bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 9
Acts 9
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 10 →
1
Tamin’izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy,
2
ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin’ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo, na lahy na vavy.
3
Ary raha mbola nizotra nankany Damasy ny diany, ka mby teo akaikin’ny tanàna, dia nisy hazavana avy tany an-danitra, nanelatrelatra tampoka nanodidina azy.
4
Niankarapoka tamin’ny tany i Saoly sady nandre feo nanao taminy hoe: –Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?
5
Dia hoy i Saoly: –Iza moa Ianao, Tompoko? Ary ilay feo namaly hoe: –Izaho no i Jesoa, Ilay enjehinao.
6
Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.
7
Tafatsatoka tsy nahateny tsy nahavolana ireo olona mpiara-dia amin’i Saoly; reny tokoa ny feo, nefa tsy nisy olona hitany.
8
Dia nitsangana i Saoly, saingy tsy nahita na inona na inona, na dia nisokatra aza ny masony; hany ka olona no nitantana azy hankao Damasy.
9
Tsy nahita izy nandritra ny telo andro sady tsy nihinana no tsy nisotro.
10
Tao Damasy tamin’izay dia nisy mpianatra atao hoe Hananià. Nisehoan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahitana izy ka nilazany hoe: –Ry Hananià! Dia hoy ny navaliny: –Intỳ aho, Tompoko!
11
Ary hoy ny Tompo tamin’i Hananià: –Mankanesa izao dia izao any amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy; ka anontanio ao an-tranon’i Joda fa misy lehilahy atao hoe Saoly avy any Tarsa. Mivavaka indrindra izy amin’izao fotoana izao. (
12
Tamin’izay i Saoly dia nisehoam-pahitana ary nahatazana lehilahy atao hoe Hananià, izay niditra tao aminy sy nametra-tanana taminy mba hahiratan’ny masony indray.)
13
Izao kosa no navalin’i Hananià: –Maro, Tompoko, ny olona niresaka tamiko momba io lehilahy io ka samy nilaza ny ratsy rehetra vitany tamin’ireo anisan’ny vahoakanao tany Jerosalema.
14
Ary nomen’ireo lohandoha-mpisorona fahefana izy no tonga eto, mba hamatotra izay rehetra miantso ny anaranao.
15
Fa hoy ny Tompo taminy: –Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely.
16
Hasehoko azy ny mafy rehetra tsy maintsy hiaretany ho voninahitro.
17
Dia niainga i Hananià ka niditra tao an-tranon’i Joda, ary nametra-tanana tamin’i Saoly sady nanao hoe: Ry Saoly rahalahiko, i Jesoa Tompo, Izay niseho taminao teny an-dalana, no naniraka ahy mba hahiratan’ny masonao indray ary mba hahatonga anao ho feno Fanahy Masina.
18
Teo no ho eo ihany dia nisy zavatra toy ny kiran-kazandrano niala avy tamin’ny mason’i Saoly, ka nahiratra indray izy. Avy hatrany koa izy dia natao batisa,
19
ary dia nihinan-kanina ka nihatanjaka. Niara-nitoetra mandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tany Damasy i Saoly.
20
Tsy nangataka andro i Saoly fa nitoriteny tao amin’ny sinagôga, nanambara fa i Jesoa no ilay Zanak’Andriamanitra.
21
Dia talanjona ny olona rehetra nandre azy ka nanontany hoe: –Tsy ity lehilahy ity indrindra ve no mpanenjika lozan-tany an’ireo niantso ny anaran’i Jesoa tany Jerosalema? Ary ny anton-diany atỳ, moa ve tsy ny hamatotra ny olona toy izany sy hitondra azy mankany amin’ny lohandoha-mpisorona?
22
Vao mainka feno hery ny toritenin’i Saoly: nasehony marimarina fa i Jesoa no Mesia, hany ka resy lahatra ny Jiosy mponina tao Damasy.
23
Rehefa afaka andro maromaro, dia niara-nioko hamono an’i Saoly ny Jiosy;
24
saingy nampahafantarina an’i Saoly mialoha izany fiokoana izany. Nambenan-dry zareo Jiosy andro aman’alina ny vavahadin’ny tanàna mba hamonoana an’i Saoly.
25
Kanjo nalain’ny mpianatra i Saoly indray alina, dia nataony tao anaty sobika, ary nampidininy tany ivelan’ny manda.
26
Vao tonga tany Jerosalema i Saoly, dia nitady hikambana tamin’ny mpianatra; saingy natahotra azy izy rehetra satria tsy afaka nino azy ho isan’ny mpianatra.
27
Nalain’i Barnabà kosa i Saoly ka nentiny teo amin’ny apôstôly; dia teo anatrehan’ny apôstôly no nitantaran’i Barnabà ny fomba nahitan’i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny teny nataon’ny Tompo taminy ary koa ny fahasahian’i Saoly nitoriteny tamin’ny anaran’i Jesoa tany Damasy.
28
Izay vao afa-nifanerasera tamin’ny mpianatra tao Jerosalema i Saoly sady tena sahy nitoriteny tamin’ny anaran’ny Tompo.
29
Niresahan’i Saoly sy nifanakalozany hevitra koa ireo Jiosy miteny grika; kanjo notadiavin’ireo hovonoina izy.
30
Nony fantatr’ireo havana iray finoana izany, dia nateriny tany Kesaria i Saoly ary nampodîny nankany Tarsa.
31
Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.
32
Raha nitety tany nitsidika ny vahoakan’Andriamanitra rehetra i Petera, dia nankany amin’ireo nonina tany Lida koa.
33
Tao no nahitany lehilahy malemy anankiray atao hoe Enea, efa valo taona nilamahana teo am-parafara.
34
Ary hoy i Petera taminy: –Ry Enea, manasitrana anao i Jesoa Kristy! Mitsangàna ka amboary ny fandrianao! Dia nitsangana niaraka tamin’izay i Enea.
35
Nahita azy ny mponina rehetra tany Lida sy tany amin’ny lemak’i Sarôna ka niverina ho amin’ny Tompo.
36
Tany Jôpa dia nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabità (na «Dôrkasy» amin’ny teny grika izany hoe gazela). Be tokoa ny asa soa amam-piantrana vitany.
37
Ary tamin’izany andro izany dia narary izy ka maty. Rehefa avy nampandroina ny faty, dia napetraka tao amin’ny efitrano ambony rihana.
38
Tanàna akaikin’i Jôpa moa i Lida; ka nony henon’ny mpianatra tao Jôpa fa hoe any Lida i Petera, dia nandefa iraka roa lahy ry zareo mba hiangavy azy hoe: «Tongava faingana atỳ aminay.»
39
Teo no ho eo ihany i Petera dia niainga niaraka tamin’ireto iraka. Vao tonga tao Lida i Petera, dia nentin’ny mpianatra ho any amin’ilay efitrano ambony rihana. Nanatona an’i Petera avokoa ireo mpitondratena tao, izay sady nitomany no nampiseho ny akanjo sy fitafiana hafa nataon’i Dôrkasy ho azy ireo fony fahavelony.
40
Namoaka ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka. Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe: –Ry Tabità, mitsangàna! Nahiratr’i Tabità ny masony, ary nahita an’i Petera izy dia niarina.
41
Nanolo-tanana azy kosa i Petera ka nampitsangana azy. Rehefa nantsoin’i Petera ny vahoakan’Andriamanitra tao Jôpa mbamin’ireo mpitondratena, dia Tabità velona soa aman-tsara no natolony azy ireo.
42
Tonga fantatr’i Jôpa iray vohitra izany ka olona maro no nino ny Tompo.
43
Nitoetra naharitraritra tao Jôpa i Petera, tao an-tranon’ny mpandon-koditra atao hoe Simôna.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28