nivalan-dra. Nitsidika azy i Paoly, dia nivavaka sy nametra-tanana taminy, ka nahasitrana azy.
9
Nony vita izany, dia nanatona koa ny marary sasany teo amin’ny nosy ka sitrana.
10
Tsy tambo ny fanomezana natolotry ny tompontany ho anay; ary nony niondrana indray izahay, dia novatsîny izay zavatra ilainay.
11
Nony afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ilay sambo anankiray nijanona tao amin’izany nosy izany nandritra ny ririnina. Sambo avy any Aleksandria izy io ary nantsoina hoe «Diôskory ».
12
Tody tao Sirakoza izahay ary nitoetra telo andro tao.
13
Avy eo izahay, dia nanara-morona ka tafapaka hatrany Reziôma. Nifofofofo ny rivotra avy any atsimo ny ampitson’iny, ka dia tratranay indroa andro ny seranan’i Potioly.
14
Tao amin’io tanàna io dia nahitanay havana iray finoana izay niangavy anay hitoetra ao aminy mandritra ny fito andro. Dia toy izany no nandrosoanay nankany Rôma.
15
Efa nahazo vaovao momba anay ny havana iray finoana tao Rôma, ka tamy nitsena anay hatreny an-Tsenan’i Apio sy hatreny Antranotelombahiny. Nony nahita azy rehetra i Paoly, dia velom-pisaorana an’Andriamanitra sady nahazo toky.
16
Rehefa tonga tao Rôma izahay, dia nahazo lalana hitoetra mitokana i Paoly, saingy miaraka amina miaramila anankiray miambina azy.
17
Nony afaka telo andro, dia nampiantsoin’i Paoly ny Jiosy lohandohany tao Rôma. Rehefa tafangona izy rehetra, dia hoy i Paoly taminy: –Ry rahalahy, tsy nisy ratsy nataoko ny firenentsika, na fandikàko ny fomban-drazantsika. Kanefa dia nosamborina aho tany Jerosalema ary natolotra teo an-tanan’ny Rômanina.
18
Namotopototra ahy ny Rômanina ka saika nandefa ahy, satria tsy nahita antony hanamelohana ahy ho faty.
19
Notoherin’ny Jiosy izany, ka dia voatery aho nampakatra ny raharaha tamin’ny amperôra rômanina, kanefa tsy misy amiko mihitsy izay hoe hiampanga ny fireneko.
20
Izany àry no nangatahako hahita anareo sy hiresaka aminareo, satria mifatotra amin’ity gadra ity aho noho ny amin’Ilay antenain’ny vahoaka Israely.
21
Dia hoy ry zareo taminy: –Tsy nisy taratasy momba anao, azonay avy any Jodea; ary tsy nisy koa rahalahy avy any mba nandrenesana ny aminao na niteny ratsy anao.
22
Fa sitrakay ny handre izay fiheveranao, satria fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza izany antokom-pivavahana misy anao izany.
23
Dia nanao fotoana tamin’i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin’ny andro voatendry, tao amin’ny trano nitoerany. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesoa, tamin’ny teny notsoahany avy amin’ny lalànan ’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany.
24
Ny sasany dia resy lahatry ny teny nataony, fa ny sasany kosa tsy nety nino.
25
Tsy nifanara-tsaina ry zareo ka dia nirava taorian’ny teny indraim-bava nataon’i Paoly hoe: –Rariny izay nampilazain’ny Fanahy Masina an’i Isaià mpaminany tamin’ny razanareo
26
hoe: «Mandehana ka izao lazaina amin’ity vahoaka ity: Hihaino dia hihaino ianareo fa tsy hahafantatra ary hijery dia hijery fa tsy hahita,
27
satria nihamafy fo ity vahoaka ity, nihadonto sofina, ary nanakimpy maso; fandrao ny masony hahita, ny sofiny handre, ary ny fony hahafantatra, ka hiverina amiko sy hositraniko ity vahoaka ity, hoy ny Tompo Andriamanitra!»
28
Dia nofaranan’i Paoly: –Aoka ho fantatrareo fa izany tenim-pamonjena avy amin’Andriamanitra izany dia efa nampitondraina ho any amin’ny hafa firenena ka izy ireo dia hihaino. [
29
Nony voalazan’i Paoly izany teny izany, dia lasa ny Jiosy ka niady hevitra fatratra.]
30
Nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofàny i Paoly, ka nandray izay rehetra tonga hihaona aminy.
31
Nitory ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary nampianatra momba an’i Jesoa Kristy Tompo tamim-pahasahiana tokoa sady tsy nisy fisakantsakanana.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28