bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 16
Acts 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 17 →
1
Tonga tany Derba i Paoly, ary avy eo dia tany Listra. Nisy mpino anankiray natao hoe Timôty tao Listra, Jiosy niova ho kristianina ny reniny fa ny rainy kosa Grika.
2
Tsara laza tamin’ireo havana iray finoana tany Listra sy tany Ikôniôma i Timôty
3
ka nokasain’i Paoly ho mpiara-dia aminy. Dia nalain’i Paoly i Timôty ka noforany, mba tsy hanan-kolazaina ny Jiosy mponina amin’iny faritany iny, satria fantatry ny besinimaro fa Grika ny rainy.
4
Tamin’ny tanàna rehetra notetezin’i Paoly sy ny namany dia notolorany an’ireo hevitra tapaky ny apôstôly sy loholona tany Jerosalema ny mpino, ary nasainy nitandrina izany.
5
Koa nihamatotra ara-pinoana ny Fiangonana rehetra ary nitombo isa hatrany isan’andro vaky.
6
Noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra tany Azia i Paoly sy ny namany ka nandeha namaky ny faritany Frijia sy Galatia.
7
Nihazo ny faritany Mizia izy ireo ary nitady hankany Bitinia, kanjo tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa.
8
Dia namaky an’i Mizia ry i Paoly ka nanitsy nankany Trôasy, tanàna seranana.
9
Tamin’ny alina dia nisehoam-pahitana i Paoly: nisy lehilahy Masedônianina nijoro teo anatrehany, sady niangavy azy hoe: «Mità mankatỳ Masedônia, ka vonjeo izahay!»
10
Tsy nangataka andro izahay taorian’izany fahitàn’i Paoly izany, fa nivonona hiainga ho any Masedônia, satria azonay antoka fa nantsoin’Andriamanitra hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny olona any izahay.
11
Niondrana an-tsambo tao Trôasy izahay ka nizotra nivantana ho any amin’ny nosy Samôtrasy; ary tafapaka hatrany Neapôly, ny ampitson’iny.
12
Avy eo izahay, dia nankany Filipy, tanànan’ny faritany voalohany ao Masedônia, sady zanatany rômanina. Nijanona andro maromaro tao amin’io tanàna io izahay.
13
Tamin’ny andro sabata dia lasa tany ivelan’ny vavahadin-tanàna izahay, ka nankeny amoron’ny ony satria noheverinay fa nisy toeram-pivavahana ho an’ny Jiosy teny. Nipetrapetraka izahay ka tafaresaka tamin’ny vehivavy tafavory teo.
14
I Lidia no anaran’ny anankiray tamin’ireo vehivavy ireo; avy any an-tanànan’i Tiatira izy, mpivarotra lamba jaky mena sarobidy, ary mpanaja an’Andriamanitra. Nihaino tsara anay ravehivavy io ary nosokafan’ny Tompo ny fony mba ho babon’ny teny nolazain’i Paoly.
15
Nony avy natao batisa izy mbamin’ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe: –Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko. Ary notereny mihitsy izahay.
16
Raha nandeha nankeny amin’ilay toeram-pivavahana izahay indray andro, dia notsenain’ity zazavavy anankiray mpanompon’olona. Azona fanahy atao hoe Pitôna razazavavy; ary asesik’io fanahy io hanambara zavatra izy ka nampahazo vola be ireo tompony noho ny fanambaràna nataony.
17
Nanjohy anay sy i Paoly izy sady niantsoantso hoe: –Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo indrindra ireo lehilahy ireo! Ny lalam-pamonjena no torîny aminareo!
18
Andro maromaro no nanaovan-drazazavavy toy izany. Tofoka i Paoly nony ela ka nitodika azy ary niteny tamin’ny fanahy Pitôna hoe: –Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy aho, mialà aminy! Dia niala taminy teo no ho eo ilay fanahy.
19
Nony hitan’ny tompony fa tsy anantenana fahazoam-bola intsony ity mpanompovaviny, dia ry i Paoly sy i Silasy no nosamboriny ka notaritaritiny hankeo an-kianja hiatrika ny manampahefana.
20
Natolony tamin’ny mpanao fanjakana rômanina izy roa lahy sady nataony hoe: –Mampisavorovoro vahoaka eto amin’ny tanànantsika ireto lehilahy ireto. Jiosy izy roa lahy ireo
21
ary nampianatra fomba amam-panao tsy azontsika raisina na arahina, noho ny maha rômanina antsika.
22
Dia nirohotra namely an’i Paoly sy i Silasy ny vahoaka; ary anisan’ireo mpanao fanjakana nendahina fitafiana sy nokaravasina izy roa lahy.
23
Nony avy nandalasina kapoka izy roa lahy, dia nampidirina am-ponja ka nofeperana ilay mpiambina mba hanao andrimaso azy tsara.
24
Vao azon’ny mpiambina izany baiko izany, dia nampidiriny tao am-ponja anatiny indrindra izy roa lahy ary nasiany boloky hazo ny tongony.
25
Tamin’ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa.
26
Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin’ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran’ireo gadra rehetra.
27
Tamin’izay dia taitra ilay mpiambina; ary nony hitany fa nivoha avokoa ny varavaran’ny fonja, dia nanatsoaka ny sabany saika hamono tena izy satria nampoiziny ho efa nitsoaka nandositra avokoa ny gadra.
28
Fa niantso mafy i Paoly nanao hoe: –Aza mamono tena, fa indreto avokoa izahay!
29
Dia nangataka jiro ilay mpiambina ka niditra faingana nankao amin’ny fonja anatiny indrindra; ary tora-kovitra izy no niantoraka teo anoloan’i Paoly sy i Silasy.
30
Dia navoakan’ilay mpiambina izy roa lahy sady nanontaniany hoe: –Inona, tompoko, no tokony hataoko mba hovonjena aho?
31
Dia novaliany hoe: –Minoa an’i Jesoa Tompo, dia hovonjena ianao mbamin’ny ankohonanao!
32
Dia nitorian’i Paoly sy i Silasy ny tenin’ny Tompo ilay mpiambina mbamin’izay rehetra tao an-tranony.
33
Tamin’izany ora izany, iny alina iny ihany, dia nandray azy roa lahy ilay mpiambina ka nanasa ny feriny; ary natao batisa niaraka tamin’izay izy sy ny ankohonany rehetra.
34
Nentin’ilay mpiambina niakatra tao an-tranony i Paoly sy i Silasy ka norosoany sakafo. Ary niravoravo niaraka tamin’ny olona rehetra tao an-tranony ralehilahy, noho izy efa tonga mpino an’Andriamanitra.
35
Nony maraina ny andro, dia naniraka mpitan-defona ireo mpanao fanjakana rômanina hilaza amin’ny mpiambina hoe: –Alefaso ireo olona ireo.
36
Dia tonga ny mpiambina ka nampita hafatra tamin’i Paoly hoe: –Nandefa baiko hanafahana anareo roa lahy ny mpanao fanjakana. Mahazo mivoaka ianareo, ka mandehana soa aman-tsara.
37
Fa hoy i Paoly tamin’ireo mpitan-defona: –Olona mizaka ny zom-pirenena rômanina izahay, kanefa nodarofana kapoka teo imason’ny vahoaka na dia tsy voatsara ara-dalàna aza; ary koa nampidirina am-ponja. Ka ankehitriny ve dia havoakan-dry zareo an-tsokosoko izahay? Sanatria! Aoka ny tenan’ireo mpanao fanjakana mihitsy no ho tonga atỳ hamoaka anay!
38
Dia notaterin’ny mpitan-defona tamin’ny mpanao fanjakana rômanina izany teny izany. Raiki-tahotra ry zareo nony nandre fa olona mizaka ny zom-pirenena rômanina i Paoly sy i Silasy.
39
Dia tonga ireo mpanao fanjakana ka niteny moramora tamin’izy roa lahy ary nitondra azy nivoaka ny fonja sady nangataka azy mba hiala amin’ny tanàna.
40
Rehefa tafavoaka ny fonja i Paoly sy i Silasy, dia nankany an-tranon’i Lidia. Ary lasa nandeha izy roa lahy nony avy nahita sy nampirisika ny havana iray finoana.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28