bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 4
Acts 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
1
Raha mbola niteny tamin’ny vahoaka teo i Petera sy i Jôhany, dia indreo tonga ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary koa ny Tsadoseanina.
2
Tsy zakan-dry zareo mihitsy ny ampianarin’izy roa lahy ny vahoaka sady itoriany fa tanteraka ao amin’ny tenan’i Jesoa ny fitsanganana velona avy any amin’ny maty.
3
Nosamborin’izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan’ny andro.
4
Maro kosa tamin’izay nihaino ny tenin’Andriamanitra no nino, ka tafakatra ho dimy arivo ny isan’ny vatan-dehilahy mpino.
5
Nony ampitson’iny vao nifamory tao Jerosalema ny manampahefana jiosy: dia ny loholona sy ny mpahay lalàna
6
ary koa i Hanà mpisorombe sy i Kaiàfa, i Jôhany sy i Aleksandra mbamin’izay rehetra havan’ny mpisorombe.
7
Nampanatrehan-dry zareo i Petera sy i Jôhany sady nanontaniany hoe: –Fahefana ahoana moa na amin’ny anaran’iza no nanaovanareo izany fanaratsiana izany?
8
Feno Fanahy Masina i Petera tamin’izay ka nanao hoe: –Ry mpifehy ny vahoaka sy ry loholona,
9
raha adinina izahay anio satria nanasoa lehilahy kilemaina anankiray ary anontaniana ny fomba nahasitranany,
10
dia izao no aoka ho fantatrareo rehetra mbamin’ny vahoaka Israely manontolo: salama tsara io lehilahy manoloana anareo io noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, Izay nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana kanefa natsangan’Andriamanitra ho velona avy any amin’ny maty.
11
I Jesoa no Ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Ny vato nolavinareo mpanao trano no nanjary vato fehizoro!»
12
Ao aminy no hany ahazoam-pamonjena; eny, tsy misy eto ambanin’ny lanitra anarana hafa nomen’Andriamanitra ny olona, izay hahazoantsika famonjena!
13
Gaga dia gaga ireo anisan’ny Fitsarana ambony raha nahita ny fahasahiana nasehon’i Petera sy i Jôhany: satria tandriny tokoa fa olona tsotra tsy nahita fianarana izy roa lahy, sady fantany fa olona niaraka tamin’i Jesoa;
14
hitany koa ralehilahy sitrana soa aman-tsara nitsangana teo anilan’izy roa lahy, hany ka tsy nanan-kolazaina ry zareo.
15
Dia nasaina niala teo amin’ny efitranon’ny Fitsarana ambony ireto voampanga fa ry zareo kosa nifampidinika
16
nanao hoe: –Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Ny mponina rehetra eto Jerosalema dia mahalala miharihary ny famantarana vitany ka tsy haintsika lavina.
17
Kanefa mba tsy hielezan’izany intsony amin’ny vahoaka, dia aoka horahonantsika izy roa lahy ka hosakanana tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa intsony na amin’iza na amin’iza.
18
Dia nantsoin-dry zareo i Petera sy i Jôhany, ka norarany tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesoa intsony.
19
Saingy hoy izy roa lahy taminy: –Tsarao raha rariny eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo toy izay manaiky an’Andriamanitra;
20
raha izahay, tsy azonay atao ny tsy hiteny momba izay efa hitanay sy renay.
21
Norahonan’ireto manampahefana indray i Petera sy i Jôhany vao nalefany. Tsy nahita izay hampiharana sazy ry zareo satria ny vahoaka efa samy nanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny zava-nitranga teo.
22
Fa mihoatra ny efapolo taona ralehilahy nanaovana izany famantarana nahasitrana azy izany.
23
Vantany vao afaka izy roa lahy, dia namonjy ireo namany ka nitantara izay rehetra voalazan’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona.
24
Nony nandre izany ireo mpino, dia indray nientana nanandratra tonom-bavaka tamin’Andriamanitra hoe: –Tompo ô, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin’izay rehetra eo aminy;
25
ary tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina no nampitenenanao an’i Davida razanay sady mpanomponao hoe: «Nahoana no mihotakotaka ny firenena? Nahoana no mioko foana ny vahoaka?
26
Nivonon-kiady ny mpanjakan’ny tany, ary nivondrona ny manampahefana mba hanohitra ny Tompo sy ilay Mesiany.»
27
Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia.
28
Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao.
29
Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa;
30
ahinjiro ny tananao hahasitrana ary hahatontosa famantarana sy zava-mahagaga amin’ny anaran’i Jesoa ilay Mpanomponao masina.
31
Rehefa avy nivavaka ireo mpino, dia nihovitrovitra ny trano niangonany ary feno Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.
32
Iray fo sy fanahy tokoa ireo mpino marobe ary tsy nisy nilaza ny fananany ho azy samirery, fa niara-nanana ny zavatra rehetra.
33
Tamin-kery lehibe no nijoroan’ny apôstôly ho vavolombelona manambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo; ary fitahiam-be avy amin’Andriamanitra no teo amin’ny mpino rehetra.
34
Tsy nisy orin-javatra teo aminy; fa ireo nanana tany na trano dia nivarotra izany, ary nitondra ny vola vidin’ny zavatra lafo,
35
ka nanolotra izany teo anatrehan’ny apôstôly, dia nozaraina araka izay nilain’ny tsirairay.
36
Ohatra i Jôsefa, levita teraka tany Sipra, izay nantsoin’ny apôstôly hoe Barnabà (izany hoe olona havanana amin’ny fampaherezana):
37
i Jôsefa dia nanana saha izay namidiny, ka nanolotra ny vola vidiny teo anatrehan’ny apôstôly.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28