bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Acts 25
Acts 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 26 →
1
Telo andro taorian’ny nahatongavan’i Festo tao amin’ny faritany, dia niainga avy ao Kesaria izy ho any Jerosalema.
2
Tonga teo aminy hiampanga an’i Paoly ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona jiosy. Nitaky tombontsoa tamin’i Festo ry zareo ary niangavy azy,
3
mba hampaka an’i Paoly ho atỳ Jerosalema; efa niray teti-dratsy manko izy rehetra mba hamono azy eny an-dalana.
4
Nefa namaly i Festo fa i Paoly dia am-ponja any Kesaria, ary ny tenany rahateo dia hiverina tsy ho ela.
5
Ary hoy koa izy: –Aoka hiara-midina amiko any Kesaria ny lehibenareo ka any no hiampangany an’izany lehilahy izany raha nisy ratsy vitany.
6
Nandritra ny valo na folo andro monja no niarahan’i Festo tamin-dry zareo, dia niverina tany Kesaria izy. Ny ampitson’ny nahatafaverina azy ihany, dia nipetraka teo amin’ny fitsarana izy ary nampaka an’i Paoly.
7
Nony tonga i Paoly, dia nohodidin’ireo Jiosy nidina avy tany Jerosalema ka nampangainy ho nahavita fahadisoana maro sady lehibe, nefa tsy hain-dry zareo porofoina akory.
8
Niaro tena kosa i Paoly ka nanao hoe: –Tsy misy fahadisoako na tamin’ny lalànan ’ny Jiosy na tamin’ny tempoly na tamin’ny amperôra rômanina.
9
Nila sitraka tamin’ny Jiosy anefa i Festo ka nanontany an’i Paoly hoe: –Tianao ve ny hiakatra any Jerosalema ka hotsaraina any eo anatrehako ny momba ity raharaha ity?
10
Fa novalian’i Paoly hoe: –Eto amin’ny fitsaran’ny amperôra rômanina izay tokony hitsarana ahy no ijoroako. Tsy nanisy ratsy ny Jiosy aho, ka na ianao aza dia mahalala izany tsara tokoa.
11
Koa raha meloka aho sy nahavita ratsy mahamendrika ahy ho voaheloka ho faty, dia tsy laviko ny ho faty. Fa raha tsy misy marina kosa ny fiampangana ataon-dry zareo ahy, dia tsy azon’iza na iza atolotra azy aho. Akariko amin’ny amperôra rômanina ny raharaha.
12
Nony avy nifampidinika tamin’ny mpanolotsaina i Festo, dia nanao hoe: –Nampiakarinao amin’ny amperôra rômanina ny raharaha, ka dia ho any amin’ny amperôra rômanina ianao.
13
Nony afaka andro vitsivitsy, dia tonga tany Kesaria i Agripà mpanjaka sy i Berenîka anabaviny hiarahaba an’i Festo.
14
Koa satria naharitra andro maro no nitoerany tao, dia novelabelarin’i Festo tamin’ny mpanjaka ny raharahan’i Paoly: –Misy lehilahy izay navelan’i Feliksa ho mpifatotra ao.
15
Fony aho tany Jerosalema, dia tonga teo amiko ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona jiosy hiampanga azy ary niangavy ahy hanameloka azy.
16
Fa izao no navaliko an-dry zareo: «Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona raha tsy efa nampifanatrehina tamin’ny mpiampanga ny ampangaina ary nahazo niaro tena nanohitra ny fiampangana.»
17
Ka dia tonga teto niaraka tamiko izy rehetra. Tsy nangataka andro aho fa ny ampitson’iny ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana aho ka nasaiko nalaina ralehilahy.
18
Nony nitsangana ireo mpiampanga, dia tsy nisy zava-dratsy araka izay nampoiziko nitoriany azy.
19
Ny niadiany hevitra tamin’i Paoly dia momba ny fivavahany sy izany Jesoa efa maty izany saingy nolazain’i Paoly hoe velona.
20
Very hevitra aho ny amin’ny hamotopotorana izany raharaha izany, ka dia nanontaniako i Paoly raha tiany ny hankany Jerosalema hotsaraina any momba izany raharaha izany.
21
Nefa moa nampiakatra ny raharaha i Paoly mba ho ny amperôra rômanina no ho tompon’ny teny farany momba azy. Dia nasaiko nambenana izy mandra-pahazoako handefa azy any amin’ny amperôra rômanina.
22
Dia hoy i Agripà tamin’i Festo: –Mba te handre izany lehilahy izany koa aho! Ary novalian’i Festo hoe: –Handre azy ianao rahampitso!
23
Nony ampitso, dia tonga i Agripà sy i Berenîka, nianjaika tokoa araka ny fiandrianany be voninahitra. Niditra tao amin’ny efitra fitsarana izy mianadahy narahin’ny komandin’ny tafika sy ny olo-manan-kaja tao an-tanàna. Dia nasain’i Festo nalaina i Paoly ka nentiny nankeo.
24
Ary hoy i Festo: –Ry Agripà mpanjaka sy ianareo rehetra manatrika etoana, io lehilahy hitanareo io dia nampangain’ny Jiosy marobe tamiko, na tany Jerosalema na teto, ka nantsoantsoiny hoe tsy tokony ho velona intsony.
25
Tsy hitako akory izay ratsy vitany mahamendrika azy ho voaheloka faty. Kanefa moa izy ihany no nampiakatra ny raharahany amin’ny amperôra rômanina, dia tapa-kevitra aho handefa azy any aminy!
26
Tsy manan-javatra mazava tsara momba azy hatao an-tsoratra ho an’ny amperôra rômanina aho; koa dia entiko eto anatrehanareo izy, indrindra fa eto anatrehanao, ry Agripà mpanjaka; ka rehefa avy nalaina am-bava izy, dia mba hanan-javatra hatao an-tsoratra aho.
27
Tsy fahendrena manko, araka ny hevitro, ny mampanatitra mpifatotra raha tsy tondroina tsara ny zavatra iampangana azy.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28