bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 20
Acts 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
1
Nony nijanona ny tabataba, dia namory ny mpianatra i Paoly ka nanao teny fampaherezana ho azy, ary nanao veloma ka niainga nankany Masedônia.
2
Namaky izany faritany izany izy ka nitoriteny imbetsaka nampahery ny mpino;
3
izay vao nankany Gresy ary nitoetra telo volana tany. Efa ndeha hiondrana an-tsambo ho any Siria iny indrindra i Paoly no nahalala fa nioko hamono azy ny Jiosy. Koa tapa-kevitra izy fa hiverina hamaky an’i Masedônia.
4
Niara-dia taminy koa i Sôpatera, zanakalahin’i Piro sady avy amin’ny tanànan’i Berea, ary koa i Aristarka sy i Sekônda avy any Tesalônika, i Gaio avy any Derba sy i Timôty, i Tisiko sy i Trôfimo avy any amin’ny faritany Azia.
5
Nialoha anay anefa izy fito lahy ka niandry tany Trôasy.
6
Fa izahay dia tany Filipy no niondrana taorian’ny fankalazana ny Azima, ka nony afaka dimy andro, dia nahatratra azy rehetra tany Trôasy izay nitoeranay mandritra ny herinandro.
7
Tafavory izahay rehetra ny asabotsy maty masoandro hiara-mihinana ny sakafo iombonana, ary niteny tamin’ny mpivory i Paoly. Noho izy tsy maintsy handeha ny maraina, dia nitoriteny hatramin’ny sasakalina.
8
Maro jiro ilay efitrano niangonanay tao ambony rihana.
9
Nisy tovolahy atao hoe Eotîka, nipetraka teo am-baravarankely. Sondrian-tory mafy izy mandritra ilay toriteny lava nataon’i Paoly, ary renoky ny torimaso ka nianjera tany alatrano, avy teny amin’ny rihana fahatelo. Natraka ilay tovolahy saingy efa maty.
10
Dia nidina i Paoly ary niondrika teo aminy sy nitrotro azy ka nanao hoe: –Aza manahy fa velona izy!
11
Dia niakatra indray i Paoly ka nanapaka ny mofo sy nihinana; ary mbola niresaka ela ambara-paharainan’ny andro izy, vao lasa nandeha.
12
Nitondra nody ilay tovolahy efa velona kosa ny olona sady nahazo fampaherezana lehibe.
13
Nialoha izahay fa hiondrana amin’ny sambo hitondra anay mankany Aso, fa any no handraisanay an’i Paoly. Fandaminana nataony izany, satria nikasa handeha an-tanety izy.
14
Nony nahatratra anay tao Aso izy, dia noraisinay an-tsambo ka niainga ho any Mitilena izahay.
15
Niala teo indray izahay ka tonga tandrify an’i Kio ny ampitson’iny; ny afakampitso indray, dia niantsona tao Samo, ary tody tao Mileto ny andro manaraka.
16
Efa nanapa-kevitra manko i Paoly fa holalovany an-tsambo i Efeso mba tsy handaniany andro ao amin’ny faritany Azia. Fa dodona izy ho tody any Jerosalema alohan’ny andro Pentekôsta, raha azony atao.
17
Naniraka olona avy tao Mileto nankany Efeso i Paoly, hampaka ireo loholon’ny Fiangonana.
18
Nony tonga teo aminy ry zareo, dia nataony hoe: –Fantatrareo tsara ny fitondrantenako mandritra ny fotoana nahateto aminareo ahy, hatramin’ny andro voalohany nahatongavako tamin’ny faritany Azia.
19
Nanompo ny Tompo tamim-panetrentena fatratra aho satria nianjadian’alahelo sy fitsapana noho ny fiokoan’ny Jiosy hamely ahy.
20
Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano.
21
Ny Jiosy ary koa ny hafa firenena dia samy nijoroako ho vavolombelona ka notaomiko hiala tamin’ny toe-dratsy ka hitodika amin’Andriamanitra sady hino an’i Jesoa Tompontsika.
22
Ary ankehitriny, indro aho teren’ny Fanahy Masina hankany Jerosalema, saingy tsy fantatro izay hanjo ahy any.
23
Izao no hany fantatro: isan-tanàna alehako, dia ambaran’ny Fanahy Masina amiko fa fonja amam-pahoriana no miandry ahy.
24
Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.
25
Noteteziko avokoa ianareo rehetra ka nitoriako ny Fanjakàn’Andriamanitra; fantatro anefa ankehitriny fa tsy hahita ahy intsony ianareo.
26
Koa izao no ambarako aminareo anio: raha toa ka misy aminareo manalavitra an’Andriamanitra, dia anareo ny andraikitra fa afaka adidy aminareo rehetra aho.
27
Tsy nafeniko fa notorîko taminareo avokoa ny fikasan’Andriamanitra.
28
Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.
29
Fantatro fa rehefa tsy eny intsony aho, dia ho avy eo aminareo ny amboadia masiaka izay tsy hitsimbina ny ondry.
30
Avy eo amin’ny samy ianareo ihany aza no hisy hijoro hilaza lainga mba hitaomany ny mpianatra hanaraka azy.
31
Noho izany, miambena ianareo ka tsarovy fa telo taona maninjitra, tsy niato aho namarafara anareo tsirairay andro aman’alina, eny, tamin-dranomaso aza.
32
Ary ankehitriny ianareo dia ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny teniny mirakitra fahasoavana. Andriamanitra no hampahery anareo sy hanome anareo ny soa izay nataony ho anjaran’ireo rehetra voatokana ho Azy.
33
Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza notsiriritiko.
34
Fantatrareo fa ireto tanako ireto no niantoka izay nilaiko, ho ahy sy ho an’ny mpiara-dia tamiko.
35
Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy mikely aina toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra. Tsarovy ireo tenin’i Jesoa Tompo fa Izy mihitsy no nilaza hoe: «Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.»
36
Nony avy niteny izany i Paoly, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra.
37
Nitomany avokoa ireo loholona ary samy namihina an’i Paoly sady nanoroka azy.
38
Nalahelo mafy izy rehetra, indrindra noho ny nilazany hoe: «Tsy hahita ahy intsony ianareo.» Dia naterin’izy rehetra teny an-tsambo i Paoly.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28