bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 6
Acts 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 7 →
1
Tamin’izany andro izany, dia nihamaro be ny mpianatra, ka nifanditra tamin’ny Jiosy miteny hebreo ny Jiosy miteny grika satria natao tsirambina ny mpitondratena teo aminy tamin’ny fizaràna sakafo isan’andro.
2
Dia novorîn’ny 12 lahy ny mpianatra rehetra ka nataony hoe: –Tsy rariny raha ilaozanay mitantana sakafo ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra.
3
Noho izany, ry havana, aoka hisy olona fito lahy hotsongaina avy eo afovoanareo, dia olona tsara laza sady feno Fanahy Masina ama-pahendrena, mba hampiandraiketanay izany raharaha izany.
4
Izahay kosa dia hilofo amin’ny vavaka sy ny fitorian-teny.
5
Nankasitrahan’ny besinimaro izany teny izany. Dia nofidin’ny mpianatra i Stefàna lehilahy vontom-pinoana sy feno Fanahy Masina, ary koa i Filipo sy i Prôkôro, i Nikanôra sy i Timôna, i Parmenà ary i Nikôlà; ka i Nikôlà dia hafa firenena avy any Antiôkia, efa mpanaraka ny fivavahana jiosy.
6
Naroso teo anatrehan’ny apôstôly izy fito lahy ka nanaovan’ny apôstôly vavaka sy nametrahany tanana.
7
Niroborobo ny tenin’Andriamanitra, nitombo be dia be ny isan’ny mpianatra tao Jerosalema, ary nisy mpisorona maro nanaiky ny finoana.
8
Feno fitahiana sy hery avy amin’Andriamanitra i Stefàna ka nanao zava-mahagaga sy famantarana lehibe teo amin’ny vahoaka.
9
Nisy anefa olona sasany nanohitra azy: dia olona avy amin’ny sinagôga n’ny Libertina, sy ny sinagôgan’ny Aleksandrianina mbamin’ny sinagôgan’ireo terak’i Silisia sy ny faritany Azia. Niady hevitra tamin’i Stefàna izy rehetra ireo,
10
kanefa tsy nahatohitra ny fahendrena avy amin’ny Fanahy Masina Izay nampiteny an’i Stefàna.
11
Tamin’izay dia nanarama olona izy ireo hilaza hoe: «Renay nanevateva an’i Mosesy ary nanevateva an’Andriamanitra iny Stefàna iny.»
12
Nomeny fo koa ny vahoaka sy ny loholona ary ny mpahay lalàna. Dia nirohotan’ireo mpanohitra azy i Stefàna, ka nosamboriny ary nentiny ho any amin’ny Fitsarana ambony
13
sady nananganany vavolombelona mandainga hiampanga azy hoe: –Tsy mitsahatra miteny manohitra ity tempoly masina ity sy ny lalànan ’i Mosesy io lehilahy io,
14
satria efa renay nilaza fa hoe i Jesoa avy any Nazareta dia handrodana ity tempoly ity ary hanova ny fanao natolotr’i Mosesy antsika.
15
Samy nibanjina an’i Stefàna izay rehetra tao amin’ny Fitsarana ambony ka nahita ny tarehiny miendrika tarehin’ anjely.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28