bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 21
Acts 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 22 →
1
Nataonay veloma ireto loholona, ary dia niondrana izahay ka nanitsy nivantana tany Kôsy; tonga tany Rôdo izahay ny ampitson’iny ary niala tao indray nankany Patara.
2
Teo izahay no nahita sambo hiampita ho any Fenisia, ka dia niondrana tamin’io ary lasa nandeha.
3
Nahatsinjo an’i Sipra izahay ary dia nizotra tamin’iny atsimon’ny nosy iny hankany Siria. Nitody tao Tiro izahay fa tao no nametrahan’ny sambo ny entana notateriny.
4
Nahita mpianatra tao izahay ka nijanona herinandro teo aminy. Nohazavain’ny Fanahy Masina ireo mpianatra ireo ka nandrara an’i Paoly tsy hiakatra any Jerosalema.
5
Nony lany anefa izany herinandro izany, dia lasa nanohy ny dia izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombàm-bady aman-janaka; dia niara-nandohalika teo amin’ny torapasika izahay ka nivavaka.
6
Nony vita ny fifanaovam-beloma, dia niondrana izahay; fa ry zareo kosa nandeha nody.
7
Tapitra hatreo ny dianay an-tsambo, fony izahay niala tao Tiro ka tody tany Ptôlemaîda. Dia niarahaba ny havana iray finoana tao Ptôlemaîda izahay ka nijanona indray andro teo aminy.
8
Niainga indray izahay ny ampitso ka tonga tany Kesaria; ary dia nandroso tao an-tranon’i Filipo mpitory Vaovao Mahafaly, ka nitoetra teo aminy. I Filipo dia anankiray tamin’ireo fito lahy voafidy tany Jerosalema,
9
ary nanan-janaka efatra mirahavavy, samy mbola mpitovy, izay nanana fanomezam-pahasoavana nilaza hafatra avy amin’Andriamanitra.
10
Efa nitoetra tao andro maro izahay no nidina avy tany Jodea ny mpaminany anankiray, atao hoe Hagabo.
11
Rehefa tonga teo aminay i Hagabo, dia noraisiny ny fehikibon’i Paoly, ka nifatorany tongotra aman-tanana sady hoy izy hoe: –Izao no lazain’ny Fanahy Masina: Ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, dia hafatotry ny Jiosy toy izao rehefa mby any Jerosalema ary hatolony eo an-tanan’ny hafa firenena.
12
Nony nandre izany teny izany izahay sy ny havana iray finoana tao Kesaria, dia niangavy an’i Paoly tsy hiakatra any Jerosalema.
13
Kanefa dia novaliany hoe: –Nahoana no mitomany ianareo, ka mitady hanakivy ahy. Izaho dia tsy vonon-kifatotra ihany, fa vonon-ko faty koa any Jerosalema mba ho voninahitr’i Jesoa Tompo.
14
Tsy naharesy lahatra azy izahay fa niala maina ka nilaza hoe: –Hatao anie izay sitraky ny Tompo!
15
Nony afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra hankany Jerosalema.
16
Nisy mpianatra sasany avy ao Kesaria niara-dia taminay ary nitondra anay tao amin’ilay olona tokony hiantranoanay, dia i Menasôna avy any Sipra, izay efa mpino hatry ny ela.
17
Nony tonga tao Jerosalema izahay, dia faly nandray anay ny havana iray finoana.
18
Ny ampitso ihany dia niaraka tamin’i Paoly izahay nitsidika an’i Jakôba ary tafavory tao avokoa ny loholom-piangonana.
19
Niarahaba azy rehetra i Paoly ary nitanisa ny asa vitan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanompoany teo anivon’ny hafa firenena.
20
Nony avy nandre izany izy rehetra, dia nanome voninahitra an’Andriamanitra ary nanao tamin’i Paoly hoe: –Ry rahalahy, hitanao izao fa an’aliny maro ny Jiosy tonga mpino, kanefa samy fatra-pitandro ny lalàna izy rehetra.
21
Ren-dry zareo fa ianao, hono, dia mampianatra ny Jiosy any am-pielezana hihataka amin’ny lalànan ’i Mosesy ary mandrara azy ireo tsy hamora ny zanany na hanaraka ny fomban-drazana.
22
Ka inona àry no hatao? Tsy maintsy ho henon-dry zareo fa tonga eto ianao.
23
Koa ataovy izao lazainay aminao izao. Misy olona efa-dahy raiki- boady eto aminay.
24
Aoka ianao hitondra azy efa-dahy ka hiaraka aminy manatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Aloavinao mihitsy aza ny vola mety holanîny hanaratana ny lohany. Dia ho fantatry ny olona rehetra amin’izay fa endrikendrika ranofotsiny izay voalaza ny aminao, satria ianao koa aza dia manaraka sady mitandrina ny lalànan’i Mosesy.
25
Fa ny hafa firenena izay tonga mpino dia efa nanoratanay ny fanapahan-kevitray: tsy hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy; hifady ny ra; tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary tsy hanao fifandraisana mamoafady ara- panambadiana.
26
Ny ampitson’iny, dia nitondra azy efa-dahy i Paoly ary niaraka taminy nanatanteraka ny fombam-pivavahana fidiovana. Avy eo dia nankao an- kianjan’ny tempoly i Paoly ka nanambara ny hahataperan’ny andro fidiovana mba hahazoana manolotra ny fanatitra tandrify azy dimy lahy tsirairay avy.
27
Hitan’ny Jiosy avy amin’ny faritany Azia tao an-kianjan’ny tempoly i Paoly nony efa ho tapitra ny herinandro fidiovana. Nampikotaba ny vahoaka manontolo ireo Jiosy ireo; ka sady nisambotra an’i Paoly
28
no niantsoantso hoe: –Ry vahoaka israelita, avia fa intỳ eto ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny firenen’i Israely sy ny lalànan ’i Mosesy mbamin’ity tempoly ity. Nampidirany hafa firenena aza ny tempoly ka nataony very hasina ity toeramasina ity.
29
(Niteny izany ry zareo satria hitany tafaraka tamin’i Paoly tao an-tanàna i Trôfimo izay avy any Efeso; ka noheveriny fa efa notarihin’i Paoly niditra tao an-tempoly).
30
Nisavorovoro ny tanàna manontolo, ka indray nirohotra ny olona. Dia nobedain-dry zareo i Paoly ka notaritaritiny ho any ivelan’ny tempoly, ary nohidiny teo no ho eo ihany ireo vavahadin’ny tempoly.
31
Efa ndeha hovonoina i Paoly no nisy nampiaka-teny tany amin’ny komandin’ny andian-tafika rômanina, nampandre fa mihotakotaka i Jerosalema iray vohitra.
32
Niaraka tamin’izay dia naka miaramila sy kapiteny ity komandy ka nihazakazaka nankany amin’ireo vahoaka. Nahita ny komandy sy ny miaramila ry zareo vao nijanona tsy nikapoka an’i Paoly intsony.
33
Dia nanatona an’i Paoly ny komandy ka nampisambotra azy ary nanome baiko hamatorana azy amin’ny gadra vy anankiroa, sady nanontany hoe: –Iza moa io? Ary inona no nataony?
34
Zavatra samy hafa anefa no nantsoantsoin’ny vahoaka. Tsy nahalala izay tena marina ny komandy noho izany fifanjevoana izany, ka dia nanome baiko hitondrana an’i Paoly any amin’ny toby.
35
Nony mby teo amin’ny tohatoha-bato, dia nobetain’ny miaramila i Paoly satria nahery setra ny vahoaka,
36
fa olona marobe no nanaraka sady nihoraka hoe: –Vonoy izy e!
37
Nony efa hampidirina tao an-toby i Paoly, dia niteny tamin’ny komandy hoe: –Azoko atao ve ny mba milaza zavatra aminao? Dia nanontany azy ilay komandy hoe: –Mahay teny grika ve ianao?
38
Tsy ianao izany ilay Ejiptianina nampikomy vahoaka farany teo, ka nitarika mpampihorohoro efatra arivo lahy tany an-taniefitra?
39
Fa novalian’i Paoly hoe: –Izaho dia Jiosy, teraka tany Tarsa any Silisia, mba isan’ny mponina ao amin’ny tanàna anankiray fanta-daza ihany. Azafady, mba avelao hiteny amin’ny vahoaka aho.
40
Dia navelan’ny komandy hiteny izy. Ary nitsangana teo amin’ny tohatoha-bato i Paoly ka nanofahofa tanana hampangina ny vahoaka. Rehefa nangina tsara izy rehetra dia nitenenan’i Paoly tamin’ny teny aramianina hoe:
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28