bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 24
Acts 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 25 →
1
Dimy andro taorian’izay, dia tonga tao Kesaria i Hananià mpisorombe, tafaraka tamin’ny loholona sasantsasany sy tamin’ny mpisolovava atao hoe Tertòly. Tonga teo amin’i Feliksa governora izy rehetra mba hametraka fitarainana manohitra an’i Paoly.
2
Nantsoina i Paoly ary dia nampangain’i Tertòly toy izao: –Andriamatoa governora hajaina, ianao no isian’izao fandriampahalemana tonga lafatra iadananay izao, ary ny fitondranao feno fahendrena no mahatonga ireo fivoarana mahasoa ity firenena ity.
3
Koa noho ireo soa raisinay lalandava ary hatraiza hatraiza, dia mankasitraka anao tokoa izahay.
4
Tsy te hitana anao maharitra anefa aho fa niangavy ny hamoram-ponao mba hihaino anay vetivety.
5
Tsikaritray fa mampidi-doza mihitsy io lehilahy io: mpampikorontana ny Jiosy any am-pielezana izy sady mitarika ny antoko Nazareanina.
6
Ny tempoly avy aza no sahiny vetavetaina, ka dia nosamborinay izy. [Satrinay ny hitsara azy araka ny lalànanay,
7
kanefa tonga i Lisia komandy nanao an-keriny mafy naka azy teo am-pelatananay.
8
Ary dia nasain’i Lisia mankatỳ aminao ny mpiampanga azy.] Rehefa manao famotorana io lehilahy io ianao, dia hahita fa marina avokoa ny zavatra iampanganay azy.
9
Nohamafisin’ny manampahefana jiosy ny fiampangana ka nolazainy fa tena izany no izy.
10
Notondroin’ny governora hiteny i Paoly ka namaly hoe: –Fantatro fa efa mpitsara hatramin’ny taona maro eto amin’ity firenena ity ianao ka amim-pitokiana no andaharako ny fiarovako tena.
11
Azonao itadiavana porofo fa tsy mbola mihoatra ny 12 andro no nahatongavako tany Jerosalema mba hivavaka amin’Andriamanitra.
12
Tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona tao an- kianjan’ny tempoly na koa nampitabataba vahoaka tao amin’ny sinagôga na tany an-toeran-kafa tao an-tanàna.
13
Ary tsy afaka hanome porofo anao amin’izay iampangany ahy ry zareo.
14
Ekeko eto anatrehanao kosa fa manompo ny Andriamanitry ny razanay aho amin’ny anarahako ny lalana nosoritan’Andriamanitra, izay lazain’ireo hoe diso. Izaho anefa dia mino izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna sy ny mpaminany.
15
Matoky an’Andriamanitra aho ary manantena, tahaka ny nanantenan-dry zareo koa, fa samy hitsangana ho velona, na ny olo-marina na ny olo-meloka.
16
Noho izany, dia miezaka lalandava aho mba tsy homelohin’ny fieritreretako eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.
17
Taona maro no tsy naha tao Jerosalema ahy vao tafaverina indray aho nitondra vola ho fanampiana ny fireneko ary hanolotra fanatitra amin’Andriamanitra.
18
Izany indrindra no nataoko tamin’ny nahitan-dry zareo ahy tao an-kianjan’ny tempoly: nanao ny fombam-pihavanana fidiovana aho, ka tsy nisy vahoaka vory na tabataba niseho.
19
Fa Jiosy sasantsasany avy tamin’ny faritany Azia no tao, ka izy ireo no tokony hanatrika anao etoana hiampanga ahy raha manana alahelo amiko.
20
Na aoka ireto olona ireto hilaza raha misy fahadisoana heveriny fa mahameloka ahy tamin’ilay nijoroako niatrika ny Fitsarana ambony,
21
afa-tsy ilay fanambaràna nataoko tamin’ny feo avo fony izaho nijoro nanoloana azy rehetra hoe: «Noho izaho mino ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio.»
22
Fantatr’i Feliksa mazava tokoa ny amin’ity lalana nosoritan’Andriamanitra ity ka dia nahemony ho aoriana ny fanohizana ny fitsarana sady noravany izy rehetra nilazany hoe: –Rehefa tafidina atỳ i Lisia komandy, dia hanapa-kevitra momba ny raharahanareo aho.
23
Nomen’ny governora baiko ilay kapiteny mpiandraikitra an’i Paoly mba hiambina azy, saingy hamela azy halaladalaka ihany sady tsy hisy sakaizany sakanana tsy hikarakara azy.
24
Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga i Feliksa sy i Drosila vadiny, izay vehivavy Jiosy. Nampanalain’ny governora i Paoly ka nohenoiny izay nolazainy momba ny finoana an’i Kristy Jesoa.
25
Raha nidinidinika momba ny toetra tia rariny sy mahonon-tena ary momba ny fitsarana ho avy anefa i Paoly, dia raiki-tahora i Feliksa ka nanao hoe: –Mandehana aloha izao, fa hampiantso anao indray aho rehefa malalaka!
26
Nanantena koa i Feliksa fa homen’i Paoly vola, ka izany no nampanalainy azy matetika hiresahana.
27
Rehefa afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsy Festo amin’ny maha governora i Feliksa. Ary satria te hahazo sitraka amin’ny Jiosy i Feliksa, dia navelany ho ao am-ponja i Paoly.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28