bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 14
Acts 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
1
Tao Ikôniôma dia niditra tao amin’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy ihany koa i Paoly sy i Barnabà; ary fatratra ny teny nataon’izy roa lahy, ka marobe ny Jiosy mbamin’ny hafa firenena no tonga mpino.
2
Fa ny Jiosy izay tsy nety nino kosa nitaona sy nanome fo ny mpanompo sampy hanohitra ny havana iray finoana.
3
Nijanona elaela tao Ikôniôma i Paoly sy i Barnabà ary niteny tamim-pahasahiana satria ny Tompo no nitokiany. Io Tompo io no manome porofo hahamarina ny teny torîna momba ny fahasoavany ka nampanao azy roa lahy famantarana sy zava-mahagaga.
4
Dia nisara-tsaina ny olona marobe tao an-tanàna: tao ireo niandany tamin’ny Jiosy, ary tao ireo niandany tamin’ny apôstôly.
5
Efa nivonombonona terỳ ny mpanompo sampy sy ny Jiosy mbamin’ny lehibeny hanala baràka an’i Paoly sy i Barnabà ary hamono azy amin’ny tora-bato.
6
Vao nahatsikaritra izany izy roa lahy, dia lasa nandositra tany Listra sy Derba, tanàna any Likaônia, ary tany amin’ny faritra manodidina.
7
Dia naharitra nitory ny Vaovao Mahafaly tany izy roa lahy.
8
Tao Listra dia nisy lehilahy izay nitalapetraka foana satria malemy tongotra, kilemaina hatrany an-kibon-dreniny ka tsy mbola namindra hatrizay niainany.
9
Nihaino an’i Paoly nandaha-teny ralehilahy. Nibanjina azy i Paoly ka nahita fa manam-pinoana ny ho sitrana izy.
10
Dia nitenenany mafy izy nataony hoe: –Mitsangàna ka mijoroa mahitsy amin’ny tongotrao! Niantsambotra ralehilahy ary dia namindra.
11
Rehefa nahita izay vao nataon’i Paoly ny vahoaka, dia niantsoantso mafy tamin’ny fiteny likaônianina hoe: –Naka endrik’olombelona ireo andriamanitra ka tafidina atỳ amintsika!
12
I Barnabà moa nataon’ny vahoaka hoe Jopitera; ary i Paoly kosa nataony hoe Hermesy satria izy no mpandaha-teny.
13
Ary ilay mpisoron’i Jopitera izay nanana ny tempoliny teo am-bavahadin’ny tanàna dia efa nitondra ombilahy voaravaka fehiloha voninkazo teo am-bavahady satria nikasa hanao sorona tamin’i Barnabà sy i Paoly izy mbamin’ny vahoaka.
14
Fa nony nandre izany ireo apôstôly, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao anjolofo nitsarapaka tao anaty vahoaka sady niantsoantso hoe:
15
–Adray rey olona! Nahoana no manao izao ianareo? Olombelona tahaka anareo ihany izahay! Manambara ny Vaovao Mahafaly aminareo izahay, ka manainga anareo handao ireto sampy tsy mahasoa ireto ary hitodika amin’ilay Andriamanitra velona, Izay nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao aminy.
16
Tamin’ny andro lasa dia navelan’Andriamanitra samy hanaraka ny lalana mahadiavolana ny fony avy ny firenena rehetra;
17
kanefa tsy navelan’Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin’ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.
18
Na dia niteny toy izany aza izy roa lahy, dia nananosarotra vao nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy.
19
Nisy Jiosy tonga avy tany Antiôkia any Pisidia sy avy tany Ikôniôma. Nahazo ny fom-bahoaka ry zareo ka nitora-bato hahafaty an’i Paoly, ary nitaritarika azy teo ivelan’ny tanàna satria nampoiziny ho efa maty.
20
Kanjo nony voahodidin’ny mpianatra teo i Paoly, dia nitsangana ka nody tao an-tanàna. Ary lasa nankany Derba izy mbamin’i Barnabà ny ampitson’iny.
21
Nitory ny Vaovao Mahafaly tao an-tanànan’i Derba ry i Paoly sy i Barnabà ka betsaka ny mpianatra azony tao. Dia niverina indray izy roa lahy nankany Listra sy Ikôniôma ary Antiôkia any Pisidia.
22
Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!
23
Isam-Piangonana dia nanendry loholona ho an’ny mpianatra izy roa lahy, ary nony efa nivavaka sy nifady hanina dia nanankina ny iray Fiangonana tamin’ny Tompo Izay efa ninoan’izy rehetra rahateo.
24
Taorian’izany, dia namakivaky ny faritany Pisidia ry i Paoly sy i Barnabà ka tonga tany Pamfilia.
25
Nitory ny tenin’Andriamanitra tao Perga izy roa lahy, ary lasa nankany Atalia.
26
Avy eo no niondranany an-tsambo ho any Antiôkia, dia ilay tanàna nanankinana azy roa lahy tamin’ny fahasoavan’Andriamanitra ho an’izao asa notontosainy izao.
27
Nony tonga tao Antiôkia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin’Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny hafa firenena mba hahazoany mino.
28
Ary elaela ihany no niarahan’i Paoly sy i Barnabà nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28