bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 27
Acts 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 28 →
1
Nony tapaka fa handeha an-tsambo hankany Italia izahay, dia natolotra an’i Joly, kapiteny avy amin’ny andian-tafika atao hoe «Andian-tafiky ny amperôra», i Paoly sy ny mpifatotra sasany hafa.
2
Ny niondrananay dia sambo anankiray avy any Adramita ndeha hitety ireo seranana tamin’ny faritany Azia, ka dia niainga izahay. Tafara-dia taminay i Aristarka, Masedônianina avy any Tesalônika.
3
Tonga tany Sidôna izahay ny ampitson’iny. Tsara ny nitondran’i Joly an’i Paoly fa navelany hankany amin’ny sakaizany handray izay zavatra ilainy.
4
Avy eo dia lasa indray izahay ka nanara-morona ny nosy Sipra, tamin’ny ilany atsimo izay takon-drivotra, satria nanoha rivotra.
5
Namakivaky ny ranomasina tsy lavitra an’i Silisia sy i Pamfilia izahay ka tonga tao Mira any Lisia.
6
Tao dia nahita sambo avy any Aleksandria hankany Italia ny kapiteny, ka nafindrany niondrana tamin’io izahay.
7
Nandritra ny andro maromaro, dia nihisatra ny fandehan’ny sambonay ka efa nananosarotra erỳ vao tonga tandrifin’ny tanànan’i Kinido. Tsy navelan’ny rivotra handroso hizotra hatrany intsony anefa izahay, ka nihazo ny tanjona Salmôna, ary dia nanara-morona ny nosy Kreta tamin’ny ilany atsimo izay takon-drivotra.
8
Nihisatra tokoa ny dia nefa tonga ihany tamin’ny toerana anankiray atao hoe Antseranantsoa, akaikin’ny tanànan’i Lasea.
9
Nandany fotoana be tao izahay, ka hanjary hampidi-doza ny dia raha mbola hiroso ihany, satria efa lasa koa ny andro fankalazana ny Famelàn-keloka. Izany no nanoroan’i Paoly hevitra amin’ireo mpiantsambo hoe:
10
–Hitako, ry sakaiza, fa hampidi-doza ity diantsika ity: tsy ny sambo sy ny entana ihany no hisy fahasimbana sy fatiantoka be, fa ny aintsika koa mety hanaraka.
11
Kanefa moa dia naleon’ilay kapiteny nihaino ny hevitry ny mpitondra sambo mbamin’ny tompon-tsambo toy izay ny tenin’i Paoly.
12
Tsy tsara hitoerana amin’ny ririnina rahateo koa ny seranan’i Lasea ka tapa-kevitra ny maro fa mety ny miala teo, sao mba hahatratra an’i Feniksa hijanonana mandritra ny ririnina. I Feniksa dia seranana any Kreta izay manatrika mianatsimo andrefana sy mianavaratra andrefana.
13
Nitsoka malefaka ny rivotra avy any atsimo, ka noheverin’izy rehetra fa ho azony tanterahina izay nokasainy. Dia niainga ry zareo ka nizotra nanara-morona an’i Kreta.
14
Vetivety foana taorian’izay anefa, dia nifofofofo mafy nidina avy eny amin’ny tendrombohitry ny nosy ny rivo-mahery atao hoe Eorakilôna, avy any avaratra atsinanana.
15
Voapaokan’ny rivotra ny sambo ka tsy voatana hanoha rivotra intsony, fa dia izay nitondrany anay nitondrany anay.
16
Nihazo atsimon’ny nosy kely atao hoe Kaoda izahay ka mba takontakon-drivotra. Tafakatra ihany ny salopy na dia nanoin-tsarotra mafy aza.
17
Avy nahatafakatra izany ireo matilò, dia namatotra ny sambo tamin’ny mahazaka hanamafisana azy. Natahotra ny hiantefa eny amin’ny fasika mandrevo manamorona an’i Libia ry zareo, ka nampidina ny lay ary dia namela ny sambo handeha ho azy.
18
Mbola nasian’ny rivotra mafy ihany izahay; ka ny ampitson’iny, dia narian’ny matilò tany an-dranomasina ny entana;
19
ary ny afakampitso indray, dia ny tanan-dry zareo mihitsy no nanipy ny fitaovan’ny sambo tany ivelany.
20
Mandritra ny andro maro, dia tsy masoandro tsy kintana mba hita; ary ny tafio-drivotra moa namely mafy hatrany, ka very fanantenana tanteraka izahay raha ny hoe ho voavonjy.
21
Efa ela tsy nihinan-kanina ireo olona tao an-tsambo. Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra i Paoly ka nanao taminy hoe: –Inay anie ianareo, ry sakaiza, mba nihaino ahy ihany ka tsy niala tao Kreta, dia tsy ho niharan’izao fahasimbana sy fatiantoka izao isika.
22
Kanefa izao no hevitra atoroko anareo: mahereza tsara, fa tsy misy ho faty tsy akory ianareo, fa ny sambo no hany ho very.
23
Halina manko dia nisy anjeli n’ilay Andriamanitra Tompoko sady ivavahako tonga tamiko
24
ary nanao hoe: «Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy hanatrika ny amperôra rômanina ianao. Ary Andriamanitra, noho ny fitiavany anao, dia hamonjy ny ain’ireto olona rehetra miray sambo aminao.»
25
Koa noho izany, mahereza tsara, ry sakaiza, fa itokiako Andriamanitra; tsy ho raraka an-tany izay voalazany tamiko.
26
Nefa tsy maintsy ho fefika ihany eo amin’ny nosy anankiray isika.
27
Ny alina faha-14, dia mbola navezivezin’ny rivotra tamin’ny ranomasina Mediteranea izahay. Nony tamin’ny sasakalina, dia nataon’ny matilò fa nanakaiky tany izahay.
28
Nanaka-drano tamin’ny tady lava ifatorana fonjam-by ry zareo ka nahita fa 37 metatra ny halalin’ny rano; ary nony nandrosoroso kokoa, dia nanaka-drano indray ny matilò, ka nahita fa 28 metatra ny halalin’ny rano.
29
Natahotra ry zareo fandrao midona amin’ny harambato ny sambonay, ka dia nandatsaka ny vatofantsika efatra teo am-bodisambo sady nirary mafy ny haharaina ny andro.
30
Nitady handositra hiala teo amin’ny sambo ny matilò ka efa nampidina ny salopy ho eo amin’ny ranomasina, mody hoe handatsaka vatofantsika ao an-dohasambo.
31
Kanefa hoy i Paoly tamin’ilay kapiteny rômanina sy ireo miaramila hoe: –Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo olona ireo, dia tsy ho voavonjy ianareo.
32
Tamin’izay dia notapahin’ny miaramila ny mahazaka nitana ny salopy ka navelany handeha fotsiny any ilay salopy.
33
Rehefa hadiva haraina ny andro, dia niangavian’i Paoly izy rehetra mba hihinan-kanina ka nataony hoe: –Faha-14 andro niandrasanareo anio ary niaritra hanoanana tsy nihinan-kanina mihitsy ianareo.
34
Koa miangavy anareo aho hihinan-kanina, fa isan’ny hamonjena anareo izany. Tsy ho very na dia singam-bolo ao an-dohany aza aminareo.
35
Nony avy nilaza izany teny izany i Paoly, dia nandray mofo sy nisaotra an’Andriamanitra ary nanapaka ny mofo teo anatrehan’izy rehetra ka nihinana.
36
Dia nahazo toky indray izy rehetra ka nihinana.
37
Niisa 276 izahay rehetra tao an-tsambo.
38
Ary nony samy voky izy rehetra, dia navarina tany an-dranomasina avokoa ny vary mba hahamaivana ny sambo.
39
Ary nony nazava ratsy ny andro, dia tsy fantatry ny matilò izay tany teo; fa helodrano iray misy torapasika no hitany ka dia nokasainy hampiantsonina teo ny sambo raha azo atao.
40
Nesorin’ireo matilò avokoa ny vatofantsika ary nalefany ho any an-dranomasina; novahany koa ny mahazakan’ny fanamoriana ary novelariny ny lay anoloana ho azon’ny rivotra. Dia nizotra nanatona ny torapasika ry zareo,
41
kanjo mby teo amin’ny andilantany anankiray, ka dia niantsona teo ny sambo. Revo tao amin’ny fasika ny lohasambo ka nihizina teo, tsy nahahetsika; ary ny vodisambo kosa dia vaky azon’ny herin’ny onja.
42
Saika hamono ny mpifatotra ireto miaramila fandrao hisy handositra hilomano.
43
Kanefa te hamonjy an’i Paoly ilay kapiteny rômanina ka nisakana ny miaramila mba tsy hanao izany. Nomeny baiko izay miaramila mahery milomano hirotsaka anaty rano voalohany hankeny an-tanety;
44
dia nanaraka ny sisa, samy nanao izay hahafaka azy na amina hazo fisaka na amin-javatra hafa teo amin’ny sambo. Ka dia toy izany no nahatafita ny olona rehetra soa aman-tsara teny an-tanety.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28