bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 22
Acts 22
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 23 →
1
–Ianareo havana sy ianareo ray aman-dreny, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny mba hiarovako tena.
2
Nony henon’ny olona fa teny aramianina no nitenenan’i Paoly taminy, dia vao mainka nangina izy rehetra. Ary hoy i Paoly:
3
–Izaho dia Jiosy teraka tany Tarsa any Silisia, fa nobeazina teto amin’ity tanànan’i Jerosalema ity; ny mpampianatra ahy dia i Gamaliela izay nampahalala ahy tsara ny lalànan ’ny razantsika. Nafana fo tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra aho, tahaka anareo rehetra ankehitriny.
4
Nenjehiko nataoko maty aza ireo mpanaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo. Nosamboriko na lahy na vavy ka nampidiriko am-ponja.
5
Ny mpisorombe sy ny loholona rehetra no vavolombelona fa marina ny filàzako. Taminy manko no nahazoako taratasy ho an’ny Jiosy tany Damasy fony aho nandeha hisambotra ny mpino tao hoentina hofaizina atỳ Jerosalema.
6
–Raha nandeha aho ka mby teo akaikin’i Damasy, dia indro, tampotampoka teo, tokony ho tamin’ny mitataovovonana, nisy hazavana lehibe avy tany an-danitra nanodidina ahy.
7
Niankarapoka tamin’ny tany aho ary injay nisy feo reko niteny tamiko hoe; «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?»
8
Izaho kosa nanontany hoe: «Iza moa izato Ianao, Tompoko?» Ary hoy ilay feo tamiko: «Izaho no i Jesoa avy any Nazareta, Ilay enjehinao.»
9
Ny mpiara-dia tamiko dia nahita ilay hazavana, nefa sy mba nandre ny feon’ilay niteny tamiko.
10
Dia nanontany indray aho hoe: «Tompo ô, inona no tokony hataoko?» Dia hoy ny Tompo tamiko: «Mitsangàna, mankanesa ao Damasy, ka ao ianao no hilazana izay rehetra asain’Andriamanitra hataonao.»
11
Tsy nahita ny masoko, azon’ilay hazavana mamirapiratra teo, ka dia notantanan’ny mpiara-dia tamiko aho vao tonga tao Damasy.
12
Tao Damasy dia nisy lehilahy atao hoe Hananià, izay mpivavaka tsara sy mpanaraka ny lalànantsika sady tsara laza tamin’ny mponina jiosy rehetra tao an-tanàna.
13
Tonga tao amiko izy, nijoro teo anilako ary nanao hoe: «Ry Saoly rahalahiko, mahirata!» Dia nahiratra teo no ho eo aho ka nahita azy.
14
Fa hoy i Hananià: «Efa voafidin’ilay Andriamanitry ny razantsika ianao mba hahafantatra ny sitrapony ary hahita an’ilay hany Marina sy handre ny teny aloaky ny vavany.
15
Ho vavolombelon’ilay hany marina ianao ka hanambara amin’ny olona rehetra ny zavatra efa hitanao sy renao.
16
Koa inona ankehitriny no andrasanao? Mitsangàna, antsoy ny anaran’i Jesoa ary aoka hatao batisa ianao ka ho voasasa amin’ny fahotanao.»
17
–Tafaverina tany Jerosalema aho, ka raha mbola nivavaka tao an- kianjan’ny tempoly dia nisehoam-pahitana.
18
Hitako ny Tompo ary izao no teniny tamiko: «Malakia ianao, ialao faingana i Jerosalema, fa ny mponina eto tsy hiraharaha ny fijoroanao ho vavolombelona hanambara Ahy.»
19
Dia novaliako hoe: «Tompo ô, fantany tsara fa mpitety ny sinagôga aho ary nataoko am-ponja sy nasaiko nodarofana kapoka ny mpino Anao.
20
Ary tamin’ny namonoana an’i Stefàna vavolombelona nanambara Anao, dia teo koa aho. Nankasitrahiko ireo namono nahafaty azy, ary izaho no mpitan-damban’izy rehetra.»
21
Dia hoy ny Tompo tamiko: «Mandehana fa Izaho no haniraka anao any lavitra, ho amin’ny hafa firenena.»
22
Nihaino an’i Paoly hatrany hatrany ny olona; fa nony mby tamin’ireo teny ireo, dia velona antsoantso mafy hoe: –Esory amin’ny tany ny karazan’olona toy itony, fa tsy mendrika ho velona!
23
Horakoraka, tsipy lamba ary tora-bovoka ny an’ny olona amin’izany!
24
Ka nanome baiko ny komandy hampidirana an’i Paoly ao amin’ny toby sy hikapohana azy mba hanerena azy hiteny, hahafantarana ny anton’ny anakoràna azy toy izao.
25
Efa voafatotra hokapohina i Paoly no niteny tamin’ilay kapiteny nanatrika teo hoe: –Azonareo kapohina ve ny olona mizaka ny zom-pirenena rômanina, na dia tsy mbola voatsara aza?
26
Nony nandre izany teny izany ilay kapiteny, dia nandeha nampandre ny komandy sady nilaza hoe: –Inona ity hataonao? Olona mizaka ny zom-pirenena rômanina io lehilahy io.
27
Nanatona an’i Paoly kosa ny komandy ka nanontany azy hoe: –Hono ho’aho, mizaka ny zom-pirenena rômanina ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny.
28
Ary izao no tenin’ny komandy: –Izaho dia vola be tokoa no naloako hizakako ny zom-pirenena rômanina. Fa hoy i Paoly: –Izaho kosa vao teraka dia efa nizaka izany.
29
Niaraka tamin’izay dia nihataka ry zareo efa ndeha hikapoka an’i Paoly hanerena azy hiteny; natahotra mbamin’ilay komandy aza nony nahalala fa mizaka zom-pirenena rômanina i Paoly, satria izy komandy no efa nampamatotra azy.
30
Te hahalala marina izay anton’ny niampangan’ny Jiosy an’i Paoly ity komandy; noho izany, dia nasainy novahana izy ny ampitson’iny ary nampiantsoiny hivory ny lohandoha-mpisorona sy ny Fitsarana ambony manontolo. Dia nentin’ilay komandy i Paoly, ka najorony hiatrika azy rehetra.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28