bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 10
Acts 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
1
Tany Kesaria dia nisy lehilahy atao hoe Kôrnely, kapiteny tao amin’ny andian-tafika rômanina atao hoe «andian-tafika Italianina».
2
Mpivavaka sady mpanaja an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany manontolo. Nanampy be dia be ny olo-mahantran’ny vahoaka jiosy i Kôrnely sady nivavaka tamin’Andriamanitra isaky ny fotoana voatendry.
3
Indray tolakandro, tokony ho tamin’ny telo, dia nisehoam-pahitana izy ary nisy anjelin ’Andriamanitra tazany mazava tsara niditra tao an-tranony ka niteny taminy hoe: –Ry Kôrnely!
4
Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.
5
Izao ankehitriny izao dia mandefasa lehilahy ho any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera.
6
Ao amin’ny mpandon-koditra atao hoe Simôna izay manan-trano eo amoron-dranomasina no iantranoany.
7
Rehefa lasa ilay anjely niteny taminy teo, dia nantsoin’i Kôrnely ny roa lahy tamin’ny mpanompony sy ny miaramila anankiray mpivavaka, anisan’ireo mpanotrona azy.
8
Nitantaran’ny kapiteny izay rehetra nitranga izy telo lahy ary dia nirahiny ho any Jôpa.
9
Raha mbola teny an-dalana ireto iraka ny ampitson’iny ka efa nanakaiky an’i Jôpa, dia niakatra tao an-tampon-trano kosa i Petera, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, mba hivavaka.
10
Ary efa noana mafy izy ka te hisakafo; ny olona namboatra sakafo ho azy, izy kosa nisehoam-pahitana mahavariana.
11
Hitan’i Petera fa nisokatra ny lanitra ary nisy fasian-javatra nidina avy any: toa lamba lehibe voatana amin’ny zorony efatra, nalatsaka amin’ny tany.
12
Ary tao anatiny dia nisy biby isan-karazany, ny mandeha tongotra efatra mbamin’ny mikisaka amin’ny tany, ary koa voro-manidina isan-karazany.
13
Dia nisy feo nanao taminy hoe: –Mitsangàna, ry Petera, mamonoa ka mihinàna!
14
Dia hoy i Petera: –Sanatria, Tompoko! Tsy mbola nihinan-javatra fady na maloto aho!
15
Nefa dia mbola injay indray ilay feo nanao taminy hoe: –Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.
16
Intelo niverina izany vao nakarina tany an-danitra ilay fasian-javatra.
17
Raha mbola nieritreritra izay tokony ho hevitr’ilay fahitana niseho taminy teo i Petera, dia tonga ireo irak’i Kôrnely. Nanontany tamin’olona izay tranon’i Simôna mpandon-koditra izy telo lahy ary efa migadona eo am-bavahady.
18
Niantso izy ireo ary nanontany hoe: –Miantrano ato ve i Simôna, ilay antsoina koa hoe Petera?
19
Mbola revo nieritreritra izay tokony ho hevitr’ilay fahitana i Petera no nitenenan’ny Fanahy Masina hoe: –Indreo misy olona telo lahy mitady anao.
20
Mitsangàna, dia midîna ary aza misalasala fa mandehana miaraka aminy; satria Izaho no naniraka azy ireo.
21
Dia nidina i Petera ary nanatona azy telo lahy ka nanao hoe: –Izaho no ilay tadiavinareo. Inona no anton-dianareo?
22
Dia hoy izy telo lahy: –Iraky ny kapiteny Kôrnely izahay. Izy dia lehilahy tia rariny sady mpanaja an’Andriamanitra no tsara laza amin’ny Jiosy rehetra. Notoroan’ny anjely masina hevitra izy mba hampaka anao ho any an-tranony ary hihaino izay zavatra hambaranao aminy.
23
Nampiantranoin’i Petera izy telo lahy ka nandry tao ny alin’iny. Ny ampitso kosa dia lasa i Petera niara-dia tamin’ireto iraka. Tafaraka tamin’i Petera koa ny havana sasany mpino avy ao Jôpa.
24
Ny afakampitso dia tonga tany Kesaria ry i Petera. Efa niandry azy ireo i Kôrnely sy ny havany aman-tsakaizany izay nasainy.
25
Iny vao hiditra iny i Petera, dia nitsena azy i Kôrnely ary niantoraka teo an-tongony ho mari-panajana azy.
26
Fa nampitsangana azy i Petera ka nanao hoe: –Mitsangàna ianao, fa izaho koa dia olombelona ihany!
27
Sady niresaka tamin’i Kôrnely i Petera no niditra tao an-trano ka nahita ny olona marobe tafavory tao.
28
Dia hoy izy tamin’ireo: –Fantatrareo fa ny Jiosy dia raran’ny fivavahany tsy hifanerasera amin’ny hafa firenena na hiditra ao an-tranony. Nefa nasehon’Andriamanitra tamiko fa tsy misy olona azoko atao hoe maloto na tsy mendrika hifaneraserana.
29
Noho izany, raha vao nampanalainao aho, dia tonga fa tsy nandà. Tiako ho fantatra àry izay anton’ny nampanalanao ahy.
30
Dia novalian’i Kôrnely hoe: –Telo andro lasa izay, tamin’ny telo tolakandro toy izao indrindra, dia nivavaka tato an-trano aho. Ary nisy lehilahy manao fitafiana mamirapiratra nijoro tampoka teo anatrehako,
31
ka nilaza tamiko hoe: «Ry Kôrnely, nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovany koa ny fiantrana vitanao.
32
Noho izany, mandefasa olona ho any Jôpa haka an’i Simôna, izay antsoina koa hoe Petera. Ny iantranoany dia ao amin’i Simôna mpandon-koditra, eo amoron-dranomasina.»
33
Nandefa olona haka anao niaraka tamin’izay aho, ka mahafinaritra ny nanekenao hankatỳ. Ankehitriny àry dia eto anatrehan’Andriamanitra izahay rehetra, mba hihaino ny hafatra rehetra nandidian’ny Tompo anao.
34
Dia niteny i Petera ka nanao hoe: –Azoko tsara ankehitriny, fa tsy mba mijery tavan’olona Andriamanitra.
35
Eny, ankasitrahin’Andriamanitra avokoa izay olona manaja Azy sy manao ny rariny na aiza na aiza firenena misy azy.
36
Fantatrareo ny teny nampitondrain’Andriamanitra ho an’ny vahoaka Israely, anambaràny ny Vaovao Mahafaly: dia ny fampihavanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ilay Tompon’ny olona rehetra.
37
Fantatrareo ny zava-nitranga tany Galilea aloha ary dia nanerana an’i Jodea, taorian’ny toriteny sy ny batisa nataon’i Jôhany:
38
nandrotsahan’Andriamanitra ny herin’ny Fanahy Masina i Jesoa avy any Nazareta, ka nitety tany nanao soa sy nanasitrana izay rehetra teo ambany fahefàn’ny devoly, satria nombàn’Andriamanitra Izy.
39
Izahay dia vavolombelona nahita ny zavatra rehetra nataony manerana ny tanin’ny Jiosy sy tao Jerosalema. Io Jesoa io dia nahanton’ny olona tamin’ny hazofijaliana no namonoany Azy,
40
nefa natsangan’Andriamanitra ho velona tamin’ny andro fahatelo. Nasehon’Andriamanitra miharihary Izy,
41
tsy tamin’ny vahoaka ankapobeny fa taminay vavolombelona efa notendren’Andriamanitra mialoha hanambara an’i Jesoa. Niara-nihinana sy nisotro taminy izahay taorian’ny nananganan’Andriamanitra Azy ho velona avy any amin’ny maty;
42
ary nomeny baiko mba hitory amin’ny vahoaka sy ho vavolombelona manambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.
43
Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.
44
Raha mbola nilaza izany zavatra izany i Petera, dia nilatsahan’ny Fanahy Masina ny olona rehetra nihaino ny lahateniny.
45
Talanjona ireo mpino jiosy tafaraka tamin’i Petera, satria narotsaka tamin’ny hafa firenena koa ny Fanahy Masina fanomezan’Andriamanitra;
46
fa henony niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sady nankalaza an’Andriamanitra ny hafa firenena. Tamin’izay dia hoy i Petera hoe:
47
–Azo sakanana tsy hatao batisa amin’ny rano ve ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika ireto?
48
Dia nasain’i Petera natao batisa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy izy rehetra. Ary nangatahin’izy ireo kosa i Petera mba hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28