bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 13
Acts 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 14 →
1
Nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao amin’ny Fiangonana tany Antiôkia: dia i Barnabà, i Simehôna (izay atao hoe Imainty), i Losio avy any Sirena, i Manahema (izay niolo-nono sy niara-nilalao tamin’i Herôda mpanjaka) ary i Saoly.
2
Indray andro raha nanao fanompoam-pivavahana tamin’ny Tompo sady nifady hanina ny iray Fiangonana, dia hoy ny Fanahy Masina: –Atokàny ho Ahy i Barnabà mbamin’i Saoly hanao ny asa izay niantsoako azy.
3
Tamin’izay, rehefa nifady hanina sy nivavaka ny iray Fiangonana, dia nametra-tanana tamin’izy roa lahy ary nandefa azy.
4
Nirahin’ny Fanahy Masina àry i Barnabà mbamin’i Saoly ka dia nankany Seleosia ary niondrana an-tsambo tao ho any amin’ny nosy Sipra.
5
Tonga tao Salamîna izy roa lahy, dia nitory ny tenin’Andriamanitra eran’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy, ary nentiny koa i Jôhany Marka ho mpanampy.
6
Namakivaky ny nosy manontolo izy roa lahy mandra-pahatongany tany Pafo. Tao no nahitany mpanao majika atao hoe Barjesoa, lehilahy nihambo ho mpaminany.
7
Io Barjesoa io dia niara-nitoetra tamin’i Serzy Paoly, izay governoran’ny nosy Sipra sady lehilahy hendry. Nampiantso an’i Barnabà mbamin’i Saoly ilay governora satria naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra.
8
Fa nanohitra azy roa lahy kosa i Barjesoa Elimà, ilay mpanao majîka (fa izany no dikan’ny anarana hoe Elimà), ka nitady hampiverina ilalana an’ilay governora tsy hirosoany amin’ny finoana.
9
Tamin’izay i Saoly, atao koa hoe Paoly, dia tonga feno Fanahy Masina ka nibanjina an’i Elimà
10
sady nanao hoe: –Ry ilay andevozin’ny devoly ity! Feno fitaka sy faharatsiana isan-karazany ianao, ary mpanohitra ny marina rehetra nosoritan’Andriamanitra! Mbola te hisompatra foana ny lala-mahitsin’ny Tompo ve ianao?
11
Ankehitriny, indro hasian’ny tanan’ny Tompo ianao ka ho jamba tsy hahita ny fahazavan’ny masoandro mandritra ny fotoana voafetra. Niaraka tamin’izay dia sarona haizina ny mason’i Elimà, ka niraparapa izy nitady olona hitantana azy.
12
Nony nahita ny zava-nitranga ilay governora, dia tonga mpino sady talanjona fatratra tamin’ny fampianarana momba ny Tompo.
13
Niondrana an-tsambo tao Pafo i Paoly sy ny mpiara-dia taminy ka nankany Perga any Pamfilia. Tao Perga i Jôhany Marka no nandao an’i Paoly sy i Barnabà ka lasa niverina tany Jerosalema.
14
Avy ao Perga kosa i Paoly sy i Barnabà dia nandroso ihany ka tonga tany Antiôkia any Pisidia. Ary niditra tao amin’ny sinagôga izy roa lahy tamin’ny andro sabata ka nipetraka teo.
15
Nony vita ny famakiana ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàna sy ny bokin’ny mpaminany, dia nanirahan’ireo lohandohan’ny sinagôga olona izy roa lahy hilaza aminy hoe: –Ry havana, azonareo atao izao ny miteny raha manana teny fampaherezana holazaina amin’ny vahoaka mpiangona ianareo.
16
Dia nitsangana i Paoly ka nanofahofa tanana hampangina ny mpiangona ary nanao hoe: –Ry Israelita sy ry hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, henoy aho!
17
Ny Andriamanitr’ilay vahoaka Israely dia nifidy ny razantsika. Nataony tonga firenen-dehibe io vahoaka io fony izy nivahiny tany amin’ny tany Ejipta, ary tamin-kery lehibe no nitondrany azy hiala avy any Ejipta.
18
Tany an-taniefitra dia nahari-po taminy nandritra ny 40 taona eo ho eo Andriamanitra,
19
ary nandrava firenena fito tany Kanahàna ka nanolotra ny tanin’ireo ho fananan’i Israely vahoakany.
20
Nandritra ny 450 taona eo ho eo izany. Taorian’izany, dia nomen’Andriamanitra mpitsara ny razantsika, mandra-pahatongan’ny andron’i Samoela mpaminany.
21
Avy eo nangataka mpanjaka izy ireo ka dia nomeny azy nandritra ny efapolo taona i Saoly, zanakalahin’i Kisy sady avy tamin’ny fokon’i Benjamîna.
22
Nesorin’Andriamanitra i Saoly, fa notendreny ho mpanjakan’izy ireo kosa i Davida, ilay nijoroany ho vavolombelona ka nilazany hoe: «Efa hitako i Davida, zanak’i Jisay; lehilahy araka izay niriko i Davida ka hanatontosa ny sitrapoko rehetra.»
23
I Jesoa dia napoitran’Andriamanitra avy amin’ny taranak’i Davida mba ho Mpamonjy ny vahoaka Israely, araka izay efa nampanantenainy rahateo.
24
Talohan’ny nahatongavan’i Jesoa anefa, dia nanao antso avo i Jôhany hanainga ny vahoaka Israely rehetra hiala amin’ny toe-dratsy ka hatao batisa.
25
Ary tamin’ny faramparan’ny andro niainan’i Jôhany, dia hoy izy hoe: «Ataonareo ho iza moa aho? Tsy izaho no Ilay andrasanareo. Fa indro Izy tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kapa eo amin’ny tongony akory aho.»
26
Ry havako, taranak’i Abrahama sy hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra, ho antsika no nampitondrana izao hafatra momba ny famonjena izao.
27
Fa ny mponin’i Jerosalema sy ireo filohany dia tsy nahafantatra an’i Jesoa ary tsy nahazo ny tenin’ny mpaminany vakîna isaky ny andro sabata, kanefa nanatanteraka ireo teny ireo tamin’ny nanamelohany an’i Jesoa;
28
ary na dia tsy nahita antony hanamelohana Azy ho faty aza ry zareo, dia nangataka tamin’i Pilato ny hamonoana Azy.
29
Rehefa avy nahatanteraka izay rehetra nambaran’ny Soratra Masina momba Azy ry zareo, dia nesorina teo amin’ny hazofijaliana Izy ary nalevina tao am-pasana.
30
Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona avy tany amin’ny maty.
31
Mandritra ny andro maro, dia niseho tamin’ireo niara-niakatra taminy avy tany Galilea ho any Jerosalema i Jesoa, ka ireo ankehitriny no vavolombelona manambara Azy amin’ny vahoaka Israely.
32
Ary izahay koa dia mitory aminareo izao Vaovao Mahafaly izao:
33
Ny zavatra efa nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny razantsika dia notanterahin’Andriamanitra tamintsika ankehitriny, fony Izy nanangana an’i Jesoa ho velona, araka izay voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny Salamo faharoa hoe: «Zanako Ianao, Ray niteraka Anao Aho manomboka anio.»
34
–Nambaran’Andriamanitra koa fa natsangany ho velona i Jesoa ka tsy hiverina amin’ny fahalòvana intsony, araka ny teny hoe: «Homeko anareo ny fanambinana masina sy azo antoka efa nampanantenaiko an’i Davida!»
35
Izany koa no itenenan’Andriamanitra ao amin’ny Salamo hafa hoe: «Tsy havelanao ho tratry ny fahalòvana Ilay voatokana ho Anao.»
36
Eny, i Davida, rehefa nanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra hahasoa ny mpiara-belona taminy, dia nodimandry ka nalevina mifanila amin’ireo razany ary tratry ny fahalòvana.
37
Fa Ilay natsangan’Andriamanitra ho velona kosa dia tsy mba tratry ny fahalòvana.
38
Ry havako, izao àry no aoka ho fantatrareo: amin’ny alalan’i Jesoa no itoriana famelan-keloka aminareo. Tsy nanafaka ny helokareo velively ny lalànan’i Mosesy ary tsy nahatonga anareo ho olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra; fa ao amin’i Jesoa, izay rehetra mino dia afaka amin’ny heloka rehetra ary tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra.
40
Koa mitandrema mba tsy hiharan’izay voalazan’ny Tompo ao amin’ny bokin’ny mpaminany hoe:
41
«Mijere, ry mpaniratsira, dia migagà ka manjavòna! Fa ny zavatra hotanterahiko amin’ny andronareo dia zavatra tsy hinoanareo akory na dia hotantarain’olona aminareo aza.»
42
Nony tafavoaka ny sinagôga i Paoly sy i Barnabà, dia nangatahin’ny olona hiverina indray rehetra miherina ny sabata hilazalaza ny amin’izany zavatra izany.
43
Tamin’ny firavàn’ny mpiangona, dia maro ny Jiosy mbamin’ny hafa firenena mpanaja an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabà; ary izy roa lahy kosa niteny taminy ka nampirisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
44
Ary tamin’ny sabata herin’io, dia saika tafangona avokoa ny mponina rehetra ao an-tanàna mba hihaino ny tenin’Andriamanitra.
45
Tonga feno fialonana ny Jiosy nony nahita ny vahoaka maro, ka sady nanohitra ny teny voalazan’i Paoly no nanevateva azy.
46
Feno fahasahiana kosa i Paoly sy i Barnabà ka niteny taminy hoe: –Ianareo aloha no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra. Nolavinareo anefa izany ary ohatra ny ataonareo ho tsy mendrika ny fiaina-maharitra mandrakizay ny tenanareo, koa indro hitodika hankany amin’ny hafa firenena izahay.
47
Fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao, mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»
48
Nandre izany ny hafa firenena ka faly sady nanome voninahitra ny tenin’ny Tompo; ary izay rehetra voalahatra hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay dia tonga mpino.
49
Dia niely manerana izany faritany izany ny tenin’ny Tompo.
50
Nomen’ny Jiosy fo anefa ireo vehivavy mpanaja an’Andriamanitra sady ambony toerana ary koa ireo lehibe tao an-tanàna; dia nahatonga fanenjehana an’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ka nandroaka azy roa lahy hiala tamin’ny faritany.
51
Nahintsan’i Paoly sy i Barnabà ny vovoka teny amin’ny tongony ho fiampangana azy ireo, dia lasa izy roa lahy nankany Ikôniôma.
52
Ary heni-kafaliana sy feno Fanahy Masina ny mpianatra tao Antiôkia.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28