bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 12
Acts 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 13 →
1
Tamin’izany fotoana izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan’ny Fiangonana mba hampahorîna.
2
Novonoiny tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Jôhany;
3
ka nony hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nosamboriny koa i Petera. (Andro fankalazana ny Azima indrindra tamin’izay.)
4
Rehefa voasambotr’i Herôda i Petera, dia nataony am-ponja; andia-miaramila efatra, misy miaramila efatra avy, no nasain’ity mpanjaka niandraikitra ny fiambenana azy. Nokasain’i Herôda hotsaraina imasom-bahoaka manko izy aorian’ny Paska.
5
Voatana tao am-ponja àry i Petera, fa ny Fiangonana kosa nivavaka mafy tamin’Andriamanitra ho azy.
6
Ny alina mialoha ny hitsaran’i Herôda azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran’ny fonja dia efa nasiana mpiambina.
7
Dia indro nisy anjelin ’ny Tompo tonga teo, ary namirapiratry ny hazavana tao amin’ilay efitry ny fonja. Notohinin’ilay anjely teo amin’ny tehezany i Petera, dia nofohaziny ka nataony hoe: –Mitsangàna faingana! Nilatsaka ho azy ny gadra tamin’ny tanan’i Petera.
8
Dia hoy ilay anjely taminy: –Misikîna ary anaovy ny kapa. Dia nataon’i Petera izany. Ary hoy koa ilay anjely taminy: –Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.
9
Dia niala tao am-ponja nanaraka an’ilay anjely i Petera. Saingy tsy fantany ho zavatra tena marina izay nataon’ny anjely fa noheveriny ho fahitana fotsiny.
10
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin’ny vavahady vy mahazo ny lalana ho any an-tanàna. Nivoha nidanadana ho azy ilay vavahady ka dia tafavoaka soa aman-tsara izy ireo. Nizotra tamin’izay lalana anankiray izay izy ireo, ary dia nilaozan’ny anjely tampoka i Petera.
11
Izay vao nahatsiaro tena i Petera ka nanao hoe: –Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny tokoa ny Tompo, ka nanafaka ahy teo an-tanan’i Herôda sy tamin’ny ratsy rehetra notetehin’ny vahoaka jiosy.
12
Nony nazava tsara tamin’i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka.
13
Nandondom-baravarana i Petera ka nisy ankizivavy atao hoe Rôda nanatona hihaino.
14
Vao nahafantatra ny feon’i Petera izy, dia nentin-kafaliana, ka tsy namoha ny varavarana fa lasa nihazakazaka nilaza tamin’ny olona tao an-trano hoe ao am-baravarana ao i Petera.
15
Dia hoy ny olona tamin-drazazavavy: –Lasa adala ity ianao! Nanizingizina i Rôda fa marina izay voalazany. Ka hoy indray ny olona hoe: –Ambiroany izany!
16
Fa naharitra nandondòna ihany i Petera. Nony namoha azy ny tao an-trano ka nahita azy vao talanjona.
17
Nanofahofa tanana hampangina azy ireo kosa i Petera, ka nitantara ny namoahan’ny Tompo azy tao am-ponja. Ary hoy koa izy hoe: –Ambarao amin’i Jakôba sy amin’ny havana iray finoana izany! Dia lasa i Petera nankany an-toeran-kafa.
18
Nony nazava ny andro, dia somaritaka be ihany ny miaramila mpiambina nifanontany momba izay niafaran’i Petera.
19
Nampikarohin’i Herôda izy, nefa tsy hita. Dia nalaina am-bava ireto mpiambina ary nasainy novonoina. Avy eo dia niala tao Jodea i Herôda ka nankany Kesaria ary nipetrapetraka tany.
20
Tezitra izaitsizy tamin’ny mponina tany Tiro sy Sidôna i Herôda. Ry zareo kosa anefa niray saina nanatona ny mpanjaka. Rehefa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho namana izy ireo, dia nangataka hanao raharaham-pihavanana tamin’i Herôda, satria ny tanin’ny mpanjaka no mamatsy ny faritr’i Tiro sy i Sidôna.
21
Tamin’ny andro voatendry, dia nitafy ny fanamiana maha mpanjaka i Herôda ary nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana ka nikabary ampahibemaso tamin’ny solotenan’i Tiro sy i Sidôna.
22
Ary ny vahoaka tafavory niantsoantso hoe: –Andriamanitra izany miteny izany fa tsy mba olombelona!
23
Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin ’ny Tompo namely an’i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin’Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy.
24
Ary niely sy niroborobo fatratra kosa ny tenin’Andriamanitra.
25
Rehefa nahatontosa ny asa nanirahana azy tany Jerosalema i Barnabà sy i Saoly, dia niverina sady nitondra an’i Jôhany izay antsoina hoe Marka hiaraka aminy!
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28