bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 3
Acts 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
1
Tamin’ny telo tolakandro, fotoana fivavahana, dia niakatra ho any an- kianjan’ny tempoly i Petera sy i Jôhany.
2
Teo anoloan’ny vavahadin’ny tempoly, ilay antsoina hoe Itsaraendrika, dia nisy lehilahy malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny. Nentin’ny olona isan’andro ka napetrany teo izy mba hangataka fiantrana amin’izay olona miditra ao an-kianjan’ny tempoly.
3
Hitan-dralehilahy i Petera sy i Jôhany efa ndeha hiditra ka nangatahany fiantrana.
4
Izy roa lahy kosa nibanjina ilay kilemaina ary hoy i Petera taminy: –Jereo izahay.
5
Dia nanao tsara jery azy roa lahy ity mpangataka satria nanantena handray zavatra avy aminy.
6
Fa hoy i Petera taminy: –Tsy ananako na ny volafotsy na ny volamena, fa izay ananako no omeko anao: amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangàna ka mandehana!
7
Dia noraisin’i Petera ny tanan-kavanan’ilay kilemaina ary nasainy nitsangana izy. Natanjaka niaraka tamin’izay ny tongony sy ny kitrokeliny;
8
niantsambotra izy dia nijoro ary nandeha. Niara-niditra tamin’i Petera sy i Jôhany tao an-kianjan’ny tempoly ralehilahy, sady nandeha no niantsambotsambotra ary nidera an’Andriamanitra.
9
Nahita azy nandeha sy nidera an’Andriamanitra toy izany ny vahoaka rehetra,
10
ka nony nahafantatra fa io indrindra ilay nipetraka nangataka teo amin’ny vavahady Itsaraendrika, dia tolagaga sy talanjona noho ny zava-nitranga tamin-dralehilahy.
11
Tsy nisaraka tamin’i Petera sy i Jôhany ralehilahy, koa sady tolagaga ny vahoaka rehetra no nirohotra nanatona azy telo lahy teo amin’ny lala-mitafo atao hoe «lala-mitafon’i Salômôna ».
12
Raha nahita izany i Petera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: –Ry vahoaka israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo? Nahoana izahay no banjininareo hoatra ny hoe herinay manokana na ny fitiavam-bavakay no nampandeha io lehilahy io?
13
Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy;
14
ilay Masina sy Marina dia nolavinareo, ary lehilahy mpamono olona no nitakianareo famotsoran-keloka;
15
ilay Mpitari-dalana ho amin’ny fiainana dia novonoinareo, nefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty; ary vavolombelona manambara izany izahay.
16
Nino ny anaran’i Jesoa ralehilahy izay hitanareo sy fantatrareo io, ka ny herin’ny anaran’i Jesoa no nampanjaka azy; ny finoana avy amin’i Jesoa no nahatomady azy tanteraka indray araka izao atrehinareo rehetra izao.
17
Fantatro kosa, ry havako, fa tsy fahalalana no nahatonga anareo hanao izay nataonareo tamin’i Jesoa ary toraka izany koa ny manampahefana teo aminareo.
18
Notanterahin’Andriamanitra tamin’izany anefa izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany.
19
Noho izany, ialao ny toe-dratsy, ary miverena amin’Andriamanitra mba ho foana ny helokareo;
20
dia ho tonga aminareo ny vaninandro famelombelomana avy amin’ny Tompo ary hirahiny ho anareo ilay Mesia efa voatendriny, dia i Jesoa.
21
Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.
22
Fa hoy i Mosesy: «Hisy mpaminany tahaka ahy hajoron’ny Tompo Andriamanitrareo ho anareo, dia mpaminany avy aminareo samy ianareo; aoka hohenoinareo izay rehetra holazainy aminareo.
23
Izay rehetra tsy hihaino izany mpaminany izany dia haringana tsy ho eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra intsony.»
24
Ary ny mpaminany rehetra izay niteny, hatramin’ny andron’i Samoela no mankatỳ, dia samy nitory izao andro izao.
25
Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»
26
Ho anareo aloha no nampijoroan’Andriamanitra ny Mpanompony sady nanirahany Azy mba hitahy anareo, dia ny hampiala anareo tsirairay avy amin’ny asa ratsinareo.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28